FIOMANAN'NY FIANGONANA HO AMIN'NY MOFO TSY MISY MASIRASIRA
Tenin’Andriamanitra:
Eksodosy 12:1-10; Levitikosy 23:1-9, 37
Jaona 12:1-16
1Korintiana 11:17-34
Levitikosy 23:1-8
[Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah]
(Levitikosy 23:1) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: »(Levitikosy 23:2) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: »(Levitikosy 23:3) « Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany. »(Levitikosy 23:4) « Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy: »(Levitikosy 23:5) « Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah. »(Levitikosy 23:6) « Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. »(Levitikosy 23:7) « Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo; »(Levitikosy 23:8) « fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo. »
Jaona 12:1-16
[Ny nankanesan’i Jesosy tany Efraima, sy ny nahatongavany tan’i Jesosy tany Betania, ary ny nanosoran’i Maria Azy]
(Jaona 12:1) « Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran'i Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny maty. »(12:2) « Dia nanao fanasana ho an'i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy. »(12:3) « Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano. »(12:4) « Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika Azy: »(12:5) « Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo? »(12:6) « Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny. »(12:7) « Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin'ny andro hanamboarany Ahy halevina io. »(12:8) « Fa ny malahelo dia ety aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho ety aminareo mandrakariva. »(12:9) « Ary ny vahoaka betsaka tamin'ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an'i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin'ny maty. »(12:10) « Fa nihendry hahafaty an'i Lazarosy koa ny lohan'ny mpisorona, »(12:11) « satria izy no nialan'ny maro tamin'ny Jiosy ka ninoany an'i Jesosy. »(12:12) « Ary nony ampitson'iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin'ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy, »(12:13) « dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan'ny Isiraely, Ilay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118, 26). »(12:14) « Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: »(12:15) « Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9). »(12:16) « Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa niditra tamin'ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany. »
1Korintiana 11:17-34
[Ny amin'ny Fanasan'ny Tompo]
(1 Korintiana 11:17) « Ary raha manao izao didy izao aho, dia tsy midera anareo tsy akory, satria tsy miangona hihatsara ianareo, fa hiharatsy. »(11:18) « Fa voalohany indrindra, raha miangona ao am-piangonana ianareo, dia reko fa misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany. »(11:19) « Fa tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana. »(11:20) « Koa raha miangona ianareo, dia tsy misy hihinanana ny Fanasan'ny Tompo akory. »(11:21) « Fa raha mihinana ianareo, dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo; koa ny anankiray dia noana, fa ny anankiray kosa mamo. »(11:22) « Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan'Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsy hidera anareo amin'izany aho. »(11:23) « Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, »(11:24) « ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina] »(11:25) « Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo. »(11:26) « Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny. »(11:27) « Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy. »(11:28) « Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka. »(11:29) « Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy. »(11:30) « Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry. »(11:31) « Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina. »(11:32) « Fa raha tsaraina isika, dia faizan'ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin'izao tontolo izao. »(11:33) « Koa raha miangona hihinana ianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa*. [* Na: mifampizarà] »(11:34) « Ary raha misy olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho. »
Toriteny
Dr. Daniel Rakotondravony, Fiangonan'Andriamanitra Miray
Tsarovy ny fotoana nanafahan’i Jehovah ny Zanak’Isiraely tamin’ny fahandevozany tany Egypta tandindon’ny ota, sy ny nitondrany azy ireo nivoaka an’i Egypta hatramin’ny niampitany ny Ranomasina Mena. Nomba ny Zanak’Isiraely hatrany Jehovah ary niady ho an’izy ireo tamin’ny nandringanany ny fahavalony (Eks 14:13-14; Deo 20:4).
Azo antoka fa momba antsika tokoa Jesosy Kristy amin’izao fahatsiarovantsika ny Paska nahafatesany izao, sy ny fiadiany ho antsika noho izao fahatsiarovantsika sy fianarantsika ny hevi-panahin’ny andro firavoravoana Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira (Mat 28:8; 1Kor 5:8).
Takatra avy amin'ny Baiboly fa ny Fetin’Andriamanitra isan-taona dia mampiseho ny dingana fito amin'ny Planin’ny Famonjena ho an'ny olombelona rehetra. Ao amin'ity Taridalana Fianarana ity dia handinika ny dingana roa voalohany amin'izany Planin’ny Famonjena izany isika.
Ny dingana voalohany amin'ny Planin’ny Famonjena: Paska
• Mandinika ny antony maha fototry ny Andro Masin’Andriamanitra ny Paska, sy ny maha dingana voalohany amin'ny Planin’ny Famonjena azy.
• Manazava ny antony ilana ny soron'i Kristy.
Tsianjery:
· Lev 23:4-5Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy: Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah.
Fandinihana ny Paska voalohany (avy amin’ny Eksodosy 12-13)
Andriamanitra nampiasa ny loza 10 hamotehana ny finoana an’ireo andriamitra sampy nivavahan'ny Egyptiana sy ny Isiraelita maro koa. Ny Egyptiana dia olona tena mpivavaka - manana andriamanitra ho an'ny zavatra rehetra izy ireo. Rehefa namadika ny ranon’i Neily ho ra Andriamanitra dia nivavaka tamim-paharisihana tamin'i Hapi, andriamanitry ny renirano Neily izy ireo. Nefa rehefa nivavaka tamin'ilay tena Andriamanitra i Mosesy vao nitsahatra ny loza. Ny loza tsirairay dia namely andriamanitra hafa tsirairay. Ny loza faha 10 kosa namely an'i Farao. Nino ny Egyptiana fa taranaka avy amin’ny andriamanitra Ra izy ireo, izay heveriny ho loharanon'aina. Tamin'iny alina iny, ny ain'ny lahimatoa Egyptiana rehetra dia nesorin'ny anjelin’ny fahafatesana nalefan'Andriamanitra. Tsy nanan-kery hamonjy ny ain'ilay zanany lahimatoa i Farao.
Nesorin'Andriamanitra ny fisalasalana rehetra tao an-tsain'ny Isiraelita hoe iza ilay Andriamanitra marina, ary inona no fivavahana marina. Vonona Izy izao hanomboka hampianatra ny Isiraelita momba ny Planin’ny Famonjena.
Rehefa nilentika ny masoandro, raha mbola nazava ihany, dia nanomboka ny dingana voalohany amin'ny Planin'ny Famonjen'Andriamanitra ny fianakaviana tsirairay amin'ny Isiraely, tamin'ny famonoana zanak'ondry lahy tsy misy kilema iray taona. Ny ran'ny zanak'ondry dia tsy maintsy natentina tamin'ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravaran’ny tranony, mba ho marika amin’ny anjelin'ny fahafatesana, izay handingana, mba hiavoarony ny zanany lahimatoa.
Rehefa nihidy tsara ny varavarana, dia nihinana haingana ilay zanak'ondrilahy natsatsika izy ireo, nampiarahiny tamin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy; dia vonona handao an'i Egypta izy ireo, amin’ny fotoana voatondro. Nomena baiko izy ireo mba tsy hivoaka ny tranony tamin'io alina io. Ary rehefa nandalo ilay anjelin’ny fahafatesana, dia voavonjy ny lahimatoa tao amin'ireo trano izay nanana ny ran'ny zanak'ondry teo amin'ny tolam-baravarana sy tataom-mbaravarana.
Koa satria ny Egyptiana tsy nanana ny fiarovan’ny ran'ny zanak'ondry eo amin'ny tolam-baravarany, dia maty ny lahimatoan'ny olona sy ny biby, na dia ny lahimatoan'i Farao koa aza. Io no naharesy lahatra an'i Farao hamela ny vahoakan'Andriamanitra handeha, hanao fety ho an’i Jehovah any an-tany efitra. Very hevitra i Farao - maty ny zanany lahimatoa, ary nangataka azy ny vahoaka handefa ny Isiraelita. Natahotra an'izay nataon'Andriamanitra izy, dia nandefa iraka haingana indrindra tany amin'i Mosesy, ary nandidy ny Isiraelita rehetra haka ny biby fiompiny, ary hiala avy hatrany an’i Egypta.
Tonga ary ny maraina, koa araka ny didin'Andrimanitra, dia nankany amin'ny Egyptiana ny Isiraelita mba homeny volamena, sy volafotsy, sy firavaka, ary fanomezana sarobidy, noho ny fanandevozana lava sy mangidy nataony. Nomena izay rehetra niriny izy ireo, satria nomen’Andriamanitra sitraka teo anatrehan’ny Egyptiana. Efa vonona ary izao ny Isiraelita, ary ny hariva dia nanomboka nivory tao Ramsesa.
Ø Misy dikany lehibe ny Paska. Ny fametahana ny ràn'ny zanak'ondry teo am-baravarana dia manambara ny ran'i Kristy ampiharina amin'ny fiainantsika. "Kristy, Paska ho antsika", dia nanolotra ny ainy tonga lafatra sy tsy misy ota ho sorona, hanonerana ny fanamelohana ho faty izay azontsika rehetra. Ary ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta dia tandindon’ny fivoahantsika amin’ny ota.
Ho famintinana ny zava-nitranga tamin'ny Paska voalohany:Vakiomiaraka ny Eksodosy 12, fitantarana momba ny Paska.
Paska amin’ny Testamenta Vaovao
Jesosy manome ohatra, araka izay hita ao amin'ireto teny ireto:
- Marka 14: 12-16 Manamarika fa Jesosy naniraka ny mpianany hanomana ny Paska, izay notandremany isan-taona.
- Jaona 13: 1-17:Ohatra nasehon’i Jesosy ny amin'ny fanetren-tena, ny fitiavana ary ny fanompoana, amin'ny alalan'ny fomba nanasany ny tongotry ny mpianany.
Novan’i Jesosy ny mariky ny Paska
Famantarana roa vaovao amin’ny Paska, izay nampiasain'i Kristy ho solon'ny tandindona taloha:
Lioka 22:14-16 « Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly. » « Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. » « Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. »
Lioka 22:19-20 « Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. » « Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo. »
Ny mofo tsy misy lalivay dia maneho ny vatan'i Kristy izay voakapoka mafy tamin'ny andro Paska. Ny divay dia tandindon'ny ran'i Kristy izay nalatsaka tamin'ny Paska. Ireo rehetra ireo dia natao mba ho famelana ny helotsika.
Ny fianarana amin'ny fanaovana dia iray amin'ireo fomba maro ampiasain'Andriamanitra, hampianarana antsika momba ny Planin’ny Famonjeny.
Ao amin'ny Testamenta Taloha, rehefa nanomboka nampianatra ny Isiraely ny amin’ny Planin’ny Famonjeny Andriamanitra, dia nilaza tamin'izy ireo ny zavatra tokony hataony, mba "handalo" azy ireo fotsiny ilay anjelin’ny fahafatesana. Amin’ny andro fahafolon’ny volana voalohany, tsy maintsy mifidy zanak’ondrilahy tsy misy kilema izy ireo, ary hamono azy amin'ny filentehan'ny masoandro amin’ny andro faha-14. Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny zanak'ondry tsy misy kilema dia maneho an'i Kristy, tsy nanota. Ny famonoana zanak'ondry dia tandindona ny soron'i Kristy. Izany dia manambara ny fotoana izay hanaovana sorona, na hanomboana an’i Kristy amin'ny hazofijaliana.
Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny masirasira dia tandindon'ny ota ary ny mofo tsy misy lalivay dia maneho ny vatan'i Kristy tsy misy ota sady tonga lafatra. I Kristy namaky ny mofo tsy misy lalivay, nanehoana fa hampijaliana sy hokapohina Izy, mba ho fanasitranana tanteraka ny fahoriantsika, izay vokatry ny fahotana.
Araka ny lalàna, dia ilaina ny fandatsahan-dra ho famelan-keloka. Ao amin'ny Testamenta Taloha, nanaovana sorona biby tsy manan-tsiny ny fisoronana. Izy io dia nampianatra momba ny soron'i Jesosy Kristy amin'ny ho avy, rehefa handoa ny sazin'ny fahotan’ny olona rehetra ny fandatsahana ny rany.
Ao amin'ny Testamenta Vaovao, i Kristy dia nanorina ny fampiasana divay hisolo ny rany nalatsaka. Ny fandatsahana ny rany nasehon'ny divay dia midika fa niditra tamin'ny fanekena vaovao na fifanarahana vaovao amintsika i Kristy. Ny fanomezan'i Kristy ny ainy koa no mahatonga antsika ho afaka mivavaka mivantana amin'Andriamanitra Ray. Ny mpikambana vita batisa dia mankalaza ny Paska ary manaraka ny didin'i Kristy: "Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy." Noho izany, mianatra amin'ny fanaovana isika.
Nahoana isika no mila ny Paska?
Andriamanitra nanome antsika lalàna ara-panahy, izay maneho amintsika ny lalana tsara hananana fiainana sambatra sy mahavokatra. Na lalàn’Andriamanitra izany, na lalàn'olombelona, na fitsipika napetraky ny ray aman-drenintsika, dia misy foana ny sazy tsy maintsy arahana raha toa ka mandika ireo lalàna na fitsipika ireo. Ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra dia ota, ary misy sazy tsy maintsy arahana.
Milaza amintsika ny Romana 6:23 hoe inona ny sazy amin'ny fanitsakitsahana ny lalàn'Andriamanitra: "Fa fahafatesana no tambin'ny ota."
Izay rehetra niaina dia efa nanota tamin'ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra. Araka ny efa novakianao teo, dia takiana ny fandatsahan-dra ho famelan-keloka. Raha tokony ho nandoa ny sazin'ny fahotany amin’ny ainy manokana ny olona tsirairay, dia i Kristy no nandoa ny sazy ho an'ny olombelona rehetra. Jesosy Kristy irery ihany no ampy handoavana ny fahotan’ny olombelona. Nalatsaka ny ràny mba ho voavela ny fahotantsika, ary hahazo mandova fiainana mandrakizay isika.
Raha tsy misy ny soron'i Kristy dia tsy ilaina ny Andro Masina hafa. Ny Paska no mametraka ny fototry ny Planin'Andriamanitra ho famonjena ny olombelona. Tsy maintsy ankalazaintsika ny Paska isan-taona mba hitadidiana ny fitiavan'i Kristy tamin'ny nandoavany ny onitra noho ny fahotantsika.
ð FEHINY:Nahoana no mila ny Paska isika? Ilaintsika ny Paska — sorona nataon'i Jesosy Kristy - mba hamelana ny helontsika ary hahazoantsika fiainana mandrakizay.
Lesona ho tadidina
Ao anatin’ny Baiboly, Andriamanitra mampiasa tandindona mampianatra na manazava ny fahamarinany. Manankarena amin'ny ohatra ny Androny Masiny. Rehefa mieritreritra ny Paska isika dia mieritreritra ilay zanak'ondry tsy misy kilema izay tandindon'i Kristy, Zanak'ondrin'Andriamanitra. Rehefa mieritreritra ny Andron'ny Mofo Tsy Misy Lalivay isika dia mieritreritra ny mofo tsy misy lalivay na ny lalivay izay tandindon'ny ota. Mampiasa fitantarana na filazana an'ohatra Andriamanitra amin'ireo zava-nitranga tamin'ny Isiraelita fahizay, mba hanomezana antsika fahatakarana lalindalina sy feno kokoa momba ny Planin’ny Famonjeny.
Aoka ny fianakaviana hiara-mamaky ireo tranga efatra. Vakio avy eo ny valiny. Asaivo lazain'ny mpanatrika tsara hoe inona no tena valiny.
1: Nomena toromarika ny Isiraelita hamono zanak'ondry tsy misy kilema, ary hanosotra ny rany eo amin'ny tolam-baravarana sy tataom-baravarana, ho famantarana ho an’ny anjelin’ny fahafatesana, mba handingana fotsiny izy ka hiaro ny lahimatoan’izy ireo:
ü Jesosy Kristy dia natao sorona mba hahazoana famelana ny fahotantsika amin'ny rany.
2. Nampisaraka ny Ranomasina Mena Andriamanitra, ary i Mosesy dia nitarika ny Isiraelita namakivaky ny tany maina teo anelanelan’ny rindrin-drano avo amin'ny sisiny roa.
ü Ireo Isiraelita niampita ny Ranomasina Mena dia tandindon'ny batisa, manadio azy ireo yamin’ny fahotany rehetra nataony tany Egypta.
3. Nanenjika mafy i Farao sy ny tafiny. Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hiverenan'ny rano amin'ny Egyptiana sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny. Ny tafik'i Farao dia tsy hanahirana ny Isiraelita intsony.
ü Naringan'Andriamanitra ny tafik'i Farao mba hampianarany ny Isiraelita hiantehitra Aminy irery - fa tsy amin’ny tanjak’izy ireo, na ny fahendreny, na ny drafitra nataony.
ü Ny Fitandremantsika ny andro firavoravoana Mofo Tsy Misy Masirasira no ianarana mifady ny ratsy rehetra, amin’ny fahadiovam-po sy fahamarinana (1Kor 5:8),ary handresena an’i Satana miaraka amin’i Jesosy Kristy (Jak 4:7).
4. Naniraka an'i Mosesy Andriamanitra, hilaza amin'ny Zanak'Isiraely hoe: "Raha mankatò ny lalàko izy ireo dia ho lasa vahoaka manokana izay tiako kokoa noho ny hafa. Ho tonga fanjaka-mpisorona sy firenena masina izy ireo"
ü Hampianatra ny olona ny didy sy lalàna hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra sy handresesena ny ratsy isika izay antsoiny ankehitriny (Eks 19:6; 1Pet 2:9).
ü Amin'ny fitsanganana voalohany dia hatao mpanjaka sy mpisorona ny vahoakan'Andriamanitra, ary hanjaka eto an-tany sy hampianatra ny firenen-drehetra (Apo 2:26-27).
Ny dingana faharoa amin'ny Planin’ny Famonjena: ny Andron'ny Mofo Tsy Misy Lalivay
ü Mandinika ny fifandraisan’ny Paska sy ny Andron'ny Mofo Tsy Misy Lalivay, mba hanehoana ny dingana faharoa amin'ny Planin’ny Famonjena.
ü Ny lalivay dia maneho ny ota mandritra ny Andron'ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Ny fihinanana mofo tsy misy lalivay mandritra ny fito andro dia maneho ny fanohizana ny fanalavirana ny ota rehefa voavela ny fahotantsika noho ny sorona nataon'i Kristy.
Tamin'io alina io dia nanasaraka tamim-pahagagana ny Ranomasina Mena Andriamanitra, ary i Mosesy nitarika ny Isiraelita namakivaky tany maina. Manambara ny famonjena’Andriamanitra izay matoky Azy mandrakariva sy manao ny sitrapony izany.
Rehefa niakatra ny rano ny Isiraelita farany teo amoron'ny ranomasina, dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hiverenan'ny rano amin'ny Egyptiana sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny. Nataon'i Mosesy araka izay nolazain'i Jehovah taminy; ary nony maraina ny andro dia nirodona ny mandan'ny rano roa, handringana ny tafik'i Farao tsy ho eo intsony - tsy hanahirana ny zanak'Isiraely intsony (Eksodosy 14:13, 17-18, 23, 26, 28, 30)
ü Toy izany no famonjen’i Jehovah ireo izay matoky Azy sy mifikitra manao ny sitrapony. Ho voavonjy tokoa isika raha maharitra amin’ny fitandremana ny didiny, aringany kosa ny fahavalo, eny fa Satana sy ny devoly namany koa aza.
Ø FEHNY: Ny Fetin’Andriamanitra dia nisy dikany manokana ho an’ny Isiraelita fahiny, ary misy dikany lehibe kokoa ho antsika Kristiana marina ankehitriny. Ny dingana tsirairay dia mitarika amin’ny dingana manaraka, ary manantena ny fotoana hipetrahan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany, ho amin’ny fiadanana sy fahasambarana ho an’ny olombelona rehetra. Tian’Andriamanitra hankalaza azy ireo amin’ny fifaliana sy firavoravoana isika Kristiana marina.
Ahoana, ary nahoana no itandremantsika azy ireo ankehitriny?
Nampianatra i Jesosy fa ny Paska dia mifantoka amin'ny fahafatesany noho ny fahotantsika. Nomeny ny mpianany ny mofo tsy misy lalivay, hanambara ny tenany;ary ny divay hanehoana ny rany. Nampiany fomba fanao iray hafa koa, fifanasana tongotra, izay mampiseho fanetrentena sy fifamelan-keloka.
Ankalazintsika amin’ny fiaraha-misakafo manokana ity hariva ity, ho fankasitrahana ny famonjen'Andriamanitra antsika tamin'ny “fatoran'ny ota”.Misaotra an’ Andriamanitra koa isika tamin'ny nampahafantarany antsika ny lalany marina.
Amin'ny herinandro fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira, ny lalivay dia ampiasaina ho tandindon’ny ota, na zavatra ratsy tokony hialantsika. Fadintsika ny mofo sy zavatra hafa nasiana lalivay. Rehefa ariantsika any ivelan’ny tranontsika ireny zavatra ireny, dia mianatra isika fa mila ezaka ihany koa ny fanesorana ny ota na ny masirasira ara-panahy.