Miomana ho amin’ny Paska: Sabata 5 mialoha ny Paska

MIOMANA HO AMIN'NY PASKA

Manomana vahoaka hiditra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra


Tenin’Andriamanitra

ü  Gen 19:15-29

ü  Lio9:28-36

ü  Asa21:15-26

 

ü Gen 19:15-29

[Ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, sy ny namonjeny an'i Lota]

(Gen 19:15) « Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an'i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna. »(Gen 19:16) « Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna. »(Gen 19:17) « Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao. »(Gen 19:18) « Ary hoy Lota taminy: Aza an'izany, Tompo ô! »(Gen 19:19) « indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho; »(Gen 19:20) « indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko. »(Gen 19:21) « Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin'izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io. »(Gen 19:22) « Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Zoara. »(Gen 19:23) « Ary ny masoandro efa niposaka tamin'ny tany, raha tonga tao Zoara Lota. »(Gen 19:24) « Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra, »(Gen 19:25) « ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin'ny tany. »(Gen 19:26) « Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy. »(Gen 19:27) « Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin'ilay efa nijanonany teo anatrehan'i Jehovah; »(Gen 19:28) « ary nitsinjo an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe. »(Gen 19:29) « Ary raha noravan'Andriamanitra ny tanàna tany amin'ny tany lemaka, dia nahatsiaro an'i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an'i Lota hiala teo afovoan'ny horavana, tamin'ny nandravany ny tanàna izay nonenan'i Lota. »

Lio 9:28-36

[Ny niovan’i Jesosy tarehy teo an-tendrombohitra]

 

(Lio 9:28) « Ary rehefa tokony ho havaloana taorian'izany teny izany, dia nitondra an'i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka. »(Lio 9:29) « Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra. »(Lio 9:30) « Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia, »(Lio 9:31) « izay niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema. »(Lio 9:32) « Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany* izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.[*Na: Nony nahatsiaro tsara] »(Lio 9:33) « Ary tamin'ny nisarahan'izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy. »(Lio 9:34) « Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin'ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy. »(Lio 9:35) « Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy. »(Lio 9:36) « Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin'olona na dia iray akory aza tamin'izany andro izany ny amin'izay zavatra efa hitany. »

 

Asa21:15-26

 

[Ny nahatongavan’i Paoly tany Jerosalema sy ny nataony hampihena ny tsi-fitiavn’ny Jiosy tany Palestina azy]

 (Asa 21:15) « Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema. »(Asa 21:16) « Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin'i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana. »(Asa 21:17) « Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin'ny fifaliana ny rahalahy. »(Asa 21:18) « Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin'i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona* rehetra. ]*Gr. presbytera] »(Asa 21:19) « Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy. »(Asa 21:20) « Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra, »(Asa 21:21) « sady efa novokisan'olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin'ny jentilisa hahafoy an'i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana. »(Asa 21:22) « Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao. »(Asa 21:23) « Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy ety izay nivoady; »(Asa 21:24) « raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa. »(Asa 21:25) « Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana. »(Asa 21:26) « Dia noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy. »

 

TORITENY

Dr. Daniel Rakotondravony, Fiangonan'Andriamanitra Miray

[Ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, sy ny namonjeny an'i Lota]

[Ny niovan’i Jesosy tarehy teo an-tendrombohitra]

[Ny nahatongavan’i Paoly tany Jerosalema sy ny nataony hampihena ny tsi-fitiavan’ny Jiosy tany Palestina azy]

 

==>Fanomanana vahoaka hiditra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

 

Gen 19:15-29

[Ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, sy ny namonjeny an'i Lota]

Mandositra an’i Sodoma sy Gomora feno ota == Mandositra an’i Egypta feno ota, toy izay tsy maintsy nataon’ny Zanak’Isiraely, tamin’ny Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira,taorian’ny Pasakan’i Jehovah.

 

èFIOMANANA AMIN’NY PASKA

Fampianarana ara-panahyny Fiangonana izay tsy maintsy fantany sy hataony amin’ny:

-   Paskan’i Jehovah = 14 Abiba = 27 Marsa 2021

-   Andro Mofo Tsy Misy Masirasira= 15-21 Abiba = 28 Mar – 03 Apr 2021

 

Izany no ambaran’ny Perikopa!

 

-          Efa hitantsika tamin’ny Perikopa tany aloha ny amin’ny Paskan’i Jehovah, famonoana ny Zanak’ondry, dia Jesosy Kristy.

- Anio kosa dia ny amin’ny Fihinanana Mofo Tsy Misy Msirasira.

 

Mandresy an’izao tontolo izao sy ny fombany (Manomboka amin’ny Gen 19:15-26)

 

Fantatra fa ny mponina tao Sodoma dia ratsy fanahy, masiaka, ary mpanota be eo anatrehan'Andriamanitra. (Gen 13:13). Na izany aza, toa tsy nanakana an'i Lota tsy honina sy hanangana ny lainy any Sodoma izany. Fa maninona izy no nanao izany na dia teo aza ny fampahalalana azony? Ny safidiny hifikitraao Sodoma dia hisy voka-dratsy lehibe ho azy sy ny fianakaviany.

 

Fantatr’i Lota ny soatoavina ara-panahy tena izy; ahoana no nahatonga azy hisafidy sy hijanonana ao anatin'ny tontolo toy izany? Nihevitra ve izy fa afaka manova ireo olona ireo? Fantany ve ny loza? Nihevitra ve izy fa azony atao ny miaro ny olony ary tsy ho voaloto amin'ity tontolo ity izay mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra?

Avy amin'ity tantara fanta-daza ity dia hianatra toromarika vitsivitsy ho an'ny fiainantsika isika.
 
Ahoana no fiantraikan'ny safidin'i Lota amintsika?

Ankehitriny, hitantsika miharihary ny fahasimbana marobe eo amin'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny ambaratonga rehetra. Tsy mitsaha-mitombo ny herisetra miohatra amin'ny fifampiraharahana. Ny fepetra momba ny asa dia arahin'ny filana tombony ; ny fihenjanana dia misy eo amin'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Amin'ny toe-javatra maro, tsy fantatsika intsony ny tokony hatao! Ankoatr'izay, ny fahatsapana ny andraikitra dia miharatsy ary mihamaty tsikelikely mandra-paha-tsy misy azy intsony.

 Misy fampitahana eo amin’izay nataon'i Lota sy ny tokony hataotsika, eo amin’ny toe-javatra misy an'i Sodoma sy Gomora sy izay misy antsika ankehitriny.

 
Novonjen’i Jehovah ny Zanak’Isiraely rehefa nakatò ny didin’i Jehovah

-          Voavonjy tamin’ny fahafatesan’ny lahomatoa raha nandalo ny anjely mpandringana tamin’ny alin’ny Paskan’i Jehovah;

-          Narovan’Andriamanitra tamin’ny fanenjehan’i Farao sy ny miaramila Egyptiana;
-          Novonjen’Andriamanitra tamin’ny fahafatesana tao anaty Ranomasina Mena.
ð  Isika Kristiana marina dia vonjen’i Jehovah raha mitandrina ny didiny rehetra.

Rehefa mibebaka sy atao batisa isika, ny fahotantsika taloha rehetra dia nofafana tamin'ny sorona natao'i Kristy, Ilay Paska ho antsika(Asa 2:38; Romana 3:25; I Kor. 5: 7).
Rehefa nanontany i Paoly raha tokony hanohy manota isika aorian'ny famelan-keloka, inona no navaliny? Rom. 6: 1-2, 6, 15. Inona no didy apostolika nolazainy? Andininy 11-13.

(Rom 6:1) « Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? » (Rom 6:2) « Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? »(1 Kor 5:7) « Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; »

 

Inona no baikon’i Jehovah amintsika, toy izay nataony tamin’i Lota, sy izay nataon’ny Zanak’Isiraely tamin’ny andro Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira?

 

Gen 19:15« Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an'i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna. »

Apo 18:4 « Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. »

 

Gen 19:16« Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna. »

(2 Pet 2:7) « fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan'ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka »

Gen 19:17« Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainaoaza miherika ianaona mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao. »

(1 Mpan 19:3) « Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy ... »

 

Moa ve i Egypta tandindon'ny ota? Heb. 11: 24-27; Apok 11: 8. Toy izany koa Sodoma sy Gomora. Moa ve ny ny mpanota mpanompo na andevon'ny ota? Jaona 8:34; Rom. 6:16. Tian'Andriamanitra handositra ny fanandevozan’ny ota amin'ny fankatoavana Azy ve isika? Rom. 6: 17-18, 22.

 

Fanamarihana: Ny Israelita taloha dia andevon’ny Egyptiana mpanompo sampy. Tsy navela hankatò an'Andriamanitra izy ireo. Noho izany, ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, izay fankalazana ny fivoahan'izy ireo tamin'ny fanandevozana tao Egypta, dia sarin’ny fivoahana amin'ny ota koa. Manandevo ny ota! Ireo izay tsy zanaka notorontoronin’ny Fanahin'Andriamanitra tsy mahatsapa fa andevozin'ny ota izy ireo ankehitriny. Ny fahotana dia mitombo ao amin’ny olona izay mandefitra aminy. Manasazy ny ota! Mitondra alahelo izy, nenina sy tebiteby. Mampahory antsika amin’ny ratra ara-batana izy, ny rofy sy ny aretina. Miteraka ahiahy sy fahasosorana ary famoizampo izy. Mitarika ho amin'ny fahafatesana koa izy.

 

Fandringanan’i Jehovah ny mpanota, tsy mibebaka Gen 19:24-29

 

(Gen 19:24) « Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra, »(Gen 19:25) « ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin'ny tany. »(Gen 19:26) « Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy. »

 

Naringan’i Jehovah toy izany koa ireo Egyptiana mpanota sady nampanota ny Zanak’Isiraely

-          Famonoana ny lahimatoa rehetra, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy;

-          Fandriganana an’i Farao sy miaramilany tao amin’ny Ranomasina Mena.

 

Gen 19:26Ny vadin’i Lota ... Mpisalasala

Ny tantaran'ny vadin'i Lota dia mifintina ao anaty fehezanteny iray: "Ny vadin'i Lota dia nitodika ka lasa sarivongan-sira" (Andininy 26). Tsy tena ny hoe mitodika no ratsy, fa ny fihetsika manambara fa tao Sodoma ny fony. Raha nijanona teny an-dalana izy, dia nalahelo ny fahatsarana sy ny naha zava-poana an'i Sodoma, ny onjan'ny lava (lave) (ranom-bato) no nanenika azy, nampanjary vato azy ary namela azy ho toy ny sarivongana. Kanefa ... saika voavonjy izy. Hoy i Kristy: "Tsarovy ny vadin'i Lota." Ratsy kokoa ny miverina rehefa teo amin'ny làlana mankany amin'ny famonjena noho ny tsy nahalala an'Andriamanitra mihitsy ianao. Isika izay efa nanandrana ny hafalian'ny tontolo ho avy dia mitandrema tsy hiherika any aoriana(Heb 10:38) « Ny marina dia ho velon'ny finoana; Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko » (Heb 10:39) « Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy. »

Fanamafisana: Aringan’i Jehovah izay efa nahalala tsara ny famonjena nefa mihemotra

2 Pet 2:20-21 « Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany. » « Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy. »

Nahatsiaro an’i Abrahama Jehovah

(Gen 19:27) « Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin'ilay efa nijanonany teo anatrehan'i Jehovah; »(Gen 19:28) « ary nitsinjo an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe. »

(Gen 19:29) « Ary raha noravan'Andriamanitra ny tanàna tany amin'ny tany lemaka, dia nahatsiaro an'i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an'i Lota hiala teo afovoan'ny horavana, tamin'ny nandravany ny tanàna izay nonenan'i Lota. »

Tsy tian’Andriamanitra hirayamin’nyrasy fanahy ny marina. Ny marina ho vonjeny fa ny ratsy fanahy haringany.

Ny fahotana be nataon’ny mponina tao Sodoma sy Gomora nitarika ny fandevonan’Andriamanitra azy tamin’ny afo, hatramin’ny tany lemaka rehetra nisy azy.

Novojen’Andriamanitra i Lota sy ny ankohonany, satria olo-marina izy.

Rehefa namonjy an’i Lota Andriamanitra dia nahatsiaro an’i Abrahama, ilay nanaovany fanekena hamonjy ny olombelona rehetra amin’ny alalan’ny taranany, dia Jesosy Kristy. « Zana-drahalahin'i Abrahama i Lota, nonina tao Sodoma. »(Gen 14:12).

FEHINY: MAHEREZA, « Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy. »(Heb 10:39)

Lio 9:28-36

[Ny niovan’i Jesosy tarehy tao an-tendrombohitra]

Mila vakina ny and 27 anambaran’i Jesosy mialoha ny hisehoan’ity fahitana ity.

(Lio 9:27) « Fa lazaiko aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra. »

Fony niova tarehy i Jesosy dia mpianatra telo lahy no nanatrika izany: Petera sy Jaona ary Jakoba (and 28). Ary hitan’ireo ny voninahiny avy amin’Andriamanitra araka izay tena maha-Izy Azy, rehefa any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra Izy. Izao no anton’ny fiovan-tarehy:

(1)   Fampaherezana an’i Jesosy sy filazany tamin’ireo mpianatra fa Izy hiatrika fahafatesana eo amin’ny hazofijaliana, nefa hatsangana indray;(Matio 16:21) « Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo. »

(2)   Mosesy sy Elia, teo amin’ny fahitana, dia niseho tamim-boninahitra ary nilaza tamin’i Jesosy io “fialany” io izay hiseho any Jerosalema (Lio 9: 31);

(3)   Fiantohan’Andriamanitra fa Zanany marina tokoa i Jesosy, Ilay nahafeno ny fepetra hanavotana ny taranak’olombelona (Lioka 9:35) « Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy. »

(4)   Fahitana ihany izay niseho fa tsy zavatra naharitra. (Mat 17:9) « Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin'olona ny fahitana, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty. »

(5)   Torina amin’ny fiangonana izao zavatra izao, satria ato anatin’ny fiomanana amin’ny Paska isika.

Inona no dikan’ny hoe fahitana eto?

Ny teny grika nampiasaina hilazana io fahitana io dia “horama”, izay nilazana ny momba an’i Ananiasy koa, ao amin’ny Asa. 9:10-12.

Ny nahitan’i Saoly an’i Ananiasy nampahiratrany masonyindray (Asa. 9:10-12).

« Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko. » (Asa. 9:10) « Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy; » (Asa. 9:11) « ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony. » (Asa. 9:12)

Paoly izany nahita an’i Ananiasy tamin’ny fahitana na dia tsy nahafantatra izany aza i Ananiasy ! Ny Tompo no nampahafantatra izany an’i Ananiasy taty aoriana. Izany hoe : Ny fisehoan’ny olona iray amin’ny fahitana dia TSY MIDIKA FA MANATRIKA EO MIVANTANA IO OLONA IO. Andriamanitra afaka mampiasa ny sariny hampitondrany hafatra ho an’olona iray, fa tsy midika izany fa manatrika eo ilay olona amin’ny fotoana ampisehoany ny fahitana.

Dia toy izany ny fisehoan’i Mosesy sy Elia,nireska tamin’i Jesosy tamin’ny fiovan-tarehy tao an-tendrombohitra: fahitana,izay tsy midika hoe nanatrika teo mivantana ireo olona roa ireo, ary tsy velona akory azatamin’ny fotoanan’io fahitanaio !

Ohatra hafa: Ny fahitan’i Petera « horonan-damba » nisy karazam-biby maro

Ny tantara dia voasortra ao amin’ny Asa. 11:5-18.

« Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany; » (Asa 11:5)« ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby ety an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa. » (Asa 11:6)« Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano. » (Asa 11:7)« Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy madio. » (Asa. 11:8)« Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza ataonao ho fady. » (Asa. 11:9)« Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany. » (Asa. 11:10)« Ary tamin'izay dia, indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko. » (Asa 11:11)« Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay. » (Asa 11:12)« Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera; » (Asa 11:13)« izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra. » (Asa 11:14)« Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny. » (Asa 11:15)« Dia nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina. » (Asa 11:16)« Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra? » (Asa 11:17)« Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana. » (Asa 11:18)Ilay horonan-damba, nampidinina avy any an-danitra, sy ireo karazam-biby tao anatiny, dia naseho tamin’ny Petera tao anaty fahitana.

Azontsika amin’io tantara io fa Andriamanitra tsy nampiseho ara-bakiteny ireo biby ireo tamin’i Petera. Azontsika fa ny teny hoe fahitana,ilazana izay hitan’i Petera, dia tsy midika hoe nisy biby ara-batana teo fa sary an-tsaina no niseho.

Fehi-kevitra toy izany koa no azontsika tsoahina tamin’izay nahitan’i Saoly ilay olona atao hoe Ananiasy nanasitra ny masony : ny fisehoan-javatra na olona ao amin’ny fahitana dia tsy mitaky fanatrehany mivantana ao anatiny. Sary omen’Andriamanitra fotsiny izany mba hampitany hafatra ho an’izay anehoany ny fahitana.

Toy izany no tsy maintsyandraisantsika ny fisehoan’i Mosesy sy Elia tamin’ny fahitana nandritry ny fiovan-tarehin’i Jesosy tao an-tendrombohitra.Tsy midika hoe velona ireo mpaminany roa lahy ireo na nanatrika mivantana teo amin’io fahitana io.

Mindry ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny fiverenan’i Jesosy Kristy ny olom-boavonjy rehetra vao miditra any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izao no voasoratra:

(Heb 11:13) « Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tety ambonin'ny tany izy. » (Heb 11:39) « Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana, » (Heb 11:40) « fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika. »

Jesosy mihitsy anefa no nivavaka tamin’ny Ray hampiseho tamin’ny mpianatra io fahitana io, mba hahalalan’izyireo ny voninahitra miandry azy any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, rehefa miverina Kristy. (Lio 9:18-27).

(Lio 9:18) « Ary raha nivavaka tao amin'ny mangingina Jesosy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho? » (Lio 9:19) « Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana. » (Lio 9:20) « Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny Kristin'Andriamanitra. » … (Lio 9:22) « Ary Izy niteny nanao hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana. » … (Lio 9:27) « Fa lazaiko aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra. »

FEHINYTorina amin’ny fiangonana izao zavatra izao, satria ato anatin’ny fiomanana amin’ny Paska isika (14 Martsa isika; Paska amin’ny 8 Aprily), izay handalovan’i Jesosy fahoriana lehibe. Izy anefa nampahitaantsikany voninahitra ho azontsikarehefa tonga any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Koa miomana tsara hahinana ny Paskan’i Jehovah.

Asa 21:15-26

[Ny nahatongavan’i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony hampihena ny tsi-fitiavan’ny Kristiana tany Palestina azy]

Ny dia nankany Jerosalema

Mpianatra maro (Asa 21: 4), toy ny mpaminany Agabo (asa 21:11), no naminany ny amin’ny fahoriana izay hihatra amin’ny tenan’i Paolyraha mankany Jerosalema izy. Ireo Kristiana ireo dia nandray izany tenim-paminaniana izany ho toy ny torolalana manokana ho an’i Paoly, milaza aminy ny tsy tokony handehanany ho any Jerosalema (and 4, 12). Paoly kosa anefa, na dia nahalala ny fahamarinan’ny fanambarana aza (and 11), dia tsy nanaiky ny fomba fandraisan’ireo mpianatra ny fanambaran’ny faminaniana (and 13). Niankina tanteraka tamin’izay fitarihan’ny Fanahy Masina sy ny Tenin’Andriamanitra azy manokana izy teo amin’ny fanapahan-kevitra lehibe toy izany. Ka izao no teny navalin’i Paoly an’izy ireo:

(Asa 21:13) « Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho, tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo. »(Asa 21:14) « Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra ny mpianatra ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no hatao. »

Ny nahatongavan’i Paoly tany Jerosalema

(Asa 21:17) « Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin'ny fifaliana ny rahalahy. »(Asa 21:18) « Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin'i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra. »(Asa 21:19) « Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy. »(Asa 21:20) « Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra, »(Asa 21:21) « sady efa novokisan'olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin'ny jentilisa hahafoy an'i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana. »(Asa 21:22) « Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao. »(Asa 21:23) « Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy ety izay nivoady; »(Asa 21:24) « raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa. »(Asa 21:25) « Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana. »(Asa 21:26) « Dia noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy. »

Nosamborina i Paoly (Asa 21:27-36)

Rehefa tapitra ny fotoana dia nahita an’i Paoly teo an-kianjan’ny Tempoly ireo Jiosy avy tany Asia, ka nampitabataba ny vahoaka rehetra (and 27). Ary raha nitady hamono an’i Paoly ny olona dia nisy teny nakarina tany amin’ny mpifehy arivo tamin’ny an-tokon’ny miaramila. Ary ny mpifehy arivo nanakaiky dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra azy tamin’ny gadra roa. Ary nony tonga teo amin’ny ambaratonga dia nobetain’ny miaramila i Paoly noho ny fifanosehan’ny olona; fa ny olona maro nanaraka ka niantso hoe: Vonoy ilehio! (and 31-36)

Niresaka tamin’ny vahoaka i Paoly (Asa 21:37-22:1-21)

Notantarain’i Paoly tamin’ny vahoaka Jiosy ny fomba nisehoan’i Jesosy taminy teny an-dalana nankany Damaskosy, ka nahajamba ny masony noho ny fahazavana be avy tany an-danitra, ary ny nanirahan’i Jesosy an’i Anananiasy hampahiratra azy indray sy hanao batisa azy (Asa 22:12-16).

(Asa 22:12) « Ary ny lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin'ny Jiosy rehetra izay nonina teo, »(Asa 22:13) « dia nanatona ahy ary nitsangana ka nanao tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin'izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy. »(Asa 22:14) « Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany; »(Asa 22:15) « fa ho vavolombelony amin'ny olona rehetra ianao ny amin'izay efa hitanao sy renao. »(Asa 22:16) « Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao. »

 

Ato anatin’ny fiomanana amin’ny Paska isika.

Mpianatra maro sy mpaminany maro no naminany ny amin’ny fahoriana izay hihatra amin’ny tenan’i Paoly raha mankany Jerosalema izy. Izy kosa anefa te-hanambara amin’ny loholona ny amin’ny fanopoana masina izay efa nampanaovin’i Jesosy azy tany amin’ny jentilisa, ka vonona izy hanao izay sitrapon’ny Tompo. Ary tao Jerosalema izy dia nilazan’ny Tompo hivoaka faingana satria tsy handray ny fanambaran’i Paoly an’i Jesosy izy ireo (Asa 22:17-21).

(Asa 22:17) « Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo an-kianjan'ny tempoly, dia azon-tsindrimandry » (Asa 22:18) « ka nahita Azy milaza amiko hoe: Maladia ianao, ka mivoaha faingana an'i Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy izy. » … (Asa 22:21) « Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin'ny jentilisa. »

FEHINY

Hitantsika tamin’ny Perikopa tamin’ny Sabata faranyho fanomanana amin’ny Pasaka ny famakiana ny Tononkiran’i Solomona, izay voalaza fa natokana fahiny ho vakina amin’ny Paska. Lafiny hafa amin’ny fiomanan’ny fiangonana amin’ny Paska indray no hita androany, dia ny filazan’i Jesosy ny fiokoan’ny mpisoronabe sy ny mpanora-dalana hamono Azy alohan’ny firavoravoan’ny Paskaamin’nymaha Zanak’ondrin’ny Paska Azy. Anio koa isika dia ampahafantarina izay tokony hataontsika rehefa voavonjy tamin’ny fahotantsika taloha noho ny fahafatesana sy fitsanganan’i Kristy, fa hanamasina ny tenantsika kosa amin’ny fitandremana ny didy rehetra, izany hoe: mitafy an’i Kristy sy mitafy ny fiadian’Andriamanitra rehetra hanohitra sy handresy an’i Satana sy ny ota mandritry ny fiainantsika.

Niaretantsika koa ny fahoriana beniaretan’ny Apostoly Paoly noho ny fanatanterahany ny iraka ampanaovin’i Jesosy Tompo azy. Tsy faly amin’ny fitoriana ny Filazantsara ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny devoly ka manao izay sakatsakana maro isan-karazany.

Nandalo izany sedra izany ny fiangonantsika tato ho ato, tamin’ny nahatapahan’ny jiro sy ny rano nandritra ny tapa-bolana. Mandidy antsika hivoaka faingana tao “Jerosalema” ny Tompo satria tsy handray ny fanambarantsika an’i Jesosy sy ny Fajakan’Andriamanitra izy ireo.Izao no baikony amintsika: “Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin'ny jentilisa.” Ary nampiseho antsika ny voninahitra hoazontsika Izy, rehefa tonga any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY ANIE NY VONINAHITRA! AMENA.

Haleloia!