Taom-baovaon’i Jehovah - Sabata 2 mialoha ny Paska

NY TAOM-BAOVAON’I JEHOVAH


Teny Mialoha

·           Miarahaba ny mpanaraka tsy tapaka ny fianarana Soratra Masina nahatratra ny taona vaovao araka ny kalendrie masin'Andriamanitra (Eks 12:2 “Ity volona Abiba ity ho voaloham-bolana amin’ny taona ho anareo”). Raha ny kalendrie Gregoriana ampiasaintsika ankehitriny dia miovaova io andro voalohan’ny volana Abiba io. Mba hahafantarana ny fotoana isan-taona, dia jereo ny Tovana izay mampahafantatra antsika ny fotoana hitandremantsika ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah isan-taona, izay miainga avy amin'ny kalendrie masin'Andriamanitra (Calendrier sacréde Dieu).


Nanomboka nampianatra ny Isiraely ny amin’ny Drafitra na Planin’ny Fonjena Jehovah, tamin’ny nanomezany ny fepetra rehetra momba ny Paska, izay fototra amin’io Planina io. Ary nampianatra fanisana vaovao ny volana amin’ny taona koa Izy. Mifampiankina tanteraka amin’io fanisana ny volana io no ilaharan’ireo dingana fito ao amin’ny Planin’ny Famonjena, izay fantatra matetika amin’ny filaharan’ny volana: volana voalohany, faharoa, fahatelo, …, hatrany amin’ny volana faharoa ambin’ny folo.

Toy izany koa no anavaozan’i Jehovah ny fifanekeny amintsika Isiraely ara-panahy. Mila mahafatatra sy manaja izany fanavaozan’Andriamaitra ny fanisana ny volana amin’ny taona izany isika, hampiorina antsika amin’ny finoana sy fanekena ary fitandremana ny hevim-panahin’ireo diangana fito amin’ny Planin’ny Famonjena ireo. Amin’ity Volana Abiba ity no ahatsiarovantsika ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, ho fanafahana antsika amin’ny ota sy handresena an’i Satana mpamitaka.

·           Ny voalohan’ny volana Abiba no anombohana ny fandaharana ny dingana rehetra amin’ny taom-pisoronana ao amin’ny Fiangonana. Hamafisintsika amin’ny fianarana sy fitandremana ny Paska sy Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira izany, amin’ny faha 14 sy 15-21 Abiba. Ny fivoahan’ny Zanak’Isiraely avy tao Egypta tamin’ny volana Abiba dia fanombohana vaovao amin’ny fahafahan’izy ireo tamin’ny fahandevazana.

Ampianarina antsika koa izao fanombohana manisa ny andro amin’ny taona izao, mba hahatakarantsika ny filaharan’ireo dingana rehetra amin’ny Planin’ny Famonjena, ambaran’ny hevi-panahin’ny Andro Firavoravoana voatendrin’i Jehovah. Ireo no manafaka antsika amin’ny aretina sy ny ota, hidirantsika ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa miverina i Kristy.

Ny fankatoavantsika ny didin’i Jehovah “hiantso fivoriana masina amin’ny fotoany” avy, amin’ny Andro Firavoravoana voatendiriny (Lev 23:2, 4, 37), hianarantsika ny hevi-panahiny, izany hoe ny Planin’ny Famonjena, dia miantoka ny fanatrehan’i Jehovah, Izay miady ho antsika sy mandringana ny fahavalontsika rehetra. Izany no nataony raha nitondra ny Zanak’Isiraely olony nivoaka an’i Egypta tandindon’ny ota Izy, ka nandrigana an’i Farao sy ny Egyptiana, tandindon’i Satana sy ny devoly namany: famonoana ny lahimatoa rehetra tamin’ny alin’ny Paska, sy ny miaramila rehetra tao anaty Ranomasinamena.

Tenin’Andriamanitra

Eksodosy 12:1-14

Jaona 12:1-16

Eksodosy 12:1-14

[Ny Paska, sy ny loza fahafolo, izay nahafaty ny lahimatoa rehetra teo Egypta]

(Eksodosy 12:1) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe: »(12:2) « Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy. »(Eksodosy 12:3) « Mitenena ianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny isan-trano; »(12:4) « ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan'ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak'ondry. »(12:5) « Zanak'ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny ondry na amin'ny osy izy; »(12:6) « ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra. »(12:7) « Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny trano izay hihinanany azy. »(12:8) « Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy. »(12:9) « Aza hanina manta na voahandro amin'ny rano izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny. »(12:10) « Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo. »

(12:11) « Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah. »(12:12) « Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah. »(12:13) « Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. »(12:14) « Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay. »

Jaona 12:1-16

(Jaona 12:1) « Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska (9 Abiba io, satria ny faha 15 Abiba Fety Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira no Paska lazainy eto, fa tsy andro famonoana ny zanak’ondry), Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran'i Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny maty. »(12:2) « Dia nanao fanasana ho an'i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy. »(12:3) « Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano. »(12:4) « Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika Azy: »(12:5) « Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo? »(12:6) « Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny. »(12:7) « Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin'ny andro hanamboarany Ahy halevina io. »(12:8) « Fa ny malahelo dia ety aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho ety aminareo mandrakariva. »(12:9) « Ary ny vahoaka betsaka tamin'ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an'i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin'ny maty. »(12:10) « Fa nihendry hahafaty an'i Lazarosy koa ny lohan'ny mpisorona, »(12:11) « satria izy no nialan'ny maro tamin'ny Jiosy ka ninoany an'i Jesosy. »(12:12) « Ary nony ampitson'iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin'ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy, »(12:13) « dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan'ny Isiraely, Ilay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118, 26). »(12:14) « Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: » (12:15) « Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9). »(12:16) « Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa niditra tamin'ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany. »

 

TORITENY

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray

 

·           Miarahaba ny mpanaraka tsy tapaka ny fianarana Soratra Masina nahatratra ny taona vaovao 2021 (Eks 12:2 “Ity volona Abiba ity ho voaloham-bolana amin’ny taona ho anareo”).

·           Ny Alahady14 Marsa no voalohan’ny volana Abiba, fiandohan’ny taona 2021, araka ny fanisan’andron’i Jehovah (Calendrier sacré de Dieu).

 

1.    Fiderana an’Andriamanitra Mpamorona sy Mpiahy izao rehetra izao no mendrika hataontsika voalohany amin’izao taona vaovao izao, araka ireto tenin’Andriamanitra manaraka ireto:

 

(Salamo 103:1) « [Fiderana an'Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny famindram-pony] Nataon'i Davida. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. »(Sal 103:2) « Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, »(Sal 103:21) « Misaora an'i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony. »(Sal 103:22) « Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. »(Sal 104:1) « Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao, »

 

2.    Nanomboka nampianatra ny Isiraely ny amin’ny Drafitra na Planin’ny Fonjena Jehovah, tamin’ny nanomezany ny fepetra rehetra momba ny Paska, izay fototra amin’io Planina io. Ary nampianatra fanisana vaovao ny volana amin’ny taona koa Izy.

 

3.    Mifampiankina tanteraka amin’io fanisana ny volana io no ilaharan’ireo dingana fito ao amin’ny Planin’ny Famonjena, izay fantatra matetika amin’ny filaharan’ny volana: volana voalohany, faharoa, fahatelo, …, hatrany amin’ny volana faharoa ambin’ny folo.

 

(Eksodosy 12:3) « Mitenena ianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny isan-trano; »

(12:6) « ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra. »(12:7) « Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny trano izay hihinanany azy. »(12:8) « Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy. »

(12:10) « Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo. »

 

4.      Toy izany koa no anavaozan’i Jehovah ny fifanekeny amintsika Isiraely ara-panahy. Mila mahafatatra sy manaja izany fanavaozan’Andriamanitra ny fanisana ny volana amin’ny taona izany isika, hampiorina antsika amin’ny finoana sy fanekena ary fitandremana ny hevim-panahin’ireo diangana fito amin’ny Planin’ny Famonjena ireo. Amin’ity Volana Abiba ity no ahatsiarovantsika ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, ho fanafahana antsika amin’ny ota sy handresena an’i Satana mpamitaka.

 

·           Ny voalohan’ny volana Abiba no anombohana ny fandaharana ny dingana rehetra min’ny taom-pisoronana ao amin’ny Fiangonana. Hamafisintsika amin’ny fianarana sy fitandremana ny Paska sy Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira izany, amin’ny faha 14 sy 15-21 Abiba. Ny fivoahan’ny Zanak’Isiraely avy tao Egypta tamin’ny volana Abiba dia fanombohana vaovao amin’ny fahafahan’izy ireo tamin’ny fahandevazana.

Ampianarina antsika koa izao fanombohana manisa ny andro amin’ny taona izao, mba hahatakarantsika ny filaharan’ireo dingana rehetra amin’ny Planin’ny Famonjena, ambaran’ny hevi-panahin’ny Andro Firavoravoana voatendrin’i Jehovah. Ireo no manafaka antsika amin’ny aretina sy ny ota, hidirantsika ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa miverina i Kristy.

 

Ny fankatoavantsika ny didin’i Jehovah “hiantso fivoriana masina amin’ny fotoany avy”, amin’ny Andro Firavoravoana voatendiriny (Lev 23:2, 4, 37), no ianarantsika koa ny hevi-panahiny,diany Planin’ny Famonjena. Izany fankatoavanaizany no miantoka ny fanatrehan’i Jehovah, Izay miady ho antsika sy mandringana ny fahavalontsika rehetra. Izany no nataony raha nitondra ny Zanak’Isiraely olony nivoaka an’i Egypta tandindon’ny ota Izy, ka nandrigana an’i Farao sy ny Egyptiana, tandindon’i Satana sy ny devoly namany.

 

Taona faharoa izao no ankalazantsika eto Madagasikara ny Paska, fahatsiarovana ny fotoana nahafatesan’i Jesosyaraka izany nodidiany hoe:“Izao no atovy ho fahatsiarovana Ahy”(Lio 22:19; 1Kor 11:24-25).

 

Tsarovy ny fotoana nanafahan’i Jehovah ny Zanak’Isiraely tamin’ny fahandevozany tany Egypta tandindon’ny ota, sy ny nitondrany azy ireo nivoaka an’i Egypta hatramin’ny niampitany ny Ranomasina Mena. Nomba ny Zanak’Isiraely hatrany Jehovah ary niady ho an’izy ireo tamin’ny nandringanany ny fahavalony (Eks 14:13-14; Deo 20:4).

 

Azo antoka fa momba antsika tokoa Jesosy Kristy amin’izao fahatsiarovantsika ny Paska nahafatesany izao, sy ny fiadiany ho antsika noho ny fahatsiarovantsika sy fianarantsika ny hevi-panahin’ny andro firavoravoana Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira (Mat 28:8; 1Kor 5:8).

Takatra avy amin'ny Baiboly fa ny Fetin’Andriamanitra isan-taona dia mampiseho ny dingana fito amin'ny Planin’ny Famonjena ho an'ny olombelona rehetra. Ao amin'ity Taridalana Fianarana ity dia handinika ny dingana roa voalohany amin'izany Planin’ny Famonjena izany isika.
 
• Mandinika ny antony maha fototry ny Andro Masin’Andriamanitra ny Paska, sy ny maha dingana voalohany amin'ny Planin’ny Famonjena azy.
• Manazava ny antony ilana ny soron'i Kristy.
 
Andriamanitra nampiasa ny loza 10 hamotehana ny finoana an’ireo andriamitra sampy nivavahan'ny Egyptiana sy ny Isiraelita maro koa. Ny Egyptiana dia olona tena mpivavaka - manana andriamanitra ho an'ny zavatra rehetra izy ireo. Rehefa namadika ny ranon’i Neily ho ra Andriamanitra dia nivavaka tamim-paharisihana tamin'i Hapi, andriamanitry ny renirano Neily izy ireo. Nefa rehefa nivavaka tamin'ilay tena Andriamanitra i Mosesy vao nitsahatra ny loza. Ny loza tsirairay dia namely andriamanitra hafa tsirairay. Ny loza faha 10 kosa namely an'i Farao. Nino ny Egyptiana fa taranaka avy amin’ny andriamanitra Ra izy ireo, izay heveriny ho loharanon'aina. Tamin'iny alina iny, ny ain'ny lahimatoa Egyptiana rehetra dia nesorin'ny anjelin’ny fahafatesana nalefan'Andriamanitra. Tsy nanan-kery hamonjy ny ain'ilay zanany lahimatoa i Farao.
Nesorin'Andriamanitra ny fisalasalana rehetra tao an-tsain'ny Isiraelita hoe iza ilay Andriamanitra marina, ary inona no fivavahana marina. Vonona Izy izao hanomboka hampianatra ny Isiraelita momba ny Planin’ny Famonjena.
Rehefa nilentika ny masoandro, raha mbola nazava ihany, dia nanomboka ny dingana voalohany amin'ny Planin'ny Famonjen'Andriamanitra ny fianakaviana tsirairay amin'ny Isiraely, izany hoe famonoana zanak'ondry lahy tsy misy kilema iray taona. Ny ran'ny zanak'ondry dia tsy maintsy natentina tamin'ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravaran’ny tranony, mba ho marika amin’ny anjelin'ny fahafatesana, izay handingana, mba hiarovany ny zanany lahimatoa.
 
Rehefa nihidy tsara ny varavarana, dia nihinana haingana ilay zanak'ondrilahy natsatsika izy ireo, nampiarahiny tamin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy; dia vonona handao an'i Egypta izy ireo, amin’ny fotoana voatondro. Nomena baiko izy ireo mba tsy hivoaka ny tranony tamin'io alina io. Ary rehefa nandalo ilay anjelin’ny fahafatesana, dia voavonjy ny lahimatoa tao amin'ireo trano izay nanana ny ran'ny zanak'ondry teo amin'ny tolam-baravarana sy tataom-mbaravarana.
Koa satria ny Egyptiana tsy nanana ny fiarovan’ny ran'ny zanak'ondry eo amin'ny tolam-baravarany, dia maty ny lahimatoan'ny olona sy ny biby, na dia ny lahimatoan'i Farao koa aza. Io no naharesy lahatra an'i Farao hamela ny vahoakan'Andriamanitra handeha, hanao fety ho an’i Jehovah any an-tany efitra. Very hevitra i Farao - maty ny zanany lahimatoa, ary nangataka azy ny vahoaka handefa ny Isiraelita. Natahotra an'izay nataon'Andriamanitra izy, dia nandefa iraka haingana indrindra tany amin'i Mosesy, ary nandidy ny Isiraelita rehetra haka ny biby fiompiny, ary hiala avy hatrany an’i Egypta.
Tonga ary ny maraina, koa araka ny didin'Andrimanitra, dia nankany amin'ny Egyptiana ny Isiraelita mba homeny volamena, sy volafotsy, sy firavaka, ary fanomezana sarobidy, noho ny fanandevozana lava sy mangidy nataony. Nomena izay rehetra niriny izy ireo, satria nomen’Andriamanitra sitraka teo anatrehan’ny Egyptiana. Efa vonona ary izao ny Isiraelita, ary ny hariva dia nanomboka nivory tao Ramsesa.
Misy dikany lehibe ny Paska. Ny fametahana ny ràn'ny zanak'ondry teo am-baravarana dia manambara ny ran'i Kristy ampiharina amin'ny fiainantsika. "Kristy, Paska ho antsika", dia nanolotra ny ainy tonga lafatra sy tsy misy ota ho sorona, hanonerana ny fanamelohana ho faty izay azontsika rehetra. Ary ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta dia tandindon’ny fivoahantsika amin’ny ota.

Ny dingana voalohany amin'ny Planin’ny Famonjena: Paska

Tanjona

Fandinihana ny Paska voalohany (avy amin’ny Eksodosy 12-13)

 

 

 

 

 

 

Ity raha fintinina ny zava-nitranga tamin'ny Paska voalohany. Azonao atao ny mamaky ny fitantarana momba ny Paska miaraka amin'ny ankohonanao, ao amin'ny Eksodosy 12.

 

Paska amin’ny Testamenta Vaovao

Jesosy manome ohatra. Vakio ny tantara amin'ireto andininy manaraka ireto:

- Marka 14: 12-16 Manamarika fa Jesosy naniraka ny mpianany hanomana ny Paska, izay notandremany isan-taona.
- Jaona 13: 1-17 Mitantara ny ohatra nasehon’i Jesosy momba ny amin'ny fanetren-tena, ny fitiavana ary ny fanompoana, amin'ny alalan'ny fomba nanasany ny tongotry ny mpianany.


Novan’i Jesosy ny mariky ny Paska
 

Inona ireo famantarana roa vaovao amin’ny Paska, izay nampianarin'i Kristy ho solon'ny tandindona taloha?

Marihina aloha fa nihinana henan’ny zanak’ondry ry Jesosy araka izay fanao mahazatra amin’ny Paska:(Lioka 22:7) « Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska. »(Lioka 22:8) « Ary Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika. »(Lioka 22:9) « Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy? »

Lioka 22:14-16 « Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly. » « Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. » « Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. »

Saingy tamin’io Paska nataony farany io no nampianarany ny fomba vaovao hahatsiarovana mandakizay ny nahafatesany amin’ny maha Zanak’ondrin’Andriamanitra Azy: Mofo Tsy Misy Masirasira sy Divay fa tsy henan’ny zanak’ondry intsony.

Lioka 22:19-20 « Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. » « Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo. »

Ny mofo tsy misy lalivay dia maneho ny vatan'i Kristy izay voakapoka mafy tamin'ny andro Paska. Ny divay dia tandindon'ny ran'i Kristy izay nalatsaka tamin'ny Paska. Ireo rehetra ireo dia natao mba ho famelana ny helotsika.

 

Fampitahana ny Mariky ny Paska amin’ny Testamenta Vaovao sy ny Marika tamin’ny Testamenta Taloha

 

Ny fianarana amin'ny fanaovana dia iray amin'ireo fomba maro ampiasain'Andriamanitra, hampianarana antsika momba ny Planin’ny Famonjeny.
Ao amin'ny Testamenta Taloha, rehefa nanomboka nampianatra ny Isiraely ny amin’ny Planin’ny Famonjeny Andriamanitra, dia nilaza tamin'izy ireo ny zavatra tokony hataony, mba "handalo" azy ireo fotsiny ilay anjelin’ny fahafatesana. Amin’ny andro fahafolon’ny volana voalohany, tsy maintsy mifidy zanak’ondrilahy tsy misy kilema izy ireo, ary hamono azy amin'ny filentehan'ny masoandro amin’ny andro faha-14. Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny zanak'ondry tsy misy kilema dia maneho an'i Kristy, tsy nanota. Ny famonoana zanak'ondry dia tandindona ny soron'i Kristy. Izany dia manambara ny fotoana izay hanaovana sorona, na hanomboana an’i Kristy amin'ny hazofijaliana.
Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny masirasira dia tandindon'ny ota ary ny mofo tsy misy lalivay dia maneho ny vatan'i Kristy tsy misy ota sady tonga lafatra. I Kristy namaky ny mofo tsy misy lalivay, nanehoana fa hampijaliana sy hokapohina Izy, mba ho fanasitranana tanteraka ny fahoriantsika, izay vokatry ny fahotana.
Araka ny lalàna, dia ilaina ny fandatsahan-dra ho famelan-keloka. Ao amin'ny Testamenta Taloha, nanaovana sorona biby tsy manan-tsiny ny fisoronana. Izy io dia nampianatra momba ny soron'i Jesosy Kristy amin'ny ho avy, rehefa handoa ny sazin'ny fahotan’ny olona rehetra ny fandatsahana ny rany.


Ao amin'ny Testamenta Vaovao, i Kristy dia nanorina ny fampiasana divay hisolo ny rany nalatsaka. Ny fandatsahana ny rany nasehon'ny divay dia midika fa niditra tamin'ny fanekena vaovao na fifanarahana vaovao amintsika i Kristy. Ny fanomezan'i Kristy ny ainy koa no mahatonga antsika ho afaka mivavaka mivantana amin'Andriamanitra Ray. Ny mpikambana vita batisa dia mankalaza ny Paska ary manaraka ny didin'i Kristy: "Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy." Noho izany, mianatra amin'ny fampiharana isika.

Nahoana isika no mila ny Paska?

Andriamanitra nanome antsika lalàna ara-panahy, izay maneho amintsika ny lalana tsara hananana fiainana sambatra sy mahavokatra. Na lalàn’Andriamanitra izany, na lalàn'olombelona, na fitsipika napetraky ny ray aman-drenintsika, dia misy foana ny sazy tsy maintsy arahana raha toa ka mandika ireo lalàna na fitsipika ireo. Ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra dia ota, ary misy sazy tsy maintsy arahana.
Milaza amintsika ny Romana 6:23 hoe inona ny sazy amin'ny fanitsakitsahana ny lalàn'Andriamanitra: "Fa fahafatesana no tambin'ny ota."


Izay rehetra niaina dia efa nanota tamin'ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra. Araka ny efa novakianao teo, dia takiana ny fandatsahan-dra ho famelan-keloka. Raha tokony ho nandoa ny sazin'ny fahotany amin’ny ainy manokana ny olona tsirairay, dia i Kristy no nandoa ny sazy ho an'ny olombelona rehetra. Jesosy Kristy irery ihany no ampy handoavana ny fahotan’ny olombelona. Nalatsaka ny ràny mba ho voavela ny fahotantsika, ary hahazo mandova fiainana mandrakizay isika.

Raha tsy misy ny soron'i Kristy dia tsy ilaina ny Andro Masina hafa. Ny Paska no mametraka ny fototry ny Planin'Andriamanitra ho famonjena ny olombelona. Tsy maintsy ankalazaintsika ny Paska isan-taona mba hitadidiana ny fitiavan'i Kristy tamin'ny nandoavany ny onitra noho ny fahotantsika.

ð  FEHINY:Nahoana no mila ny Paska isika? Ilaintsika ny Paska — sorona nataon'i Jesosy Kristy - mba hamelana ny helontsika ary hahazoantsika fiainana mandrakizay.


Lesona ho tadidina

Ao anatin’ny Baiboly, Andriamanitra mampiasa tandindona mampianatra na manazava ny fahamarinany. Manankarena amin'ny ohatra ny Androny Masiny. Rehefa mieritreritra ny Paska isika dia mieritreritra ilay zanak'ondry tsy misy kilema izay tandindon'i Kristy, Zanak'ondrin'Andriamanitra. Rehefa mieritreritra ny Andron'ny Mofo Tsy Misy Lalivay isika dia mieritreritra ny mofo tsy misy lalivay na ny lalivay izay tandindon'ny ota. Mampiasa fitantarana na filazana an'ohatra Andriamanitra amin'ireo zava-nitranga tamin'ny Isiraelita fahizay, mba hanomezana antsika fahatakarana lalindalina sy feno kokoa momba ny Planin’ny Famonjeny.

Aoka ny fianakaviana hiara-mamaky ireo tranga efatra. Vakio avy eo ny valiny. Asaivo lazain'ny mpanatrika tsara hoe inona no tena valiny.

 

1: Nomena toromarika ny Isiraelita hamono zanak'ondry tsy misy kilema, ary hanosotra ny rany eo amin'ny tolam-baravarana sy tataom-baravarana, ho famantarana ho an’ny anjelin’ny fahafatesana, mba handingana fotsiny izy ka hiaro ny lahimatoan’izy ireo:

Jesosy Kristy dia natao sorona mba hahazoana famelana ny fahotantsika amin'ny rany.

 

 2. Nampisaraka ny Ranomasina Mena Andriamanitra, ary i Mosesy dia nitarika ny Isiraelita namakivaky ny tany maina teo anelanelan’ny rindrin-drano avo amin'ny sisiny roa.

Ireo Isiraelita niampita ny Ranomasina Mena dia tandindon'ny batisa, manadio azy ireo tamin’ny fahotany rehetra nataony tany Egypta.

Ny fanekentsika hatao batisa amin’ny Anaran’I Jesosy Kristy dia manadio ny fahontantsika rehetra tany aloha.

 

3. Nanenjika mafy i Farao sy ny tafiny. Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hiverenan'ny rano amin'ny Egyptiana sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny. Ny tafik'i Farao dia tsy hanahirana ny Isiraelita intsony.
Naringan'Andriamanitra ny tafik'i Farao mba hampianarany ny Isiraelita hiantehitra Aminy irery - fa tsy amin’ny tanjak’izy ireo, na ny fahendreny, na ny drafitra nataony.
Ny Fitandremantsika ny andro firavoravoana Mofo Tsy Misy Masirasira no ianarana mifady ny ratsy rehetra, amin’ny fahadiovam-po sy fahamarinana (1Kor 5:8), ary handresena an’i Satana miaraka amin’i Jesosy Kristy (Jak 4:7).

4. Naniraka an'i Mosesy Andriamanitra, hilaza amin'ny Zanak'Isiraely hoe: "Raha mankatò ny lalàko izy ireo dia ho lasa vahoaka manokana izay tiako kokoa noho ny hafa. Ho tonga fanjaka-mpisorona sy firenena masina izy ireo"
Hampianatra ny olona ny didy sy lalàna hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra sy handresesena ny ratsy isika izay antsoiny ankehitriny (Eks 19:6; 1Pet 2:9).
Amin'ny fitsanganana voalohany dia hatao mpanjaka sy mpisorona ny vahoakan'Andriamanitra, ary hanjaka eto an-tany sy hampianatra ny firenen-drehetra (Apo 2:26-27).

Ny dingana faharoa amin'ny Planin’ny Famonjena: ny Andron'ny Mofo Tsy Misy Lalivay

Tanjona:

• Fandinihana ny fifandraisan’ny Paska sy ny Andron'ny Mofo Tsy Misy Lalivay, mba hanehoana ny dingana faharoa amin'ny Planin’ny Famonjena.
• Fanamafisana indray fa afaka manampy amin’ny fiomanana ho amin'ny Paska sy ny Andro Tsy Misy Masirasira ny mpianakavy
• Manakatra ny hevitra ara-panahy ao ambadiky ny lesona ara-bakiteny momba ny fanesorana ny masirasira sy ny fihinanana mofo tsy misy lalivay.

Andron'ny Mofo Tsy Misy Lalivay Notandremana Tao Amin'ny Testamenta Taloha sy Ao Amin’ny Testamenta Vaovao

Tamin'ny alàlan'i Mosesy, Andriamanitra nanomboka nampianatra ny Planin’ny Famonjena tamin’ny Isiraelita. Ny Paska dia tsy maintsy tandremana amin'ny andro faha-14 amin'ny volana voalohany amin'ny taona, miaraka amin'ny Andron'ny Mofo Tsy Misy Lalivay manomboka ny ampitson'iny. Ny Andro Masin'Andrimanitra dia natao ho fahatsiarovana sy lalàna mandrakizay, hatramin'ny taranany fara mandimby, amin'izay fonenany rehetra. Nandritra ny taonjato maro, ny Isiraelita dia nihataka tamin'ny lalàn'Andriamanitra sy ny Androny Masina, ary Andriamanitra dia hanangana mpitsara na mpaminany hamerina ny fahalalana an'Andriamanitra.

 

Na izany aza, hisy foana ny olona sasany izay tsy nivadika tamin'Andriamanitra sy ny lalàny.

Ny Fetin'Andriamanitra dia nisy dikany manokana ho an'ny Isiraelita fahiny, ary misy dikany lehibe kokoa aza ho antsika ankehitriny. Ny dingana tsirairay dia mitarika amin'ny dingana manaraka, ary manantena ny fotoana hipetrahan’ny Fanjakan'Andriamanitra, ho amin'ny fiadanana sy fahasambarana ho an’ny rehetra. Tian’Andriamanitra hankalaza azy ireo amin'ny fifaliana sy ny firavoana isika.

Anaran'ny Fety sy ny Soratra Masina maneho azy

Paska

Nomena ao amin'ny Testamenta Taloha: Levitikosy 23: 5

Notandreman'i Jesosy Kristy, ny Apostoly na ny Fiangonana ao amin'ny Testamenta Vaovao:

Matio 26: 2, Matio 26: 17-19 Marka 14: 12-16
Lioka 2: 41-42; Lioka 22: 1; Lio 22: 7-20
Jaona 2: 13; Jaona 2: 23; Jaona 6: 4; Jaona 13: 1-30
1 Korintiana 11: 23-29
Alina Hotsarovana Indrindra:Eksodosy 12: 37-42

Andron'ny Mofo Tsy Misy Lalivay

Nodidiana tao amin'ny Testamenta Taloha: Levitikosy 23: 6-8
Notandreman'i Jesosy Kristy, ny Apostoly na ny Fiangonana ao amin'ny Testamenta Vaovao:

Matio 26: 17; Marka 14: 12; Lioka 2: 41-42, Lioka 22: 1, Lioka 22: 7; Asa. 20: 6, 1 Korintiana 5; 6-8.

Fomba Fitandremana azy taloha

Namono zanak'ondry ny Isiraelita ary nanisy marika ny varavarany tamin'ny ran'ny zanak'ondry. Noho ny fikirizan’ny Egyptiana handa ny hanafaka ny Zanak'Isiraely, dia novonoin’ny anjelin’ny fahafatesana ny lahimatoan'ny trano tsirairay izay tsy nisy ran’ny zanak'ondry teo amin’ny tolam-baravarana sy tataom-baravarana. “Nodinganiny” ny Isiraelita, ka voatsimbina ny ain’ny Isiraely.
Ny alina aorian'ny Paska dia fankalazana Isiraelita fisaorana noho ny nanafahana azy ireo tamin'ny fanandevozana. Tamin'iny alina iny izy ireo dia nandositra an’i Egypta sy ny fanandevozana, ary nandeha nanaraka an'Andriamanitra!
Nandositra an’i Egypta tamin’ny fahamehana ny Isiraelita, ka tsy nisy fotoana hitomboan’ny koban’ny mofon’izy ireo. Nihinana mofo tsy misy lalivay izy araka ny nandidian'Andriamanitra.

Ahoana, ary nahoana no itandremantsika azy ireo ankehitriny?

Nampianatra i Jesosy fa ny Paska dia mifantoka amin'ny fahafatesany noho ny fahotantsika. Nomeny ny mpianany ny mofo tsy misy lalivay, hanambara ny tenany, sy ny divay hanehoana ny rany. Nampiany fomba fanao iray hafa koa, izay mampisehofanetrentena sy fifanompoana: mifanasa tongotra.
Ankalazintsika amin’ny fiaraha-misakafo manokana ity hariva ity, ho fankasitrahana ny famonjen'Andriamanitra antsika tamin'ny “fatoran'ny ota”. Misaotra an Andriamanitra koa isika tamin'ny nanehoany ny lalany.
Amin'ity herinandro ity ihany, ny lalivay dia ampiasaina ho tandindon’ny ota, na zavatra ratsy tokony hialantsika. Fadintsika ny mofo sy zavatra hafa nasiana lalivay. Rehefa ariantsika any ivelan’ny tranontsika ireny zavatra ireny, dia mianatra isika fa mila ezaka ihany koa ny fanesorana ny ota na ny masirasira ara-panahy.