Miomana ho amin'ny Paska: Sabata 4 mialoha ny Paska

MIOMANA HO AMIN'NY PASKA

 Manomana vahoaka ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra (Asa 22 :21)



TENIN' ANDRIAMANITRA

ü  Isa 42: 1-9

ü  Jao 19:1-22

ü  Heb 10:1-18

Isa 42:1-9

[Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, mpitondra famonjena ho an'ny Isiraely sy ny firenena rehetra]

(Isa 42:1) “Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy.” (Isa 42:2) “Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana.” (Isa 42:3) “Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy.” (Isa 42:4) “Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny nosyhiandry ny lalàny.” (Isa 42:5) “Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy; Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy. Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an'izay mandeha eo aminy:” (Isa 42:6) “Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tananaoAry hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ny olona, Ho fanazavana ny ientilisa. (Isa 42:7) “Hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin'ny maizina hiala ao an-trano famatorana. (Isa 42:8) “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokitra. (Isa 42:9) “Ny amin'ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny. dia ambarako aminareo.”

Jao 19:1-22

[Ny nanomboana an 'i Jesosy tamin 'ny hazofijaliana]

(Jao 19:1) “Ary tamin'izany dia nalain'i Pilato Jesosy ka nokapohiny.” (Jao 19:2) “Ary ny miaramila nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba volomparasy Izy,” (Jao 19:3) “dia nanatona Azy ireo ka niteny hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy! sady namely tahamaina* Azy izy. [*Na: tehina]” (Jao 19:4) “Dia nivoaka indray Pilato ka nanao taminy hoe: Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony. na dia kely akory aza.” (Jao 19:5) “Ary nivoaka Jesosy misatroka tsilo sy mitafy ny lamba volomparasy. Dia hoy Pilato tamin'ny vahoaka: Indro ny Lehilahy!” (Jao 19:6) “Ary rehefa hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin'ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony. (Jao 19:7) “Fa ny Jiosy namaly azy hoe: Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak'Andriamanitra.” (Jao 19:8) “Ary nony ren'i Pilato izany teny izany, dia vao mainka natahotra izy.” (Jao 19:9) “dia niditra tao anati-rova* indray izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Avy aiza moa Hianao? Fa tsy namaly azy akory Jesosy. [*Gr. pretoria]” (Jao 19:10) “Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? Tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin'ny hazo fijaliana koa?” (Jao 19:11) “Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa.” “(Jao 19: 12) “Ary hatramin'izany* dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan'i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an'i Kaisara. [* Na: noho izany]” (Jao 19:13) “Ary rehefa ren'i Pilato izany teny izany, dia nitondra an'i Jesosy nivoaka izy ka nipetraka teo amin'ny seza fitsarana teo amin'ny fitoerana atao hoe Lampivato, fa amin'ny teny Hebreo Gabata” (Jao 19:14) “ary andro fiomanana amin'ny Paska ny andro, tokony ho tamin’ny ora fahenina, dia hoy izy tamin’ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo!”(Jao 19:15) “Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin'ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan'ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.” (Jao 19:16) “Ary tamin'izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin'ny hazo fiialiana. Dia noraisin'ireo Jesosy;” (Jao 19:17) “ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin'ny tany atao hoe Ikarandoha,izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Golgota. (Jao 19:18) “Teo no nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany. (Jao 19:19) “Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin’ny hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN'NY JIOSY.” (Jao 19:20) “Ary izany anarana izany dia novakin'ny Jiosy maro, fa akaikin'ny tanàna ny tany izay nanomboana an'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin'ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany.” (Jao 19:21) “Ary noho izany ny lohan'ny mpisorona tamin'ny Jiosy dia nanao tamin'i Pilato hoe; Aza soratana hoe: Mpanjakan'ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan'ny Jiosy Aho.” (Jao 19:22) “Pilato namaly hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.”

Heb 10:1-18

[Fampitahana ny fanompom-pivavahana tao amin 'ny tabernakely araka ny lalan 'i Mosesy sy ny any an-danitra]

Heb 10:1-18: [Ny sorona indray mandeha monja nataon'i Kristy ho an'ny rehetra].

(Heb 10:1) “Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.” (Heb 10:2) “Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny fieritreretany ny ota intsony izy?” (Heb 10:3) “Fa amin'ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.” (Heb 10:4) “Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy.” (Heb 10:5) “Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: ''Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy.” (Heb 10:6) Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;” (Heb 10:7) “Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga -Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô”. (Sal. 40.6-8.” (Heb 10:8) “Rehefa nolazainy teo hoe: ''Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota", (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao", (Heb 10:9) “dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.” (Heb 10: 10) “Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha.” (Heb 10: 11) “Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika, izay tsy mahaisotra ny ota;” (Heb 10: 12) “fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka* eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. [* Na: noho ny ota, dia efa mipetraka mandrakizay]” (Heb 10:13) “ka hatramin'izao dia miandry Izy mandra- panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.” (Heb 10:14) “Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.” (Heb 10:15) “Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:” (Heb 10:16) "Izao no fanekena hataoko aminy, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, sady hosoratako ao an-tsainy," (Heb 10: 17) “ dia hoy koa Izy: ''Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 3:33, 34)” (Heb 10:18) “Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.”

 

TORITENY

Dr. Daniel Rakotondravony, Fiangonan'Andriamanitra Miray


Manakaiky ny fotoan'ny Paskan'i Jehovah, sy Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira ny Fiangonana: 28 andro tsy ho tonga ny Paska. Ireto no tenin' Andriamanitra :

 

[Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, mpitondra famonjena ho an'ny Isiraely sy ny firenena rehetra]

[Ny nanomboana an 'i Jesosy tamin'ny hazofijaliana]

[Ny sorona indray mandeha monja nataon 'i Kristy ho an 'ny rehetra]

==> Fampahafantarana ny Fiangonana ny HEVI-PANAHIN'NY PASKA.

Isa 42:1-9

[Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, mpitondra famonjena ho an'ny lsiraely sy ny firenena rehetra]

Isa 42:1-7 Indro ny Mpanompoko

·         Voatsiahy ampahany ao amin'ny Test V ireo andininy ireo (Mat 12:18-21); mazava fa ny mpanompo resahina eto dia Jesosy Kristy, ilay Mesia.

Isa 42: 1 Napetraka tao amin'nv fanahiko

·         Homena hosotra avy amin'ny Fanahy Masina ny Mesia mba hanatanterahany ny asam-panavotana sahaniny (Isa 61 : 1).

ü   (Isaia 61: 1) “ [Ny amin'ny Voahosotr'i Jehovah, Izay hanavotra ny lsiraely sy hampody ny voninahiny] Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana* ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, [Heb. hamehy].”

·Nila ilay Fanahy Masina nampidinina taminy koa ireo mpanaraka Azy hanohizany izay efa natombok'i Jesosy (Asa 1:8; 2:4) :

ü  (Asal :8) “Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria, ary hatramin'ny faran'ny tany.” (Asa 2:4) “Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.”

Isa 42:1 Hamoaka fitsipika ho an'ny firenea Izy

·         Ny herin'ny Fanahy Masina no hamoahan'ny Mesia fenitra momba ny rariny masina sy fitsipika harahina momba ny fahamarinan'Andriamanitra ho an'ny firenena rehetra, efa asa misiona rahateo no nataony.

·         Io anjara asa io mihitsy koa no andraikitr'izay mitondra ny anaran'i Kristy amin'izao fotoana izao. Ataony batisa ao amin'ny Fanahy Masina ny mpanaraka Azy mba hahafahan'ireo manantanteraka ny iraka ampanaoviny (Asa 1:8)“Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria, ary hatramin'ny faran'ny tany.”

Isa 42:3“Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy.

·         (Isa 35:3) “Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.” (Isa 35:4) “Lazao amin'izay reraka am-po: Mahereza. aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian' Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.”

Isa 42:6 Ho fanazavana nyjentilisa

·         Anisan'ny asa sahan'ny Mesia koa ny hitondra ny fanekem-pamonjena, na ho an'ny jentilisa izany na ho an'ny Jiosy. Ny fahafatesany no hampiorina ny fanekena vaovao (Jer 31:31-34; Heb 8:6-13; 9:15).èFampaherezana.

Isa 42:7 Hampihiratra ny mason'nyjamba

·         Ny fahafatesany sy ny herin'ny Fanahy Masina no ho entin'ny Fanahy manafaka ny mpino rehetra amin'ny haizim-pahotana sy ny fahamelohana: (Rom 5:12) “Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;”

·         Izany koa no mamaha ny mpino ho afaka amin'ny herin'i Satana : (IJao 3:8) “Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly.”

Jao 19:1-22

[Ny nanomboana an 'i Jeso.sy tamin 'ny hazofijaliana]

Jao 19:1 Nokapohiny

·         Jereo Mat 27:26 Jesosy nasainy nokapohina

(1) Ny fijalian'i Kristy. Ny fomban'ny Romana raha mikapoka olona dia nendahiny ny fitafiany ary nahatratra tamin'ny andry izy, na asaina miondrika eo amin'ny tsatokazo iva kely ary afatotra ny tapany. Amin'izany ny fitaovana fampijaliana dia hazo fohifohy nandraiketana anjakoditra maromaro misy vakivakim-by na taolana mifatotra aminy. Roa lahy no indray mamely ny lamosin'ilay olona, ka ny iray mikaravasy avy etsy andaniny, ny iray kosa mamely avy eroa ankilany. Vokatr'izany dia ny nofony mihitsy no voadidy, ka mihanjahanja tanteraka ireo hoza-dra sy lalan-dra madinika, eny fa hatramin'ireo taova samihafa ao anaty ao aza. Matetika no maty eo am-pikaravasiana azy eo ireny olona ireny.

(2) Fampijliana mahatsiravina ny fikapohana. Tsy isalasalana fa noho izany fampahoriana najò Azy izany no tsy nahafahan'i Jesosy nilanja ilay hazofijaliany (Mat 42:32) : “Ary rahanandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.”

è"nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana AZY, ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika" (Isa 53:5; lPet 2:24).

Lio 19:4 Tsy hitako izay helony

·         Lio 23: 14 Tsy hitako izay heloka iampanganareo Azy

       Nampangaina ho namadika an'i Roma i Jesosy. Farany anefa dia milaza i Pilato fa tsyfikomiana mahameloka an'i Jesosy amin'ny fitondrana Romana. Ambaran'i Jesosy fa ny fanjakany dia tsy fanjakana ara-politika eto amin'izao tontolo izao, fa fanjakana ara-panahy avy any an-danitra, hanapaka ny firenena rehetra, fa tsy ny jiosy ihany (Jao 18:36). “Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako.”

Jao 19:11 Fahefana... nomena anao avy any ambony

·    Lazain'i Jesosy fa fahazoan-dalana avy amin'Andriamanitra ihany no mampisy ny fahefana rehetra eto an-tany (Dan 4:31-32; Rom 13:1).

(Dan 4:31) “Ary rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin'ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby;” (Daniela 4:32) “ary ny mponina rehetra ety an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin'ireo maro be any an-danitra sy amin'ny mponina ety an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?”

(Rom 13:1) “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra.”

     Ny fahotan'i Pilato eto dia izy nilefitra tamin'ny vahoaka noho ny hamehana ara-politika.Lehibe lavitra noho izany ny fahotan'ny Isiraely, dia ny nandavany ilay Mesiany.

Jao 19:14 Tamin'ny ora fahenina

·    Ambaran'i Jaona fa ''tokony ho tamin'ny ora fahenina" dia efa nadiva ho vita ny fitsarana an'i Jesosy, ary hoy PilatoIndro ny mpanjakanareoMarka kosa anefa milaza fa ''tamin'ny ora fahatelo"no nanomboana an'i Jesosy tamin'ny hazofijaliana (Mar 15:25). Voavaha ihany izany toa fifanipahan-kevitra izany raha mazava amintsika fa ny fomba Romana filazana ora no nampiasain'i Jaona, fa i Marka kosa nampiasa ny fomba Palestiniana. Misasakalina no niantomboka ny andro tamin-drizareo Romana, fa ny an'ny Palestiniana kosa niantomboka tamin'ny fiposahan'ny masoandro.

Jao 19: 16 Nanolotra Azy... mba hohomboana amin'ny hazofijaliana

·         Lio 23 :26 Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony

Hamehana ara-politika no antony nanoloran'i Pilato an'i Jesosy tamin'ireo manampahefana Jiosy. Pilato dia ilay governora Romana tao Jerosalema tamin'ny fotoan'ny Paska nahafatesan'i Jesosy. Nentina tao aminy i Jesosy satria araka ny lalàna Romana dia tsy azon'ny Jiosy natao ara-dalàna ny nanantanterka fanamelohana ho faty. Pilato dia nanjary sarin'ireo olana maka fanapahan-kevitra ara-pivavahana, ka manankina izany amin'ny hamehanaara-politika, fa tsy araka ny marina. Tsy azon'ny mpino atao ny mampandefitra ny Tenin'Andriamanitra, ka tsy maintsy ny marina no tohanany fa tsy izay zavatra mety hahasoasoa ny fanirian'ny tenany fotsiny.

Jao 19:17 Ary Izy nitondra ny hazofijaliany

·         Mat 27: 31 Nentiny Izy mba hohomboana aminy hazofiialiana

Nafatotra tao an-tsorok'i Jesosy ilay hazofisaka mavesa-be amin'ny hazofijaliana iny. Dia nanomboka nizotra miadana nankany Golgota ny diany. Ny vesatr'ilay tsivalan-kazo miampy ny hatrotrahan'ny vatana tsotra izay no nampitolefika Azy. Niezaka niarina ihany Izy, saingy tsyafaka. Tamin'izay no nanerena an'i Simona mpanao fanompoana hilanja ny hazofiajalian'i Kristy.

Jao 19:18 Nanomboana Azy tamin'ny hazofijaliana

·         Mat 27:35 Voahombo tamin'ny hazofijaliana Izy

Nony tao Golgota dia napetraka tamin'ny tany ilay tsivalan-kazo ka nampandriany teo i Jesosy. Nahinjitra teo amin'io hazofisaka io ny sandriny, ka fantsika be rezatra nofisapisahina izay no nalentika teo amin'ny tanany (nany hato-tanany), nalefa niankavanana aloha, dia nalefa niankavia, vao nalentika tamin'ny hazo. Avy eo nampiakarina tamin'ny tady na tohatra i Jesosy, ilay tsivalan-kazo moa nafatotra na nofantsihina tamin'ilay tsanganan-kazo ary nisy nofehezina tamin'io nanohanana ny vatany. Farany dia novezatÎna ny tongonyroa ka nandetehana tapa-by lehibe izay.

Heb 10:1-18

[Ny sorona indray mandeha monja nataon 'i Kristy ho an’ny rehetra]

Heb 10:1 Fanatitra ateriny mandrakizay

(1) Naminany i Jeremia fa amin'ny ho avy Andriamanitra dia hanao fanekena vaovao,tsaratsara kokoa amin'ny olona.

(Jer 31 :31) “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'lsiraely sy ny taranak'i Joda,” (Jer 31 :32) “Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, nefa Izaho no vadiny*, hoy Jehovah.[Na: tompony]” (Jer 31:33) “Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak’Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.” (Jer 31 :34) “Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.”

Ampahatsiahivin'i Jehovah ao amin'ny bokin'ny Hebreo izany teny nampanoratiny ny mpaminany Jeremia izany (Heb 8:8-12), miampy fanazavana hafa maro momba ny fanekena vaovao, amin'ny alalanan'i Jesosy Kristy.

Ambony lavitra ny fanekena vaovao satria:

(a) Tonga zava-misy voarakitra ao am-po: (Heb 8:10) ''Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony." Tafiditra ao anatin'ny mpino ny fahamasinan' Andriamanitra sy ny fahamarinany, amin'ny alalan'ny Fanahy Masina, manome fo vaovao sy toetra omban'ny fitiavana lalina sy fankatoavana an'Andriamanitra amin'ny fifaliana.

(b) Natao ho an'ny isam-batan'olona ny fanekena vaovao: (Heb 8:11) “Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra. Ny fahalalana an'Andriamanitra dia sady fahatsapan'ny olona rehetra no fahalalan'ny isam-batan'olona ao amin'ny fiaraha-monina ny fanekena. Kristy, amin'ny mahaMpisoronabe antsika Azy, tamin'ny rany, dia mahatonga antsika ho tafiditra ao amin'ny Fitoerana Masina Indrindra, eo amin' ny fanatrehan' Andriamanitra.

(Heb 4: 16) “Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory*. [* Gr-. tandrifin'izany]” (Heb 7:25) “koa amin'izany diamahavonjy tokoa* izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velonamandrakizay hanao fifonana ho azy. [Na: hatramin'ny farany]” araka izay voalaza ao amin'ny Hebreo 8:8-12 ihany. Tohizan'ny Apostoly Paoly ny fanazavana momba an'i Jeosy Kristy, amin'ny maha Mpanalalana Azy.(Heb 9:15, 10:19-22) :

(Heb 9: 15) “Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay” (Heb 10:19) “[Teny famporisihana sy fananarana ho an'izay nihamalaina ka mila hihemotra] Koa amin'izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy,” (Heb 10:20) “amin'izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony,”(Heb 10:21) “sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra,” (Heb 10:22) “dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio* ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio; [* Gr-. voafafy]”.

(Heb 12:22) “Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsyomby alinalina,” (Heb 12:23) “amin'ny fihaonana fifaliana* sy ny fiangonan**'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka, [* Na: ho amin'ireo tsy omby alinalina, dia ny fivorian'ny anjely] [** Gr-. eklesia]” (Heb 12:24) “sy amin'i Jesosy, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an'i Abela.”

(c) Mahakasika ny sakany sy ny lavan'ny fahotana ny fanekena vaovao: (Heb 8:12) “Fa hamindra fo amin'ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany. Mahalala tsara ny fisian'ny famelan'Andriamanitra heloka amin'ny alalan'ny fieritretana voadio ny mpino ao amin'ny fanekena vaovao. Raha afaka nanarona ny fahotan'ny olona fotsiny ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy, ny ran'i Kristy kosa mahatonga ny fahotana ho voafafa ka tsy tsaroan' Andriamanitra intsony.

(2) Jesosy dia mampiditra sy manangana ny fanekena vaovao, na ny testamenta vaovao (ireo hevitra roa ireo dia ao anatin'ny teny Grika hoe diatéké), ary ny asa fanompoany any an-danitra dia ambony lavitra noho ny fanompoan'ny mpisorona tety an-tany tao amin'ny Test T. Ny fanekena vaovao dia fifanarahana, teny fikasana, fara-hafatra ary didim-pananana sy fanambarana ny faniriana hanome ny fahasoavan' Andriamanitra sy ny fitahiana ho an'izay rehetra mamaly an' Andriamanitra amin'ny fibebahana marina sy finoana. Ny mampiavaka azy, dia noho izy faneken'ny teny fikasana ho an'izay rehetra manaiky an'i Kristy ho zanak' Andriamanitra amin'ny alalan'ny fnioana ka mandray ny teny fikasany, ary manolotra ny tenany manokana no Azy, sy hanaraka izay takian'ny fanekena vaovao.

(a) Ny toeran'i Jesosy Kristy amin'ny maha Mpanalalan'ny fanekena vaovao Azy, (Heb 8:6; 9:15; 12:24), dia miorina amin'ny fanaovana sorona tamin'ny nahafatesany (Mat 26:28; Heb 9:14-15; 10:29; 12:24). Ny teny fikasana sy izay takian'io fanekena vaovao io, dia voarakitra ao amin'ny Test V iray manontolo. Ny tanjony dia:

(i) ny hamonjy ho afaka amin'ny izay rehetra mino an'i Kristy sy ny filazantsaran'ny fajakan' Andriamanitra izay notoriny, ka manolotra ny fiainany ho amin'ny fahamarinana sy hanaraka izay takian'ny fanekeny (Heb 9:16-17; Mar 14:24; lKor 11:25), sy

(ii) hamolavola azy ireo ho tena tonga olon' Andriamanitra (Heb 8:10; Eze11:19-20; lPet 2:9).

(b) , Ny fanaovan'i Jesosy fanatitra ny tenany dia mazava ho azy fa ambony noho ny biby natao fanatitra tamin'ny fanekena taloha. Araka ny voambara ao amin'ny Heb 7:26, satria Jesosy dia "masina", izany hoe tsy misy tsiny ara-moraly, ''tsy manan-keloka sy tsy voakasiky ny ratsy"; ''tsy misy loto", ary "voasaraka amin'ny mpanota", izany hoe "tsy misy ota". Noho izany, dia Izy no fanatitra nisolo voina noho ny ota -ny marina nisolo ny tsy marina.

Ny tanjon'ny fahafatesan'i Kristy dia ny "hanaisotra ny ota" (Heb 9:26; 1 Jao 3:5), fanesorana tanteraka ny ota, fa tsy fanaronana ny ota fotsiny tahaka izay vitan'ny biby natao sorona tamin'ny fanekena taloha. Ny herin'ny fahafatesan'i Jesosy dia mahatonga fanafoanana ny herin'ny ota sy fanesorana ny fandotoan'ny ota, sy famelan-keloka feno, - fihavanana amin'Andriamanitra, ary fanamasinana ny fiainana (Heb 10:10; 15-17). Ankoatr'izay, ny fahafatesan'i Jesosy, dia "fanaovany sorona ny tenany" an-tsitrapo amin'ny maha Zanak' Andriamanitra Azy (Heb 1:3; 9:26), ambony lavitra noho ny fanatitra biby tsy an-tsitrapo tamin'ny fanekena taloha. Ny fanatitra nataon'i Jesosy ho an'ny ota dia "indray mandeha ihany", midika izany fa sady feno no mety mandrakariva ary tsy ilaina averimberina. Io mahafeno ny fanatitra nataon'i Jesosy ho an'ny ota io no mampiavaka ny bokin'ny Hebreo (Heb 7:27; 9:12,26,28; 10:10).

(3) Ireo rehetra mandray anjara ao amin'ny fanekena vaovao amin'ny alalan'i Jesosy Kristy dia mandray ny fitahiana sy ny famonjena amin'ny faharetany amin'ny finoana sy ny fankatoavana (Heb 6:6). Ny olona tsy mpino dia tsy manana anjara amin'ny fitahiany (Heb 3:18; Mar 16:15-16). (Mar 16:15) “Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontoloizao ianareo ka mitoria ny lazantsara amin' olombelona rehetra” (Mar 16: 16) “Izay mino sy atao batisa no hovonjena, fa izay tsy mety mino no hohelohina”.

(4) Manambara ny bokin'ny Hebreo fa ny fanekena voalohany dia tsy tanteraka, sady tsy feno, fanomezan' Andriamanitra ho dingana lalovan'ny olombelona mandra-pahatongan'ny Zanak' Andriamanitra, Izay feno fahatanterahana (Heb 8:6-7). Noho izany, ny fanekena vaovao dia tsy hevitra vao tonga tamin' Andriamanitra taty aoriana satria tsy nahomby ny fanekena taloha. Fa ny fanekena vaovao dia tena nilaina hatramin'izay ary efa voaomana tamin'ny drafitr' Andriamantra, mialoha ny fanorenana izao tontolo izao (Efe 1 :4). Niaraka tamin'ny fiavian'i Jesosy sy ny fananganana ny anekena vaovao, dia tsy nilaina intsony ny fanekena taloha (Heb 8:13). Tsy mahatonga ny Soratra Masina ao amin'ny Test T tsy ilaina anefa izany, satria ny fanekena taloha ihany no niorenan'ny lalàn'i Mosesy sy ny fomba fanaovana fanatitra. Ny ankamaroan'ny fanambaran'ny Test T dia miompana amin'i Kristy, ary amin'ny maha Teny avy amin'ny tsindrimandrin' Andriamanitra Azy, dia feno ny fahamarinana Izy.

 

Heb 10:4 Ran'ombilahy

Fepetra na fanavotana vonjimaika ho an'ny fahotan'ny olona ihany ny ran'ombilahy. Tamin'ny farany dia olona iray mihitsy no ilaina hisolo toerana ny zanak'olombelona. Izany no antony nahtongavan'i Jesosy Kristy tety an-tany, ka nateraka ho olona Izy, mba hahafahany manolotra ny tenany hisolo tena antsika (Heb 2:9, 14). Ho fanampin'izany, olona izay tsy nanota ihany no afaka mizaka ny famaizana noho ny otantsika (Heb 2:14-18; 4:15), ka afaka mameno an-tsakany sy an-davany ireo fepetra takian'ny fahamasinan' Andriamanitrasy ny fahamarinana.

 

Heb 10:5-10 Ny fanatitra aIatsa-dra sy ny fanatitra hohanina

Ny Salamo 40:6-8 dia notanisaina mba hanamarinana fa tsara lavitra noho ny fanatitra biby tany amin'ny Test T izay tsy an-tsitrapo sy sorona nataon'i Jesosy Kristy, izay an-tsitrapo sady amin'ny fankatoavana.

 

Heb 10:14 Nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina

Manan-kery mandrakizay ilay sorona tokana vitan'i Jesosy Kristy teo ambony hazofijaliana sy ny tombotsoa azo avy amin'izany. Omena izay rehetra nohamasinina ny famonjena tanteraka (Heb 10:22; 7:25). Mariho fa ny teny Grika ilazana ny hoe: "hamasinina" eto sy ao amin'ny and 10 dia matoanteny enti-manao, natao hanamafisana ny asa mitohyamin'ny filazam-potona ankehitriny.

Izao no fanatitra vaovao, sitrak'Andriamanitra, takina amin'ny Kristiana:

            (Sal 51: 17) Ny fanatitra ho an' Andriamanitra dia fanahy torotoro ; ny fo torotoro sy mangorakoraka....

(Efe 5:2) Ny handehantsika amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy antsika. dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin' Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana. hamoniy antsika.

            (Mika 6:8) “Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena.”

            (Heb 13: 16) “Ny hanao soa sy hiantra fa fanatitra toy izany no sitrak' Andriamanitra.”

            (1 Pet 2: 1) “Ny hanaisotra ny lolompo rehetra sy ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra.”

(1 Pet 2:5) “Ny hanao fisoronana masina sy hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.” [* Miara-maty sy miara-milevina, ary miraka atsangana amin'i Kristy ho amin'ny fiainam-baovao, 2Tim 2:11].

è(2 Tim 2:11) “Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;”

è(Rom 6:3-4) Ny hatao batisa ho amin'i Kristy, mba hiara-maty sy hiara-milevina, ary hiara-mitsangana aminy ho amin'ny fiainam-baovao.

 

FEHINY: Ny fahafatesan’i Kristy tamin’ny Paska, dia famelana ny helotsika; ny fitsanganany kosa miantoka ny fahavelomantsika ho amin’ny fiainam-baovao, sy ny fitsanganantsika amin’ny maty, hiara-manjaka aminy mandrakizay amin’ny fiverenany, raha mifady ny ratsy isika, sy manao soa ary misaotra an’Andriamanitra.

 

Ho an' Andriamanitra irery anie ny voninahitra! Haleloia!