Paska ao an-tranonao: 14 Abiba - Fandraisana

PASKA AO AN-TRANONAO

FITANDREMANA NY PASKA

 

14 ABIBA: FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

 

Ireto torolàlana ireto dia hanampy anao amin'ny fitandremana ny Paska ao an-tranonao.

Raha afaka mandray ny Paska ianao, nefa tsy afaka mihaona amin'ireo rahalahy hafa amin'ny fotoana voatondro, dia azonao atao ny mitandrina azy ao an-tranonao amin'ny volana voalohany amin'ny taona masina, na, raha ilaina izany, amin'ny Paska faharoa 30 andro aorian'izay. (Nomery 9:11). Ireto torolàlana manaraka ireto dia hanampy anao amin'ny fandraisana anjara amin'ny fanompoana toy izao:

 

Atao mialoha: mividy na manomana mofo tsy misy lalivay. Ataovy azo antoka tsara fa ny mofo izay ampiasainao dia tsy misy lalivay ao aminy. Tokony hahazo divay mena voajanahary koa ianao. Tandremo, divay voajanahary tsy notapohana alikaola no ilaina. Ny tahan'ny alikaola dia eo anelanelan'ny 10 isan-jato sy 13 isan-jato. Ny divay misy tahan’alikaola 19 isan-jato ka hatramin'ny 20 isan-jato dia nohamafisina ary tsy tokony hampiasaina.

Ny Fetin'ny Paska dia tokony hotandremana amin'ny vao hariva, aorian'ny maty masoandro. Omano mialoha ny efitrano. Tokony ho mofo tsy misy lalivay sy vera misy divay eo ambony latabatra mifanaraka amin'ny isan'ireo izay handray anjara no atao. Divay iray sotro ao anaty vera tsirairay dia tokony ho ampy ho an'ny fandraisana. Ny mofo sy ny divay dia tokony hisarona lamba fotsy madio.

Satria ny Paska no takariva kajiana indrindra amin'ny taona, dia tokony hiditra mangina ao amin'ny efitrano hanaovana ny fotoam-pivavahana ny olona rehetra mandray anjara. Ny mpikambana vita batisa ihany no tokony handray anjara amin'ity fanompoana ity.

1.   Ilay mitarika ny fotoam-pivavahana dia tokony hamaky mafy avy amin'ireto andinin-teny ireto:

a.    1 Korintiana 11: 23-30; « Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, » « ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako *izay vakina ho anareoizao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. » « Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahyna oviana na oviana no misotro ianareo. » « Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny. » « Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy. » « Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka. » « Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy. » « Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry. »

b.    Lioka 22: 7-15; « Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska. » « Ary Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika. » « Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy? » « Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin'ny trano izay hidirany. » « Dia lazao amin'ny tompon-trano hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro? » « Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary. » « Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy. » « Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly. » « Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. »

c.    Jaona 13: 1-17. « Ary talohan'ny andro firavoravoana tamin'ny Paska, satria fantatr'i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin'izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin'ny farany. » « Ary raha mbola teo amin'ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak'i Simona, efa nomen'ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy, » « sady fantatr'i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany, » « dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany; » « ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin'ny lamba famaohana izay nisikinany. » « Dia nankeo amin'i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro? » « Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay. » « Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko. » « Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa. » « Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra. » « Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra. » « Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo? » « Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. » « Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. » « Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. » « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy. » « Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany. »


2.   Raha misy olona roa na maromaro no mandray anjara dia tokony hifanasa tongotra. Raha olona iray no mitandrina irery ny Paska, dia tsy misy fanasan-tongotra.

3.   Aorian'ny ny fifanasana sy famoahana tongotra, ny ampahany manaraka amin’ny fanompoana dia ny fizarana ny mofo sy ny divay

 
Ilay mitarika ny fotoana dia hamaky mafy ireto Soratra Masina ireto: 

a.    Isaia 53: 3-6; « Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana*, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.[Heb. lehilahy be fanaintainana sady fantatry ny faharariana] » « Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika*; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.[Heb. fanaintainantsika] » « Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana* nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. [Heb. famaizana] » « Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra. »

b.    Isaia 53:10; « Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka* sady ho maro andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany. [Na: Rehefa ataonao fanati-panonerana ny ainy, dia hahita taranaka Izy] »

c.    Isaia 53:12; « Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy*; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro sady manao** fifonana ho an'ny mpanota. »

d.    Matio 8: 16-17; « Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa, » « mba, hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika (Isa. 53. 4). »

e.    1 Petera 2: 20-24; « Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra. » « Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; » « "Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany" (Isa. 53.9); » « raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny* ho amin'ny Mpitsara marina; [* Na: ny tenany] » « ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" (Isa. 53.5). »

f.     Hebreo 4: 14-16. « Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika. » « Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. » « Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory*. [* Gr. tandrifin'izany] »

Marihina tsara fa ny soron'i Kristy dia fanasitranana ny saintsika sy ny vatantsika.

 
Vakina manaraka ireto Soratra Masina ireto: 

g.    Jaona 6: 32-40; « Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra. » « Fa ny mofon'Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an'izao tontolo izao. » « Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. » « Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'ainaizay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. » « Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino. » « Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. » « Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. » « Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. » « Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. »

h.    Jaona 6: 48-51; « Izaho no mofon'aina. » « Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany. » « Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy. » « Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao. »

i.      Jaona 6: 53-58; « Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo. » « Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » « Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro. »« Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy. » « Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko. » « Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay. »

j.      1 Kor 10: 16-17; « Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin*'ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin**'ny tenan'i Kristy va izany? [* sy **Na: fiombonana] » « Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin'izany mofo iray izany avokoa. »

k.    1 Kor 11:24. « ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako *izay vakina ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. »


NY MOFO
 
4.   Esorina ny lamba manarona ny mofo 
5.   Manao Vavaka fisaorana fohy. 
6.   Vakina ny mofo;- zaraina;- ary hanina, ary misaotra any am-po. 
Manambara ny vatan'i Jesosy Kristy notorotoroina sy nokapohina ny mofo;
Manambara ny fanekentsika ny soron’i Kristy koa ny mofo.

7.   Ho fiomanana amin'ny fisotroana ny divay, dia vakina mafy ireto andinin-tSoratra Masina manaraka ireto:

a)    Matio 26: 27-28; « Ary nandray kapoaka* Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;[* Na: (ny kapoaka)] » « fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena*, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.[*Na: (ny fanekena vaovao)] »

b)    1 Jaona 1: 7-9; « Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra. » « Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. » « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. »

c)    Hebreo 9: 11-15; « Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin'ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin'ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan'izao zavatra ary izao, » « ary tsy mba nitondra ran'osilahy sy ran-janak'omby Izy, fa ny ran'ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin'ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay. » « Fa raha ny ran'osilahy sy ny ran'ombilahy ary ny lavenom-bantotr'ombivavy afafy amin'izay voaloto no manamasina hatramin'ny fanadiovana ny nofo, » « mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona. » « Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izyrehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. »

d)    Efesiana 1: 7. « Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany. »

 
NY DIVAY 
8.   Avy eo dia esorina ny lamba manarona ny divay 
a.    Vavaka fohy fisaorana
b.    Ambarao fa ny divay dia tandindon'ny ran'i Jesosy, ho famelana ny fahotantsika.
c.    Zaraina amin'ireo mpandray anjara ny divay, 

d.    Asaina hiara-misotro amim-panajana sy amim-pahanginana ny tsirairay ary misaotra any am-po, sady manavao ny fanekeny ny ran'i Jesosy Kristy ho famelan-keloka.

9.   Manaraka izany, vakio indray ireto Sorta Masina ireto: 
a.    Jaona 13:18 hatramin'ny Jaona 17: 1-26; 

Koa satria somary lava ny Soratra Masina eto, dia mety raha misafidy ampahany fotsiny amin'ity fizarana ity ny mpitarika. Ireo no teny nataon'i Kristy ny alina talohan'ny nahafatesany.

10.  Aorian'ny famakiana ny Soratra Masina dia manaova hira famaranana ny fandraisana. Ampahatsiahivo ny mpandray fa fotoana lehibe sy masina indrindra izao natrehin’izy ireo izao. Miala moramora ny efitrano ny mpandray.

Rehefa tapitra ny fotoam-pandraisana, ary nandao ny efitrano ny olona, dia angonin’ny mpitarika ny mofo na divay sisa tavela taorian’ny fotoam-pivavahana. Tsy azo averina any anaty fitehirizana, fa potehiny miafina sy feno fanajana. Dorana ny mofo ary arakaraka any amin’ny fanarian-drano ny divay, na eo amin ny tany any ivelany (tsy tokony ho hitan'ny hafa izany). Raha tsy azo atao ny mandoro ny mofo, dia tokony hariana mba tsy ho azo ampiasaina amin'ny tanjona hafa, na hatao sakafo. Ireto ny teniny manamarina izany:

(Eksodosy 12:10) « Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo. » (Eksodosy 29:34) « Ary raha misy sisa tsy lany amin'ny henan'ny fanatitra fanokanana, na amin'ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin'ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria masina. »

 

Ireo torolàlana ireo dia hanampy anao amin'ny fitandremana ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo amin’ny Paska ao an-tranonao.


TENIN’ANDRIAMANITRA HO VAKINA

JAONA 13

 

(Jaona 13:18) « Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Izay homana ny mofoko* no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy (Sal. 41. 9). [*Na: miara-komana amiko] » (Jaona 13:19) « Hatramin'izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy. » (Jaona 13:20) « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy. »

(Jaona 13:21) « Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy. »(Jaona 13:22) « Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy. » (Jaona 13:23) « Ary nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo anilan'i Jesosy, dia ilay tian'i Jesosy. » (Jaona 13:24) « Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy. »(Jaona 13:25) « Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin'ny tratran'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany? » (Jaona 13:26) « Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota. » (Jaona 13:27) « Ary manaraka izany no nidiran'i Satana tao aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana. »

(Jaona 13:28) « Fa tsy nisy tamin'izay nipetraka nihinana nahalala ny anton'ny nilazany izany taminy. » (Jaona 13:29) « Fa nataon'ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan'i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an'ny malahelo. »(Jaona 13:30) « Ary rehefa nandray ny sombin-kanina izy, dia nivoaka niaraka tamin'izay; ary efa alina ny andro. »

(Jaona 13:31) « Ary tamin'izay, nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak'olona; ary Andriamanitra no ankalazaina eo aminy. »(Jaona 13:32) « Ary Andriamanitra kosa hankalaza Azy amin'ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin'izay Izy. » (Jaona 13:33) « Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary araka ny voalazako tamin'ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny. »

(Jaona 13:34) « Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. » (Jaona 13:35) « Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia. »

(Jaona 13:36) « Hoy Simona Petera taminy: Tompoko, hankaiza moa Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay. » (Jaona 13:37) « Hoy Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao. » (Jaona 13:38) « Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo. »

JAONA 14

 

(Jaona 14:1) « Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa*. [*Na: mino an'Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa] » (Jaona 14:2) « Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. » (Jaona 14:3) « Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. » (Jaona 14:4) « Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako*. [*Na: (ary izay alehako dia fantatrareo, ary fantatrareo koa ny lalana)] »

(Jaona 14:5) « Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? » (Jaona 14:6) « Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:7) « Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy. »

(Jaona 14:8) « Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. » (Jaona 14:9) « Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? » (Jaona 14:10) « Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa. » (Jaona 14:11) « Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza. »

(Jaona 14:12) « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray. » (Jaona 14:13) « Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. » (Jaona 14:14) « Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako* ianareo, dia hataoko izany. [*Na: mangataka zavatra amin'ny anarako] »

(Jaona 14:15) « Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. » (Jaona 14:16) « Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:17) « dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. »

(Jaona 14:18) « Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:19) « Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo. » (Jaona 14:20) « Amin'izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin'ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. » (Jaona 14:21) « Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. »

(Jaona 14:22) « Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa? » (Jaona 14:23) « Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. » (Jaona 14:24) « Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray izay naniraka Ahy. »

(Jaona 14:25) « Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; » (Jaona 14:26) « fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] »

(Jaona 14:27) « Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. »

(Jaona 14:28) « Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. » (Jaona 14:29) « Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga. » (Jaona 14:30) « Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy. » (Jaona 14:31) « Fa mba ho fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian'ny Ray Ahy, dia izany no hataoko.

Mitsangàna, andeha isika hiala eto. »

JAONA 15

(Jaona 15:1) « Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. » (Jaona 15:2) « Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny*, mba hamoa bebe kokoa. [*Gr dioviny] » (Jaona 15:3) « Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo. » (Jaona 15:4) « Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko. » (Jaona 15:5) « Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. » (Jaona 15:6) « Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may. »(Jaona 15:7) « Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. » (Jaona 15:8) « Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo. »

(Jaona 15:9) « Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo. » (Jaona 15:10) « Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany. »

(Jaona 15:11) « Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. » (Jaona 15:12) « Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. » (Jaona 15:13) « Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. » (Jaona 15:14) « Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. »(Jaona 15:15) « Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo. » (Jaona 15:16) « Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona. »

(Jaona 15:17) « Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo. » (Jaona 15:18) « Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. »(Jaona 15:19) « Raha naman*'izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman*'izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao ianareo. [*Gr. avy amin'] » (Jaona 15:20) « Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. » (Jaona 15:21) « Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy. » (Jaona 15:22) « Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin'ny helony. » (Jaona 15:23) « Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa. » (Jaona 15:24) « Raha tsy nataoko teo aminy Izay asa tsy nataon'olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Ahy sy ny Raiko koa; » (Jaona 15:25) « fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin'ny lalàny hoe: Halany foana Aho (Sal. 69. 4; 109. 3). »

(Jaona 15:26) « Fa raha tonga ny Mpananatra*, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. [* Izahao 14.16] » (Jaona 15:27) « Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany. »

JAONA 16

(Jaona 16:1) « Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo. » (Jaona 16:2) « Handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro*, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy. [* Gr. ora] » (Jaona 16:3) « Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho. » (Jaona 16:4) « Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan'androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany izany, satria mbola taty aminareo ihany Aho. »

(Jaona 16:5) « Fa ankehitriny mankany amin'izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao? » (Jaona 16:6) « Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton'alahelo ny fonareo. » (Jaona 16:7) « Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra*; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy. [* Izahao 14.16] » (Jaona 16:8) « Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana: » (Jaona 16:9) « ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy; » (Jaona 16:10) « ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo; »(Jaona 16:11) « ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara. »

(Jaona 16:12) « Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. » (Jaona 16:13) « Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. » (Jaona 16:14) « Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. »(Jaona 16:15) « Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. »

(Jaona 16:16) « Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo. » (Jaona 16:17) « Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo, ary, satria mankany amin'ny Ray Aho? » (Jaona 16:18) « Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy. »

(Jaona 16:19) « Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va ianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo? » (Jaona 16:20) « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana. » (Jaona 16:21) « Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin'ny tany. »(Jaona 16:22) « Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo. » (Jaona 16:23) « Ary amin'izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin'ny anarako izany. » (Jaona 16:24) « Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo. »

(Jaona 16:25) « Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro* izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin'ny Ray. [*Gr. ora] »(Jaona 16:26) « Amin'izany andro izany dia hangataka amin'ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin'ny Ray ho anareo; »(Jaona 16:27) « fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho. »(Jaona 16:28) « Eny, nivoaka avy tamin'ny Ray Aho ka tonga amin'izao tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin'ny Ray. »

(Jaona 16:29) « Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory. » (Jaona 16:30) « Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin'Andriamanitra Hianao. » (Jaona 16:31) « Jesosy namaly azy hoe: Mino va ianareo ankehitriny? » (Jaona 16:32) « Indro, avy ny andro*, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin'ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko. [*Gr ora] » (Jaona 16:33) « Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao. »

JAONA 17

 

(Jaona 17:1) « Rehefa nolazain'i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao. » (Jaona 17:2) « araka ny nanomezanao Azy fahefana amin'ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra nomenao Azy. » (Jaona 17:3) « Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. » (Jaona 17:4) « Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko. » (Jaona 17:5) « Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao. »

(Jaona 17:6) « Nasehoko tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao. »(Jaona 17:7) « Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy. » (Jaona 17:8) « Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy. » (Jaona 17:9) « Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy. » (Jaona 17:10) « Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho. »(Jaona 17:11) « Ary tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika. » (Jaona 17:12) « Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina. » (Jaona 17:13) « Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin'izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy. »

(Jaona 17:14) « Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman*'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] » (Jaona 17:15) « Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy] » (Jaona 17:16) « Tsy naman* izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] »(Jaona 17:17) « Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. »

(Jaona 17:18) « Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. » (Jaona 17:19) « Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy. »

(Jaona 17:20) « Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny; » (Jaona 17:21) « mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. »(Jaona 17:22) « Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika: » (Jaona 17:23) « Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy. » (Jaona 17:24) « Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao. » (Jaona 17:25) « Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy. » (Jaona 17:26) « Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy. »