Miomana ho amin'ny Paska: Sabata 7 mialoha ny Paska

Mitafia fanetren-tena


Tahaka ny ahoana ny fanetren-tena?

Manetre tena: Ny fanetren-tena no fanalahidy manafaka antsika amin’ny fiavonavonana sy ny fireharehana.

Andininy maro no milaza amintsika fa tena ilaina ny “mitady fanetren-tena” na “mitafy fanetren-tena”, ary koa ny hoe “manetre tena eo anatrehan’Andriamanitra”.

Jakoba 4: 10. Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.

Romana 12: 16. Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [ Na: manetre tena amin’ny malahelo]

Miteraka voka-dratsy ny avonavona sy ny fireharehana

Ny avonavona sy ny fireharehana dia fomba fisainana miteraka vokatra ratsy.

Ohabolana 16: 18. Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.

Ohabolana 18: 12. Ny fireharehan’ny fon’ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.

Ny Voka-dratsy entin’ny fireharehana sy fiavonavonana

– Ny avonavona dia loharanon’ny fifanolanana amintsika sy amin’ny mpiara-belona amintsika.
– Ny avonavona dia mampifanohitra antsika amin’ilay Andriamanitra velona.
– Ny fiavonavonana dia mitondra antsika any amin’ny fakam-panahy sy ny ota.
– Ny fiavonavonana dia mamitaka antsika ka mampiala antsika amin’ny ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Ny fireharehana sy ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana

Nefa ny fandokan-tena sy ny fireharehana izay miteraka fiavonavonana dia mahatonga antsika hamitaka ny tenantsika, ary sarotra ny manohitra azy. Toetra avy amin’ny devoly ny fireharehana sy ny fiavonavonana, ary ny fizahozahoana momba ny toeram-boninahitra nomen’Andriamanitra azy no nahatonga an’i Losifera hikomy tamin’Andriamanitra sy hanohitra Azy.

Ezekiela 28: 5. Ny haben’ny fahendrenao tamin’ny varotrao no nampitomboanao ny harenao, ka dia miavonavona ny fonao noho ny harenao; 6. Koa, indro, izao no lazain’i Jehovah Tompo: Satria efa nataonao ho toy ny fon’Andriamanitra ny fonao, 7. Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin’ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao 8. Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan’izay voatrabaka ao amin’ny ranomasina.

Tohero ny fireharehana sy ny fiavonavonana

Raha maniry marina ny hikatsaka ny fiainana mandrakizay izay fanomezan’Andriamanitra isika, dia tokony hanao ady ara-panahy hanohitra ny avonavona sy fireharehana. Mazotoa mikatsaka fanetren-tena sy fahalemem-panahy. Ny tanjona amin’izany dia ny hanafoanana tanteraka ny fisainana feno avonavona sy ny fieboeboana, ary ny hameno izany toerana banga izany amin’ny fanahin’ny fanetren-tena… sy ny asan’ny fanetren-tena.

Kolosiana 3: 12. Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala.

Andininy maro no milaza amintsika fa tokony … “mitady fanetren-tena” … “mitafy fanetren-tena isika” … ary tokony “manetry tena eo imason’Andriamanitra”, ka tsy ho faly handray laza sy voninahitra avy amin’ny olombelona. Ny manao ny marina sy ho tia ny rariny ary ny manetry tena no tsara sy ilain’Andriamanitra amintsika mpanompo Azy. Tsy tokony hanandra-tena isika fa hanetry tena mandrakariva.

Mika 6: 8. Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain’i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.

Andriamanitra no tokony homena voninahitra sy saotra ary haja. Apokalypsy 4: 11. Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery;

Kristy no ohatra tokony harahintsika amin’ny fanetren-tena

Tokony hanana fomba fisainana sy fieritreritana tahaka an’i Kristy isika. Modely ho amin’ny fanetren-tena i Kristy. Filipiana 2: 1-8 dia milaza anatra hamporisika ny Filipiana hitondra tena tsara sy hanetry tena tahaka an’i Jesosy Kristy:

1. Koa raha misy famporisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana, 2. dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra, 3. tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. 4. Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa. 5. Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, 6. Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, 7. fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; 8. ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana.

Jesosy Kristy dia nanetry tena ary tonga tahaka ny iray amintsika olombelona Izy. Nalain’ny devoly fanahy Izy, nijaly sy nokapohina, ary maty teo amin’ny hazo fijaliana. Na dia be voninahitra aza Izy dia nanetry tena ka tsy niloa-bava manoloana ireo nikapoka sy namono Azy.

Filipiana 2: 1-8 – dia milaza an’i Kristy Zanak’Andriamanitra, nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana mba hamonjy antsika. Izy dia nanome ohatra lehibe amin’ny fanetren-tena ho antsika. Ireo fanambarana ny amin’ny fahalehibiazany sy ny voninahiny ao amin’ny Baiboly dia tsy nataony ho fireharehana akory, fa natao ho fanambarana ny fahamarinana fotsiny ihany, mba hinoantsika Azy.

Ahoana no fomba hanarahantsika ny ohatra nomen’i Kristy amin’ny fanetren-tena ?

Manomboka manaraka ny ohatra nasehon’i Kristy isika amin’ny alàlan’ny fanekena sy fanarahana ampahibemaso ny fahamarinana. Mila mandinika marina ny tenantsika isika. Mila miaiky ny fahotana natao hatrizay, mila miaiky isika fa tsy mahay manao na inona na isika raha tsy eo ny fahasoavan’Andriamanitra. Mila miaiky ny tsy fahatanterahantsika raha oharina amin’i Kristy isika.

Ahoana no fomba hanoherana ny fireharehana sy fieboeboana?

1) Fankatoavana an’Andriamanitra dia fanetren-tena

Andriamanitra irery no afaka manokana fotoana masina ho Azy hanaovana fotoam-pivavahana ho Azy. Izy irery no afaka mahalala izay mahasoa antsika olombelona asan’ny tànany. Ny finoana ny tenin’Andriamanitra dia aseho amin’ny fankatoavana ny didy sy lalàna. Anisan’izany ny Sabatan’i Jehovah amin’ny fotoany avy sy ny famantarana an’i Jesosy Kristy izay manana hevi-panahy lalina sy mahavelona. Ireo didy sy fitsipik’Andriamanitra ary lalàna dia fanilo hahazoana fitahiana sy fiainana.

Deotoronomia 8: 2. Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran’i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.

Jeremia 11: 4. Izay nandidiako ny razanareo tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, dia avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,

2) Fisaorana, fankasitrahana, fiderana ary fanompoana an’Andriamanitra dia fanetren-tena

Ny ohatra momba ny zaza dia mampianatra antsika hahay manetry tena sy matoky ny ray aman-dreniny. Matio 18: 2. Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany 3. ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo.[Gr. mitodika] 4. Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

3) Manetre tena ary omeo voninahitra Andriamanitra noho ny fahatsarany

Raha mahay misaotra sy maneho fankasitrahana tsy tapaka ho an’Andriamanitra isika dia ho sarotra amintsika ny hihevi-tena ho mahay manao ny zavatra rehetra sy hiankina amin’ny fahalalana amin’ny maha-olombelona. Ny fahombiazantsika rehetra, ny fahasalamantsika, ny hery entina miasa isan’andro dia avy amin’Andriamanitra, ka tokony hisaorana Azy avokoa.

Andriamanitra no manome ranonorana ho an’ny marina sy ny tsy marina. Eksodosy 34: 6. Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.
Ny fiderana sy ny fisaorana homentsika Azy dia tokony ho tena marina tokoa, fa raha tsy izany dia manjary lasa naman’ny mpihatsaravelatsihy isika, ary manana fireharehana ara-panahy.

Galatianina 6:14 dia milaza fa Jesosy Kristy dia maty sy namonjy antsika na dia tsy mendrika izany aza isika.
Romana 1: 20. Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo; [ Na: Mba tsy hanan-kalahatra] 21. fa na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.

4) Ny fifadian-kanina dia atao amin’ny fanetren-tena

Ny andro fifadian-kanina dia fotoana natokana ho an’ny fankasitrahana sy fiderana an’Andriamanitra. Io fotoana fandavana sakafo sy rano io dia mampahatsiahy fa tsy mahavita tena isika fa malemy sy miantehitra amin’Andriamanitra. Io no mampahatsiahy antsika fa ny tenin’Andriamanitra koa dia ampy hivelomantsika.

Deotoronomia 8: 3. Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona.

5) Maka ny toeran’ny mpanompo isika rehefa manetry tena

Ny fanetren-tena dia mahatonga antsika haka ny toeran’ny mpanompo satria Jesosy Kristy no loha sy mpitarika antsika. Ny Fanahy Masina no mampianatra sy mpitari-dalana antsika ho amin’ny marina rehetra.

Efesiana 5: 23. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonanaary Izy no mpamonjy ny tena. [ Gr. eklesia]

Lioka 17: 7. Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana? 8. Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao? 9. Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany? 10. Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoeMpanompo tsy mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.

6) Alaviro ny fitadiavana laza sy voninahitra ary ny fifeharehana

Ny ankamaroan’ny zavatra safidintsika hatao na tsy ataontsika dia tarihin’ny faniriana te handray dera sy laza avy amin’ny namana sy ny manodidina antsika. Izany hoe, dia mitady voninahitra ho antsika isika, mitady ny hodokafan’ny olona isika, ary tsy mikatsaka izay hanome fisaorana sy voninahitra ho an’Andriamanitra Izay nanolo-tsaina sy nanome hery ho antsika. Mahatonga tsi-finoana an’Andriamanitra izany fihetsika izany.

Jaona 5: 44. Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin’ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo?

Raha mikatsaka ny fiderana sy laza avy amin’olona isika dia hampietren’Andriamanitra hatramin’ny farany ambany ary ny valisoa amin’ny fireharehana sy fieboeboana dia fahasimbana.

Ohabolana 8: 13. Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.

Ohabolana 16: 18. Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.

Daniela 5: 20. Fa nony niavonavona kosa ny fony, ary nikikitra tamin’ny fireharehana ny fanahiny, dia naetry niala tamin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany izy, ary ny voninahiny nesorina taminy;

Raha mikatsaka ny fiderana an’Andriamanitra kosa isika ka manome fanajana Azy dia hanomana valisoa lehibe sy maharitra eo alohantsika Izy. Jakoba 4: 6. Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena” (Oha. 3.34].

7) Manompo ny hafa amim-pitiavana no atao hoe manetry tena

Tsy ny asa fanompoana araka ny fomba tian’ny rehetra atao akory no atao hoe fanetren-tena. Misy asa fanompoana sasany tsy maintsy atao, nefa tsy mahaliana ny olona rehetra. Hamafa ny trano fiangonana sy hamoaka ny fako aorian’ny fotoam-pivavahana ve ianao? Hanaiky ny hanasa ny lamban-tseza sy rideau amin’ny fiangonana ve ianao? Vonona ny hanompo ny vady aman-janakao ve ianao ka hanao izany amim-pitiavana? Vonona ny hanampy ny sahirana ve ianao?

Afaka misafidy ny hanompo ny hafa ve ianao … mba hitondrana azy ireo ho ambony noho ny tenanao … sa tsia? Ny fanetren-tena dia ny mamela heloka ny mpirehareha, ny manaiky hanompo ny hafa tsy amin’ny fimonomononana, ny manampy ny olona maimaimpoana tsy hiandrasan-tamby akory, ary koa ny manome mandrakariva na dia ho an’ny tsy mahay mankasitraka aza.

Filipiana 2: 1. Koa raha misy famporisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana, 2. dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra, 3. tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. 4. Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa. 5. Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, 6. Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, 7. fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; 8. ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana.

Tsarovy fa Jesosy Kristy dia nanetry tena ka nanasa ny tongotry ny mpianany mialoha ny fihinana ny Paska. Ny lamba nisikinany ihany no namaohany ny tongotry ny mpianany taorian’izany. Jaona 13: 5. ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ny lamba famaohana izay nisikinany.

Isika koa, azontsika atao izany fanetren-tena nampianariny izany rehefa manana ny fitiavan’Andriamanitra ao am-po isika.

8) Ny fanetren-tena dia endriky ny fitiavana

1 Korintiana 13: 4. Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, 5. tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, 6. tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, 7. mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. [ Na: manarona]

Izany fitiavana izany no hahatonga antsika ho mpanompo vonona hanampy mandrakariva ny hafa, ary tsy efan’ny herin’olombelona izany. Ity karazam-pitiavana ity dia tsy maintsy katsahina sy tadiavina. Azonao atao ny misafidy ny handray ny andraikitry na anjara toeran’ny mpanompo tahaka an’i Kristy. Azonao angatahana amin’Andriamanitra ny hanana saina feno fankasitrahana Azy sy ny hanetry tena.

Ny fitiavana araka an’Andriamanitra dia ny misafidy ny ho tia. Ity singa safidy ity angamba dia manakaiky kokoa ny fitiavan’i Kristy. Izy no nifidy ny hijaly mba hahazoantsika famonjena.

Indraindray Andriamanitra dia mampianatra antsika amin’ny alalan’ny fahoriana mba hahaizantsika manetry tena.

9) Fijaliana sy fahoriana: Fanomezana avy amin’Andriamanitra hianarantsika manetry tena

Ny ankamaroan’ny teny Hebreo ampiasaina hanehoana ny fanetren-tena dia avy amin’ny fakanteny toy ny hoe: torotoro, mangana, tapaka, faizina… ary midika ho fifandraisana misy eo amin’ny fanetren-tena sy ny fijaliana.

Jesosy Kristy dia nampijaliana sy nampahoriana nefa nanetry tena mandrakariva. Isaia 53: 7. Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.

Etsy andaniny, niresaka ny fijaliany ara-batana i Paoly ho toy ny fanefitra amin’ny avonavona: 2 Korintiana 11:30 [jereo 11:16 -12: 10], 2 Korintiana 12: 5-7

2 Korintiana 11: 30. Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha. 2 Korintiana 12: 5. Ilay anankiray no hataoko rehareha; fa ny amin’ny tenako dia tsy hirehareha aho afa-tsy amin’ny fahalemena ihany. 6. Fa na dia te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko. 7. Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin’ny nofo, dia irak’i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.[Na: Notsatohana hazo maranitra ny nofoko]

Ny Hebreo 5: 8 dia milaza amintsika fa Jesosy aza dia niharitra fahoriana, ary Izy dia nianatra fanarahana n’a dia Zanak’Andriamanitra aza. Hebreo 5: 8. dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza.

Raha tratry ny aretina ianao ka mijaly noho izany, na tsy manam-bola, na miharitra fanenjehana, na malahelo noho ny ataon’ny mpankahala anao dia matokia an’i Jehovah. Mihaino anao sy momba anao Andriamanitra raha miantso Azy hianao. Ny tanjon’ny amin’izao fahoriana izao dia ny hampandefitra ny fanahin’olombelona ao anatinao izay mirona mora foana amin’ny avonavona, hamafisan-doha ary fieboeboana.

Ny fanetren-tena dia tsy midika ho fahalemena akory, fa fomba iray entin’Andriamanitra manova ny herin’ny fanahin’olombelona ao anatintsika, ho amin’ny fahatsaram-panahy, mba hianarantsika manetry tena sy fanarahana ny tenin’Andriamanitra, ary mba ho tia fihavanana. Hebreo 12: 14. Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.

10) Mandefitra mandrakariva sy mamela heloka ny manetry tena

1 Korintiana 6: 7. Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo? [ Na: matiantoka mihitsy ny fanahinareo, raha manana]

Jakoba 3: 17. Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.

1 Petera 2: 20. Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin’izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak’Andriamanitra.

Matio 18: 21. Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin’ny impito va? 22. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo.[Na: fito-polo impito]

Ny tombontsoa ara-pihetseham-po sy ara-panahy azo avy amin’ny fanetren-tena

1) Fisandratana… Matio 23: 12. Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.

2) Fankasitrahana sy fitsinjovan’Andriamanitra

Salamo 138: 6. Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.[Na: Fa avo Jehovah ka] Isaia 66: 2. Fa izao zavatra izao no nataon’ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.

3) Fanatrehan’Andriamanitra

Isaia 57: 15. Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo;

Lioka 18: 13. Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota. 14. Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.

Salamo 131: Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] 2. Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko.

Matio 11: 29. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.

4) Torolàlana sy fahendrena

Ohabolana 11: 2. Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.

5) Fifaliana

Isaia 29: 19. Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin’i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin’ny olona hifaly amin’ny Iray Masin’ny Isiraely.

Famaranana:

Ny avonavona sy fireharehana dia fomba fisainana mitondra faharavana sy fahasimbana, loharanon’ny fifandirana sy ady ary mitarika any amin’ny fahafatesana amin’ny farany. Mivavaha amin’Andriamanitra ary Mangataha aminy mba hialana amin’ny avonavona sy fieboeboana. Fanampin’izany, fenoy fankatoavana, fankasitrahana an’Andriamanitra ny fonao, aty mazotoa amin’ny fanompoana sy ny fitiavana ary ekeo ny famaizan’Andriamanitra avy amin’ny fahoriana sy fijaliana. Ireo rehetra ireo dia fomba samihafa entina maneho sy miaina fanetren-tena avokoa.