Fahatakarana ny Paska : Sabata 1 mialoha ny Paska

FAHATAKARANA NY PASKA

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

ü  Isaia : 53:1-12

ü  Jaona 6:34-58

ü  Hebreo 9:1-12

TENIN’ANDRIAMANITRA

Isaia : 53:1-12

[Ny amin’ny Mpanompon’i Jehovah, dia ny zava-mahagaga izay nataony, sy ny nandavan’ny maro Azy, sy ny fahoriana nentiny, sy ny avotra vitany, ary ny voninahitra homena Azy]

(Isaia 53:1) « Iza no nino ny teny nampitondraina anay ? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah? » (Isaia 53:2) « Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin'ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. » (Isaia 53:3) « Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana*, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.[Heb. lehilahy be fanaintainana sady fantatry ny faharariana] » (Isaia 53:4) « Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika*; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.[Heb. fanaintainantsika] » (Isaia 53:5) « Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana* nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. [Heb. famaizana] » (Isaia 53:6) « Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra. » (Isaia 53:7) « Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan'ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy. » (Isaia 53:8) « Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy*; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra** fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? [*Na: Nalaina niala tamin'ny fampahoriana sy ny fitsarana Izy][**Na: Ary iza no nihevitra izay ho taranany?] » (Isaia 53:9) « Ary nokasaina hatao tao amin'ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin'ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina)*, na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. [Na: Sy ho eo amin'ny mpanankarena, rehefa novonoina Izy] » (Isaia 53:10) « Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka* sady ho maro andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany. [Na: Rehefa ataonao fanati-panonerana ny ainy, dia hahita taranaka Izy] » (Isaia 53:11) « Noho ny fisasaran'ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy* no hanamarinan'ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok'ireo. [Heb.fahalalany] » (Isaia 53:12) « Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy*; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro sady manao** fifonana ho an'ny mpanota. [*Na: dia homeko Azy ny lehibe ho anjarany sy ny mahery ho anjara-babony][**Na: nanao] »

 

Jaona 6:34-58

 

[Ny nitorian’i Jesosy ny amin’ny mofon’aina]

(Jaona 6:34) « Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. »(Jaona 6:35) « Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. » (Jaona 6:36) « Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino. » (Jaona 6:37) « Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. » (Jaona 6:38) « Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. » (Jaona 6:39) « Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. » (Jaona 6:40) « Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » (Jaona 6:41) « Dia nimonomonona tamin'i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra. » (Jaona 6:42) « Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak'i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra? » (Jaona 6:43) « Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo. » (Jaona 6:44) « Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » (Jaona 6:45) « Voasoratra ao amin'ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin'Andriamanitra (Isa. 54. 13). Izay rehetra mandre ka mianatra amin'ny Ray no manatona Ahy. » (Jaona 6:46) « Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin'Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray. » (Jaona 6:47) « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay. » (Jaona 6:48) « Izaho no mofon'aina. » (Jaona 6:49) « Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany. » (Jaona 6:50) « Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy. » (Jaona 6:51) « Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao. » (Jaona 6:52) « Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon'ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika? » (Jaona 6:53) « Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo. » (Jaona 6:54) « Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » (Jaona 6:55) « Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro. » (Jaona 6:56) « Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy. » (Jaona 6:57) « Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko. »(Jaona 6:58) « Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay. »

 

Hebreo 9:11-27

 

[Fampitahana ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tabernakely, araka ny lalan’I Mosesy, sy ny any an-danitra]

 

(Hebreo 9:11) « Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin'ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin'ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan'izao zavatra ary izao, » (Hebreo 9:12) « ary tsy mba nitondra ran'osilahy sy ran-janak'omby Izy, fa ny ran'ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin'ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay. » (Hebreo 9:13) « Fa raha ny ran'osilahy sy ny ran'ombilahy ary ny lavenom-bantotr'ombivavy afafy amin'izay voaloto no manamasina hatramin'ny fanadiovana ny nofo, » (Hebreo 9:14) « mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona. » (Hebreo 9:15) « Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. » (Hebreo 9:16) « Fa raha misy didim-pananana*, dia teny foana izany, raha tsy efa maty izay nanao azy. [* Na: fanekena] » (Hebreo 9:17) « Fa mafy ny didim-pananana*, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy. [* Na: fanekena] » (Hebreo 9:18) « Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà. » (Hebreo 9:19) « Fa rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra; » (Hebreo 9:20) « dia hoy izy; Ity no ran'ny fanekena izay nandidian'Andriamanitra anareo (Eks. 24. 8). » (Hebreo 9:21) « Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa. » (Hebreo 9:22) « Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka. » (Hebreo 9:23) « Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin'ireny ny tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan'ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny. » (Hebreo 9:24) « Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika; » (Hebreo 9:25) « ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa; » (Hebreo 9:26) « fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany. » (Hebreo 9:27) « Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana, » (Hebreo 9:28) « dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena. »

 

TORITENY

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray

FAHATAKARANA NY PASKA

Toriteny: Pastora Monte KNUDSON

Ho an’ny Vondrona UCG- AFRIKA ATSINANANA


Amin'ity taona ity dia hitandrina ny Paska ao an-tranontsika isika… amin’ny hariva ny 26 aprily 2021.
Mila mahatakatra ny Paska isika. Tsy ilaina ny hanaraka izany amin'ny fomban-drazana fotsiny.
Nilaza i Kristy fa raha tsy mihinana ny nofony sy misotro ny rany isika, dia tsy manana fiainana ao aminy isika, Jaona 6:53. Zava-dehibe mihintsy izany.

Ary hoy Jesosy taminy: (Jaona 6:53) « Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo. »

Ny fiangonana tao Korinto tamin'ny taonjato voalohany dia tsy nahatakatra ny dikan'ny Paska. Nitandrina azy “amin'ny fomba tsy mendrika” izy ireo, tsy “namantatra tsara ny tenan'i Kristy” 1 Kor. 11: 27-29; tsy azon'izy ireo ny dikany marina.

Noho ny tsy fahatakaran'izy ireo dia nampitandrina ny Korintiana i Paoly fa mety ho 'meloka amin'ny vatana sy ny ran'i Kristy izy ireo, ary raha tsy nandinika tsara ny tenany izy ireo dia 'hihinana sy hisotro fahamelohana". ho an'ny tenany.

1 Kor. 11: 24-26, na oviana na oviana no misotro ianareo, dia izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. V-26, Tokony hotadidintsika sy hodinihintsika ny dikan'ny fahafatesan'i Kristy, amin'ny alàlan'ny fitandremana ny fanompoana amin'ny Paska: Fahatsiarovana ny fahafatesany izany. Saingy inona no dikan’ny fahafatesany?

(1 Korintiana 11:26) « Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny. »

 

Nilaza tamin'ny mpikambana tany Korinto i Paoly fa "Kristy, Paska ho antsika, dia natao sorona ho antsika" 1 Korintiana 5: 7.


Kristy dia sorona Iraysaingy 1) amin'ny vatana sy 2) amin’ny raMisy fanavahana mazava amin'ny dikany, mifamatotra amin'ireo teny roa ireo. Izy ireo dia mamaritra ny tandindon'ny mofo sy divay.
 
Fanamarihana: Ny faniriako anio dia ny hanampy antsika hahatakatra ny Paska. Te-hanao izany aho amin'ny fifandraisan'ny vatana sy ny ran'i Kristy, izay asehon'ny tandindona roa amin'ny mofo sy ny divay.
 

NY VATAN'I JESOSY KRISTY DIA SORONA HO ANTSIKA
 

NY MOFON’NY PASKA

 

Andao aloha hotakarina ny dikan'ny mofo. (Matio 26:26) « Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako. »

 

Ireto misy hevitra 4 maneho ny asan'ny mofo amin’ny Paska sy izay tian'i Kristy hotadidintsika.

 

1. Ny vatan'i Jesosy dia tonga fanatitra ho an'ny ota, (Hebreo 10:12) « fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. »

 

2. Nofoanan'i Kristy ny fahotantsika tamin'ny "sorona nataony tamin’ny tenany", (Hebreo 9:25) « ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa; » (Hebreo 9:26) « fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany. »

3. Ny Mofo maneho ny vatan'i Jesosy Kristy notorotoroina noho ny fahotantsika. Tokony hotsarovatsika sy hankasitrahantsika lalina ny antony nanolorany ny tenany hokapohina sy hotorotoroina mba ho sorona ho antsika. “Voakapoka” Izy, “noratraina”, ary “nopotehana” noho ny fahotana nataontsika. Isaia 53: 4-5. Ny and 5 manambara hoe: (Isaia 53:5) « Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana* nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. [Heb. famaizana] »

Nanaiky an-tsitrapo hiaritra fijaliana mahafaty Izy noho isika. Nitondra tamin'ny tenany ny fijaliana ara-batana vokatry ny fahotantsika Izy. Nampijaliana nandritra ny ora maro Izy talohan'ny nahafatesany. Fantatsika fa tsy nalatsaka haingana ny rany.

 

4. Ny mofo mampiseho ny fahavononantsika hiaina ao amin'i Kristy ary mamela azy hiaina ao anatintsika. Fifandraisana akaiky. Fiainana Vaovao!
Ohatra: Jaona 6:27 "Aza miasa amin'ny sakafo izay ho levona, fa ho an'ny sakafo izay maharitra amin'ny fiainana mandrakizay ..."

 
NY DIVAIN’NY PASKA
 

Ireto misy hevitra 4 maneho ny asan'ny divain’ny Paska sy izay tian'i Kristy hotadidintsika

 

(1 Korintiana 11:25) « Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo. »

 

1. Ny fisotroana ny divay dia tandindon'ny rany nalatsaka sy famelana ny fahotantsika.

Tokony hotsaroana foana izany ary tsy hohadinoina mandrakizay.

• Izy io dia maneho ny ran'ny fiainana izay nidina avy tamin'ny vatan'i Jesosy Kristy tamin’ny fahafatesany, mba hananantsika famelan-keloka tanteraka amin'ny fahotantsika; (Efesiana 1:7) « Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany. »

Tokony ho takatsika tsara ny fomba mahatonga izany. Aoka ho azontsika tsara.

• Ny ra nalatsak'i Kristy, ho amin'ny fiainantsika mpanota, dia tokony hanosika antsika tsy hanota intsony. Izany no fahatsaran'Andriamanitra. (Romana 2:4) « Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? »

• Ny ran’i Kristy manampy antsika handresy: Mba hanampiana antsika handresy, Andriamanitra dia manome antsika ny Fanahy Masina, amin'ny alalan'ny soron'i Kristy, eo amin'ny fibebahantsika sy ny batisa ho fanesorana ireo fahotana ireo.

 

2.Hevitry ny divain'ny Paska sy izay tian'i Kristy hotadidintsika:

 

Ny feon'ny fieritreretantsika afaka amin’ny tsiny. Tsy hoe manarona ny fahotantsika fotsiny ny divain’ny Paska, fa manome antsika fahafana amin’ny tsiny. Amin’ny fomba manao ahoana? Amin'ny alàlan'ny fanekena ny soron'i Kristy sy ny fampiasana azy. Tokony hanana finoana isika fa i Kristy dia nandray ny helotsika rehetra. Salamo 103: 12, tsy tokony hisy intsony ny fanamelohan-tena tafahoatra, na fanomezan-tsiny ny tena. (Salamo 103:12) « Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana ho halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. »

 

Ny feon'ny fieritreretantsika dia tokony hampahory antsika rehefa nanota (isika rehetra dia efa samy nanota, ary tsy nahazo ny voninahitr'Andriamanitra, (Romana 3:23). Rehefa nodiovina ny feon'ny fieritreretantsika dia afaka amin'ny fanamelohana, dia voavela ny fahotantsika. (Hebreo 9:12-14) « ary tsy mba nitondra ran'osilahy sy ran-janak'omby Izy, fa ny ran'ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin'ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay. » « Fa raha ny ran'osilahy sy ny ran'ombilahy ary ny lavenom-bantotr'ombivavy afafy amin'izay voaloto no manamasina hatramin'ny fanadiovana ny nofo, » « mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona. »

 

3. Hevitry ny divain'ny Paska sy izay tian'i Kristy hotadidintsika
 

Miditra ao amin’ny Ray, manome alalana antsika ho tonga eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Heb. 10:19 “Noho izany, ry rahalahy, manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana Masina indrindra isika, noho ny ran'i Jesosy, and-20-23… afaka manatona an'Andriamanitra amin'ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana isika, noho ny ran'i Jesosy Kristy.”
 

4. Hevitry ny divain'ny Paska sy izay tian'i Kristy hotadidintsika.

 

Ny ran'i Kristy midika fa niditra tamin'ny fifanarahana iray na fanekena amintsika Izy. Rehefa nampiditra ny divay ao amin'ny Paskan’ny Testamenta Vaovao i Jesosy, dia hoy Izy: (Matio 26:27) « Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity; » (Matio 26:28) « fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena vaovao, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka. »

• Zava-dehibe ny fahatakarantsika fa ny fibebahana ny fahotantsika, ny batisa sy ny fanekena ny ran'i Jesosy Kristy hanavotra antsika amin'nysazin'ny fahafatesana mandrakizay - miaraka amin'ny finoana ny fampanantenany hamela ny fahotantsika - dia fanekena. Rehefa mandray ny divay isika dia manamarina izany amin'ny alàlan'ny ran'i Jesosy Kristy. Avelantsika hiaina ato anatintsika Amdriamanitra amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina (ilaina ny mankatò Azy).

• Hitantsika fa ny sasany tao amin'ny Fiangonana voalohany izay nihinana ny mofo sy nisotro ny divay tamin'ny Paska dia meloka tamin'ny rà sy vatan'i Kristy, satria tsy nahatakatra na niraharaha izay hamantatra ny tena dikany sy asan'ireo zavatra ireo.

• Tsy navelany hanao fiovana ara-panahy amin'ny fiainany akory ny halalin'ny fahatakarana ara-panahy, na ny fankasitrahana ny soron'i Kristy, (1 Korintiana 11: 27-29). Zava-dehibe ho antsika ny mahatakatra tanteraka ny fiantraikan'ny fandraisantsika anjara amin'ny Paska.


Ny fahafantarana ny Paska dia fahafantarana ny vatana sy ny ran'i Kristy, ary mampihatra izany.
Te hanana fifandraisana akaiky amin'ny Raintsika isika! Aoka isika tsy ho toy ny sasany izay tsy mahalala ny tenan'ny Tompo.

Ny fiainana mandrakizay no fanantenantsika!
 
FEHINY : Fiainana Mandrakizay no ambaran’ny fahatakarana ny Paska
 

Raha niresaka momba ny mariky ny Paska amin'ny ho avy i Jesoa Kristy, izany hoe ny mofo sy ny divay maneho ny vatany sy ny rany, dia izao no nolazainy: (Jaona 6:54-57)

(Jaona 6:54) « Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » (Jaona 6:55) « Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro. » (Jaona 6:56) « Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy. » (Jaona 6: 57) « Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko. »
 

Zava-dehibe ho antsika ny mahatakatra ny Paska.
 
Aoka isika hitandrina ny Paska amim-pahalalana.