FETIN’NY MOFO TSY MISY MASIRASIRA
15 ABIBA - 21 ABIBA
HERINANDRO MASINA
TENIN’ANDRIAMANITRA:
Eksodosy 13:1-10
Matio 16:6-12
1Korintiana 5:1-13
Eksodosy 13:1-10
[Ny nanokanana ny lahimatoa ho an'i Jehovah]
(Eksodosy 13:1) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: »(13:2) « Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny. »(13:3) « Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa tamin'ny tanana mahery no nitondran'i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira. »(13:4) « Izao andro amin'ny volana Abiba izao no ivoahanareo »(13:5) « Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin'ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin'izao volana izao. »(13:6) « Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an'i Jehovah. »(13:7) « Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny taninao rehetra. »(13:8) « Dia hambaranao amin'ny zanakao amin'izany andro izany hoe: Noho ny nataon'i Jehovah tamiko tamin'ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao. »(13:9) « Dia ho famantarana ho anao eo amin'ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn'i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta. »(13:10) « Dia tandremo amin'ny fotoany isan-taona izao lalàna izao. »
Matio16:6-12
[Ny nitorian’i Jesosy ny amin’ny mofon’aina]
(Matio 16:6) « Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo. »(16:7) « Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany. »(16:8) « Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo? »(16:9) « Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo? »(16:10) « na ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo? »(16:11) « Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin'ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo. »(16:12) « Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo'ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo. »
1 Korintiana 5:1-13
[Anatra noho ny tsy nanesorany ilay lehilahy nanao fitondran-tena vetaveta]
(1 Korintiana 5:1) «Efa re marina fa misy fijangajangana aty aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin'ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy. »(5:2) « Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany? »(5:3) « Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an'ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho: »(5:4) « amin'ny anaran'i Jesosy Tompontsika - rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban'ny herin'i Jesosy Tompontsika - »(5:5) « hanolotra izany anankiray izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin'ny andron'i Jesosy Tompo. »(5:6) « Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra? »(5:7) « Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; »(5:8) « ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. »(5:9) « Nanoratra taminareo teo amin'ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin'izay mpijangajanga; »(5:10) « nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin'izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo. »(5:11) « Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany ianareo. »(5:12) « Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo? »(5:13) « Fa ny any ivelany dia tsarain'Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy. »
TORITENY
Dr. Daniel Rakotondravony, Fiangonan'Andriamanitra Miray
FETIN’NY MOFO TSY MISY MASIRASIRA
Alina Tsarovana Indrindra: Alina aorian'ny Paska
(27 mifoha 28 Aprily 2021)
Herinandro Masina 15-21 Abiba
(28 Marsa - 03 Aprily) 2021
Arahabaina manokana isika anio alahady 28 Marsa 2021. Fotoan-dehibe roa no tsarovantsika anio, dia ny Andro Voalohany Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira, sy ny Andro Voalohany amin’ny Fito Herinandro na Diamampolo Andro Fandinihan-Tena, Mialoha ny Pentekosta. Anio alahady 28 Marsa no Ampitson’ny Sabata Paska 27 Marsa, Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira amin’ity taona 2021 ity. Ny andro fahadimampolo manomboka anio no PENTEKOSTA, dia ny alahady 16 May 2021. (Levitikosy 23:15)
1. Andro voalohany Mofo Tsy Misy Masirasira:
“Alina Tsarovana Indrindra” (Tsy tandindona)
Nahoana ny Isiraely no nitandrina ny Mofo Tsy Misy Masirasira ?
Satria Jehovah no nandidy izany:
“Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta, mba hotsarovanao amin'ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta.” (Deotoronomia 16:3)
“Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny taninao rehetra.” “Dia hambaranao amin'ny zanakao amin'izany andro izany hoe: Noho ny nataon'i Jehovah tamiko tamin'ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao.” (Eksodosy 13: 7-8).
“Alina Tsarovana Indrindra”
Ny alin’ny faha 15 Abiba (Maty masoandro aorian’ny faha 14 Abiba) no nivoahan’ny Zanak’Isiraely avy tao Egypta. An’i Jehovah io alina fahafahana io, koa nasainy tsarovana mandrakizay: Tsy tandindon’ny zavatra ho avy fa fahatsiarovana ny fanafahana.
(Eksodosy 12:42) « Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby. »
(Eksodosy 13:9) « Dia ho famantarana ho anao eo amin'ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn'i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta. » (Eksodosy 13:10) « Dia tandremo amin'ny fotoany isan-taona izao lalàna izao. »
Inona no torohevitr'i Paoly tamin'ireo Kristiana momba ny fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira ?
“ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.” (1 Korintiana 5:8).
Eo imason'i Paoly, ireo fety ireo dia tsy fomba jiosy lany daty.
Mifanohitra amin'izany, heveriny ireo fa zava-dehibe indrindra ho an'ny olona rehetra izay nantsoin'Andriamanitra sy nofidiny nandritry ny taona maro mifandimby, avy tamin'ny firenena rehetra. Ireo fety ireo no manambara ny fifandraisan'ireo olona ireo amin'izay andraikitr'i Kristy eo amin'ny Planin'Andriamanitra mahagaga momba ny famonjena. Nandidy an'ireo Kristiana tao Korinto i Paoly, ny maro tamin'izy ireo dia jentilisa fa tsy Jiosy - hitandrina ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira. Ireo torohevitr'i Paoly' ireo dia mampiseho fa Kristiana marobe avy amin'ny firenena samy hafa, ankoatry ny Jiosy, no mitandrina ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira. Ny fitandreman'izy ireo ny andro masina araka ny didin'Andriamanitra dia manome ohatra ho antsika Kristiana amin'izao androntsika izao.
Ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia maneho ny dingana faharoa amin’ny Planin’Andriamanitra ho famonjena antsika. Mifantoka amin’i Kristy Mpamonjy sy Mpanjaka izy io.
Noho izanv dia fety Kristiana amin'nv heviny madio io. Ary manao fampitahana i Paoly eto:
· ny fanavotana ny Kristiana amin'ny ota, amin'ny alalan'ny soron'i Kristy,
· ampitahaina amin'ny nanavotan'Andriamanitra ny Isiraely tamin'ny miaramila'ny Egyptiana tao amin'ny Ranomasina Mena, tamin'ny andro fahafito farany tamin'ny Andron'ny Mofo Tsy Misy Masirsira.
Toy izao no ilazan'i Paoly azy:
· (1 Kor 10:1-4) “Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,” “ary izy rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina,” “ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,” “ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.”
· Rehefa nohamarinina tamin'ny soron'i Kristy isika nandritry ny batisa, dia tokony hanalavitra ny làlan'ny fahotana, ary manaraka ny làlan'ny fahamarinana. Toy izany no nanafahana ny Zanak'lsiraely fahiny tamin'ny ziogany nandritr'ireo andron'ny Mofo Tsy Misy Masirasira ireo ihany. Ho antsika Kristiana, ity fety ity dia manambara ny asan'i Kristy velona, rehefa nitsangna tamin'ny maty Izy, ary mitarika sy manampy ny tsirairay amintsika eo amin'ny ezaka izay ataony handresy ny fahotana.
Manazava i Paoly hoe :
Ø “Fa Andriamanitra mampiseho* ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” “Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin'ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin'ny ràny isika.” “Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin'Andriamanitra tamin'ny nahafatesan'ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin'ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.” (Romana 5:8-10)
Avy eo indray dia hoy izy:
Ø “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.” (Filipiana 4: 13)
Dia toy izao koa :
Ø “izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny Jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;” “Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra.” “Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiasan'ny herin'ilay miasa mahery ato anatiko.” (Kolosiana 1 :27-29)
Eksodosy 13:1-10
Lesona ara-panahy inona no avohitry ny fitandremantsika ny Mofo Tsy Misy Masirasira? Ampitahao amin’izay nitandreman’ny Zanak’Isiraely azy.
(Eksodosy 13:3) « Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa tamin'ny tanana mahery no nitondran'i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira. »(13:4) « Izao andro amin'ny volana Abiba izao no ivoahanareo »
ð Fivoahana amin’ny ota ho an’ny Kristiana no ambaran’ny fivoahan’ny Zanak’Isiraely tao Egypta tandindon’ny ota. Fahatsiarovana mandrakizay no nandidian’i Jehovah izany. Fahatsiarovana mandrakizay no andidana ny Kristiana hankalaza ny fotoana nanafahan’i Kristy ny olon-drehetra mino Azy tamin’ny fahotana nataony tany aloha, noho ny nandatsahany ny rany.
(13:6) « Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an'i Jehovah. »(13:7) « Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny taninao rehetra. »
ð Ezaka fifadiana ny ota mandritry ny fito andro misesy no andidiana ny Kristiana (isa fito manambara ny fahafenoa, fahatanterahan’Andriamanitra), ary Andriamanitra manampy azy ireo hahatontosa izany.
(13:9) « Dia ho famantarana ho anao eo amin'ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn'i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta. »(13:10) « Dia tandremo amin'ny fotoany isan-taona izao lalàna izao. »
ð An’i Jehovah ny andro firavoravoana, ary fanomezam-boninahitra Azy ny fitandreman’ny Kristiana izany. Famantaran’i Jehovah ny olona manaiky Azy ny fitandremana ny andro firavoravoana isan-taona, ary famantaran’ny olona an’i Jehovah izay nanao azy sy Jesosy Kristy Izay namonjy azy ireo koa.
1 Korintiana 5:1-13
Lesona ara-panahy inona no avohitry ny fitandremantsika ny Mofo Tsy Misy Masirasira? 1 Kor 5:6-7 (5:6) « Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra? »(5:7) « Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; »
Ny olona ratsy fitondran-tena amin’ny fiangonana : Tsy nesorina izy fa nijanona tao am-piangonana tao ihany. Nirehareha ny fiangonana fa tsy nanala azy; niseho ho masina kokoa ny fiangonana, ho marina kokoa. Notenenin’i Paoly ry zareo fa ny masirasira kely (= olona iray), hoy izy, dia mahazo ny vongana rehetra. Ny vaha-olana dia ny manaisotra ny masirasira.
(5:9) « Nanoratra taminareo teo amin'ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin'izay mpijangajanga; » (5:10) « nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin'izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo. » (5:11) « Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany ianareo. » (5:12) « Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo? » (5:13) « Fa ny any ivelany dia tsarain'Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy. »
Nibebaka io lehilahy io taty aoriana, ka noraisin’i Paoly indray avy eo. Ampitahao amin’ny heviny ara-panahy io Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira io.
Ny tanjon’ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia: Rehefa nanaiky ny soron’I Kristy tamin’ny nanekenao hato batisa ianao, dia miezaha hanao tsara amin’izay. Efe 4:15 sy Gal 2:20.
(Efesiana 4:15) « fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy; »
(Galatiana 2:20) « Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. »
Ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia manambara faniriana ho tarihin’ny fieritreretana tsara, hiaina amin’ny fahamarinana izay tenin’ny Fanahin’Andriamanitra.
Niara-nitandrina tamin’i Paoly ny fihinanana mofo tsy misy masirasira ireo Jentilisa ireo. (5:8) « ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. »
Matio 16:6-12
Tamin’ny andron’i Jesosy Kristy, dia hoy Izy :
(Matio 16:6) « Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo. »
(16:12) « Dia fantatry ny mpianatra fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo'ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo. »
Ny lalivay na masirasira izany dia nampitahain’i Jesosy Kristy tamin’ny fampianaran-dison’ny fiangonana tamin’izany fotoana izany (Matio 16:6-12).
Matio 15:3-9
Soloin’ny sasany amin’ny fomban-drazana ny fampianarana marina:
ð (Matio 15:3) « Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? »
Tokony mandeha aloha ny fanampiana ny ray aman-dreny vao alefa ny fanaitra ho an’Andriamanitra:
ð (Matio 15:5) « Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an'Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy. » (15:6) « Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. » (15:7) « Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia anareo hoe: » (15:8) « Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy. » (15:9) « Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). »
Tanjon'ny fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira
(Eksodosy 13:3) « Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa tamin'ny tanana mahery no nitondran'i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira. »(Eksodosy 13:4) « Izao andro amin'ny volana Abiba izao no ivoahanareo » - andro faha 15 Abiba izany - … (Eksodosy 13:6) « Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an'i Jehovah. »
Inona no antony?
(Eksodosy 13:9) « Dia ho famantarana ho anao eo amin'ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn'i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta. »
Ny tanjon'Andriamanitra amin’ny fandidiana fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira izany dia izao:
- Ny Paska dia mampiseho ny fahafatesan'i Kristy ho famelana ny fahotana efa vita. Ny fanekena ny rany anefa tsy mamela ny fahotana mbola hataontsika amin’ny ho avy ; izany hoe, tsy manome fahazoan-dàlana hanohy manota ny rany latsaka. - Koa rehefa manaiky ny rany latsaka isika dia ny ota vita hatramin'izao fotoana izao ihany no voavela, izany hoe ny ota efa lasa.
- Fa hijanona eo ve isika? Voavela ny helontsika. Nefa mbola olombelona ihany isika. Mbola hijaly fakam-panahy isika. Ny ota mihazona antsika ho andevo - nandevozin'ny ota isika, teo ambany fahefany. Ary tsy manan-kery hanafaka ny tenantsika amin'izany isika! Aoka ho azontsika ny sary, ny dikany.
Miala amin'ny fahotana tanteraka
Hatraiza marina ary no hanalavantsika ny ota? Tsy amin’ny ampahany ihany, fa tanteraka! Koa, satria ny masirasira dia tandindon’ny fahotana - ny masirasira mibontsina, ary toy izany koa ny ota - ary, satria ny isa fito dia isana an’andriamanitra, maneho ny fahafenoana, tokony hanaraka ny Paska tandremana ny andro fito amin'ny mofo tsy misy lalivay!
Ny sary sy ny dikan'ny Fety, ary ny tandindona ambarany dia tsy feno amin'ny Paska irery. Ny Paska dia mampiseho ny fanekena ny ran'i Kristy ho famelana ny heloka lasa; mampiseho ny hazo fijaliana sy ny fahafatesan’i Kristy ny Paska.
Avelantsika hijanona eo amin'ny hazo fijaliana ve i Kristy? Ny andro fito amin'ny mofo tsy misy lalivay, aorian'ny Paska, dia manome sary antsika momba ny fanafoanana tanteraka ny ota, ny fitandremana ny didy - rehefa voavela ny fahotana taloha. Kristy efa nitsangana fa vita izay famelan-keloka izay. Ny fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira kosa dia manome sary an-tsaina ny fiainana sy ny asan'i Kristy nitsangana tamin'ny maty - niakatra eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, ary miasa ho antsika amin’ny maha-Mpisoronabe Azy, manadio antsika amin'ny ota, satria isika miezaka mitandrina ny Didin’Andriamanitra rehetra. Manampy antsika ho afaka tanteraka noho ny herin’ny ota Izy!
Ny fitandremana ny Paska irery, ary tsy mitandrina ny andro fito amin'ny mofo tsy misy lalivay, dia midika, amin'ny heviny an'ohatra hoe: manaiky ny ran'i Kristy, nefa manohy manota: - miteny toy ny mpivavaka sasany hoe: “foana ny lalàna, satria eo ambany fahasoavana! Izany hoe: mahazo alalana hitohy manota!
Ny andro fito amin'ny mofo tsy misy lalivay dia mampiseho ny fitandremana ny didy rehetra, izay fomba iray hafa ilazana ny fanesorana ny fahotana.
Ny mpiara-dia amin’ny ny Fiangonan’Andriamanitra marina dia mitandrina ny andro firavoravoana voatendriny, ho famantarana sy fahatsiarovana ny fanafahana amin'ny ota. Izany famantarana izany dia apetrak’Andriamanitsika eo amin'ny tànantsika ankavanana sy eo amin’ny handrina, mba hitandremantsika ny didiny. Ary satria ny handrina no fitoeran'ny saina sy maneho ny fanekena, ary ny tanana havanana no maneho ny asa, dia manana an'io famantaran’Andriamanitra io isika ary manaiky an'io fahamarinana io momba ny andro masina sy andro tsy misy masirasira, ary amin'ny tsy fiasana amin'ireo andro masina ireo! Tsy ny Sabata isan-kerinandro ihany no famantaran’Andriamanitra (Eksodosy 31: 12-17), fa ny Sabata isan-taona dia famantarana ihany koa!
2. Andro faharoa MOFO TSY MISY MASIRASIRA
Lesona ara-panahy inona no avohitry ny fitandremantsika ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira hazavain'i Paoly ?
Ø (1 Korintiana 5:6-7)
“Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra?” “Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika.”
Ø Ny tanjon'ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, dia ny hampahatsiaro fa rehefa nanaiky ny soron'i Kristy nandritry ny batisa isika, diatokony hamela ny Fanahin'Andriamanitra hanampy antsika hitombo ara-panahy ao amin'i Kristy. Apitahao ny Efe 4:15 sy Gal 2:20, manao hoe:
· “fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy; (Efesiana 4:15) ·
· “Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.” (Galatiana 2:20)
Ø Ny Mofo Misy Masirasira dia manambara ny faharatsiana sy ny fahotana izay mbola mety mampivily ny fieritreretantsika. Mifanohitra amin'izany kosa, ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia manambara ny faniriantsika hotarihin'ny fieritreretana tsara, mamporosika hiaina amin'ny fahamarinana ampianarin'ny tenin' Andriamanitra.
Talohan'izay, Jesosy nanome fanamarihana mitovy amin'izany ho an'ny mpianany. Izao no nolazainy :
Ø (Lioka 12:1) “Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema* ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.[*Na: niteny tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Ambony indrindra, mitandrema]”
Ø Ny lalivay koa dia nampitahainy tamin'ireo fampianaran-diso naparitaky ny filoham-piangonana maro tamin'izany fotoana izany, (Matio 16:6-12) :
(Matio 16:6-12) “Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.” (Matio 16:6) “Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.” (Matio 16:7) “Ary Jesosy. nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?” (Matio 16:8) “Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?” (Matio 16:9) “na ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?” (Matio 16: 1 0) “Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin'ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.” (Matio 16:11) “Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy fandrao azo'ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.”
Ø Ny Fariseo sy Sadoseo, toy izay ataon'ny mpitoriteny sandoka ankehitriny, dia manolo ny didin'Andriamanitra amin'ireo hevitra sy fomban-drazana: (Matio 15:3-9)
“Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo?” (Matio 15:3) “Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17).” (Matio 15:4) “Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an'Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy.” (Matio 15:5) “Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo.” (Matio 15:6) “Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'lsaia anareo hoe:” (Matio 15:7) “Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy.” (Matio 15:8) “Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13).” (Matio 15:9)
3. Andro fahATELO MOFO TSY MISY MASIRASIRA
Ireo izay manaiky an'i Kristy ho Paska ho azy - ho Zanak' ondrin' Andriamanitra araka ny Fanekena Vaovao - dia mahita ny tenany afaka amin'ny fahotany noho ny soron'i Kristy tamin'ny tenany, raha mibebaka marina amin'ny fahotany sy ny fieritreretany ratsy, mba hifanaraka amin'ny làlan'ny fahamarinana ambaran'ny tenin'Andriamanitra.
Ø Noho izany, tahaka ny nanafahan'Andriamanitra ny Zanak'lsiraely fahiny tamin'ny fahandevozany ara-bakiteny, ny dinga faharoa amin'ny Planin'ny Faminjen'Andriamanitra dia ny manafaka ny Kristiana izay mibebaka amin'ny fahandevozana ara-panahy, izay itazonan'ny faharatsiany azy, araka ny voasoratra hoe: (Ampitahao Eks 14:1-9 sy Rom 6:15-23)
· (Eksodosy 14:1) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Eksodosy 14:2) « Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin'i Pi-hahirota, eo anelanelan'i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin'i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron'ny ranomasina. » (Eksodosy 14:3) « Ary Farao hilaza ny Zanak'Isiraely hoe: Azon'ny tamberintany izy ka voahidin'ny efitra. » (Eksodosy 14:4) « Dia hanamafy ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany. » (Eksodosy 14:5) « Ary nisy nanambara tamin'ny mpanjakan'i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon'i Farao sy ny mpanompony ny amin'ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin'ny fanompoany antsika isika? » (Eksodosy 14:6) « Dia nasainy nofehezina tamin'ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy. » (Eksodosy 14:7) « Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin'ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra. » (Eksodosy 14:8) « Ary Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia nanenjika ny Zanak'Isiraely izy, na dia tamin'ny tanana avo aza no nivoahany. » (Eksodosy 14:9) « Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin'i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron'ny ranomasina, teo anilan'i Pi-hahirota, tandrifin'i Balazefona. »
· (Romana 6:15-19) (Romana 6:15) « Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany! » (Romana 6:16) « Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana? » (Romana 6:17) « Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo; » (Romana 6:18) « ary rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana. » (Romana 6:19) « Miteny araka ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. »
Ø Dia toy izao koa (Romana 6:20-23):
· Romana 6:20-23 (Romana 6:20) « Fa fony mpanompon'ny ota ianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana. » (Romana 6:21) « Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin'izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran'izany zavatra izany. » (Romana 6:22) « Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. » (Romana 6:23) « Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. »
Ny fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia mankalaza ny fanafahana mahagaga ny Kristiana tamin'ny fanandevozana ara-panahy nataon'ny ota, toy ny nanafahan'Andriamanitra ny Zanak'lsiraely fahiny tamin'ny fahandevozany tany Egypta. Mampahatsiaro antsika izany fa ny fahafahantsika tamin'ny ota sy ny famonjena antsika, dia tsy tanteraka raha tsy misy fifandraisantsika manokana amin'i Kristy, lIay Zanak'ondrin'Andriamanitra izay nitondra ny sazin'ny otantsika:
Ø Noho Izy Mpisoronabe ho antsika dia ataony zava-dehibe ny manampy antsika, hanongotany ny fahotana amin'ny fiainantsika, raha mpanompony marina tokoa isika, mba tsy hisy masirasira ara-panahy ny fiainantsika :
· [Fampitahana an'i Kristy sy Mosesy] “Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy,” (Hebreo 3: 1)
· [Teny famporisihana sy fananarana ho an'izay nihamalaina ka mila hihemotra] Hebreo 10:19-23 “Koa amin'izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy,” (Hebreo 10:19) “amin'izay lalana natokany ho antsika, dia talana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony,” (Hebreo 10:20) “sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra,” (Hebreo 10:21) “dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio* ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio; [* Gr. voafafy]” (Hebreo 10:22) “aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky lIay efa nanao ny teny fikasana);” (Hebreo 10:23)
4. Andro fahEFATRA MOFO TSY MISY MASIRASIRA
Tahaka ny niarovan’i Jehovah ny Zanak’Isiraely tamin’ny fanejehan’i Farao sy ny tafiny azy, raha nandositra an’I Egypta tandindon’ny ota izy (Eks 14:5-23), dia toy izany koa no iarvan’i Jesosy antsika Kristiana mandositra ny ota sy ny faharatsiana rehetra, izay enjehin’i Satana sy ny devoly namany.
Koa ny fankalazana ny Mofo Tsy Misy Lalivay dia mankalaza ny raharaha ataon'i Jesosy izay manampy antsika amin'ny fanesorana ny lalivay ara-panahy rehetra amin'ny toetrantsika, ao anatin'izany ny faharatsiana, ny hasomparana sy ny fihatsarambelatsihy ; ary ireo toetra ratsy ireo dia soloin'ny fankatoavana , ny fitiavana sy ny fahamarinana araka an'Andriamanitra. (Ampitahao Eks 14:10-14 sy Heb 4:4-16)
Ø (Eksodosy 14:10) « Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin'ny Zanak'Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak'Isiraely ka nitaraina tamin'i Jehovah. » (Eksodosy 14:11) « Ary hoy koa izy tamin'i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty aty an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? » (Eksodosy 14:12) « Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra. » (Eksodosy 14:13) « Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. » (Eksodosy 14:14) « Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina. »
Ø (Hebreo 4:14-16) “... satria isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.” “Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.” “Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory.”
Ø Jesosy no mitarika sy manampy antsika amin’ny ezaka ataontsika hanoherana na dia ny fakam-panahy hanao ota aza.
Ø Miezaka i Kristy handrafitra ny toetran'Andriamanitra lavorary ao anatintsika mpanompony (Matio 5:48; 2 Petera 1: 4) Izany no antony nilazan'i Paoly tamin'ny Kristiana hoe: "Koa andao isika hankalaza ny andro firavoravoana amin'ny mofo tsy misy masirasira ..." (1 Korintiana 5: 8)
Tanjon'ny fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira: Miala amin’ny fahotana tanteraka
(Eksodosy 13:3) « Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa tamin'ny tanana mahery no nitondran'i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira. » (Eksodosy 13:4) « Izao andro amin'ny volana Abiba izao no ivoahanareo » - andro faha 15 Abiba izany - … (Eksodosy 13:6) « Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an'i Jehovah. »
Inona no antony?
(Eksodosy 13:9) « Dia ho famantarana ho anao eo amin'ny tananao ary ho fampahatsiarovanaeo ambonin'ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn'i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta. »
Ny tanjon'Andriamanitra amin’ny fandidiana fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira izany dia izao:
Ny Paska dia mampiseho ny fahafatesan'i Kristy ho famelana ny fahotana efa vita. Ny fanekena ny rany anefa tsy mamela ny fahotana mbola hataontsika amin’ny ho avy ; izany hoe, tsy manome fahazoan-dàlana hanohy manotany rany latsaka. - Koa rehefa manaiky ny rany latsaka isika dia ny ota vita hatramin'izao fotoana izao ihany no voavela, izany hoe ny ota efa lasa.
Fa hijanona eo ve isika? Voavela ny helontsika. Nefa mbola olombelona ihany isika. Mbola hijaly fakam-panahy isika. Ny ota mihazona antsika ho andevo - nandevozin'ny ota isika, teo ambany fahefany. Ary tsy manan-kery hanafaka ny tenantsika amin'izany isika! Aoka ho azontsika ny sary - ny dikany.
Miala amin'ny fahotana tanteraka
Hatraiza marina ary nohanalavantsika ny ota? Tsy amin’ny ampahany ihany, fa tanteraka! Koa, satria ny masirasira dia tandindon’ny fahotana - ny masirasira mibontsina, ary toy izany koa ny ota - ary, satria ny isa fito dia isana an’andriamanitra, maneho ny fahafenoana, tokony hanaraka ny Paska tandremantsika ny andro fito amin'ny mofo tsy misy masirasira!
Ny sary sy ny dikan'ny Fety, ary ny tandindona ambarany dia tsy feno amin'ny Paska irery. Ny Paska dia mampiseho ny fanekena ny ran'i Kristy ho famelana ny helokalasa; mampiseho ny hazo fijaliana sy ny fahafatesan’i Kristy ny Paska.
Avelantsika hijanona eo amin'ny hazo fijaliana ve i Kristy? Ny andro fito amin'ny mofo tsy misy lalivay, aorian'ny Paska, dia manome sary antsika momba ny fanafoanana tanteraka ny ota, ny fitandremana ny didy - rehefa voavela ny fahotana taloha. Kristy efa nitsanga fa vita izay famelan-keloka izay. Ny fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira kosa dia manome sary an-tsaina ny fiainana sy ny asan'i Kristy nitsangana tamin'ny maty - niakatra eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra,ary miasa ho antsika amin’ny maha-Mpisoronabe Azy, manadio antsika amin'ny ota, satria isika miezaka mitandrina ny Didin’Andriamanitra rehetra.Manampy antsika ho afaka tanteraka noho ny herin’ny ota Izy!
Ny fitandremana ny Paska irery,arytsy mitandrina ny andro fito amin'ny mofo tsy misy lalivay, dia midika, amin'ny heviny an'ohatra hoe: manaiky ny ran'i Kristy, nefa manohy manota: - miteny toy ny mpivavaka sasany hoe: “foana ny lalàna, satria eo ambany fahasoavana! Izany hoe: mahazo alalana hitohy manota!
Ny andro fito amin'ny mofo tsy misy lalivay dia mampiseho ny fitandremana ny didy rehetra, izay fomba iray hafa ilazana ny fanesorana ny fahotana.
Ny mpiara-dia ny Fiangonan’Andriamanitra marina dia mitandrina andro firavoravoana voatendriny, ho famantarana sy fahatsiarovana ny fanafahana amin'ny ota. Izany famantarana izany dia apetrak’Andriamanitsika eo amin'ny tànantsika ankavananay sy eo amin’ny handrina, mba hitandremantsika ny didiny. Ary satria ny handrina no fitoeran'ny saina sy maneho ny fanekena, ary ny tanana havanana no maneho ny asa, dia manana an'io famantaran’Andriamanitra io isika ary manaiky an'io fahamarinana io momba ny andro sy andro tsy misy masirasira, ary amin'ny tsy fiasana amin'ireo andro masina ireo! Tsy ny Sabata isan-kerinandro ihany no famantaran’Andriamanitra (Eksodosy 31: 12-17), fa ny Sabata isan-taona dia famantarana ihany koa!
5. ANDRO FAHADIMY – MOFO TSY MISY MASIRASIRA
Eksodosy 14:13-22 Nampaherezin’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely raha nejehin' i Farao sy ny tafika Egyptiana
Ampitahao Eksodosy 14:13-22 sy Hebreo 5:5-10, ary 2 Korintiana 2:14-17
Ø Eksodosy 14:13-22
· (Eksodosy 14:13) « Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. » (Eksodosy 14:14) « Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina. »
· (Eksodosy 14:15) « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso. » (Eksodosy 14:16) « Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin'ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely. »
· (Eksodosy 14:17) « Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon'ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny, » (Eksodosy 14:18) « dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. »
· (Eksodosy 14:19) « Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany » (Eksodosy 14:20) « ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina. »
· (Eksodosy 14:21) « Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano. »(Eksodosy 14:22) « Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany. »
Ø Hebreo 5:5-10
· (Hebreo 5:5) « Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal.2.7); » (Hebreo 5:6) « ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). » (Hebreo 5:7) « Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanao* fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra**, [* Gr. nanatitra] [** Na: voahaino ka afaka tamin'ny fahatahorany] » (Hebreo 5:8) « dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; » (Hebreo 5:9) « ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy, » (Hebreo 5:10) « fa notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka ny fanaon'i Melkizedeka." »
Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra, dia nisintona lesona avy amin’ny zavatra mpanjo ny olombelona mikasika ny fomba fankatoavana an’Andriamanitra rehefa voahodidin’ny fahoriana sy ny fizahan-toetra mafy. Tonga Mpamonjy sy Mpisoronabe tonga lafatra Jesosy satria tanteraka an-tsakany sy an-davany ny fahoriany sy ny fahafatesany nefa tsy mba nanota. Noho izany, tanteraka tamin’ny lafiny rehetra Izy (and 1-6) mba hitondra ny famonjena mandrakizay ho antsika (and 9-10).
Noho izany, izay rehetra “manaraka Azy” dia mandray ny famonjena mandrakizay azo noho ny fahorian’i Jesosy, satria Jesosy dia tena Mpankatò tokoa. Ary ny fankatoavana izay ianarantsika Aminy no mametraka ao anatintsika ny tena finoana sy firaisana lalina Aminy, izay manova antsika hanahaka ny Tompo Jesosy, sady manomana antsika amin’ny firaisana voninahitra Aminy mandrakizay.
Ny fahatatnerahan’i Jesosy no mahatonga Azy ho loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay mnaraka Azy. Ary dia tononina ho “Mpisoronabe araka ny fanaon’i Melkizedeka” Izy.
Ary hoy Izy amintsika: (Jaona 13:15) « Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. » Dia toy izao koa: (Lioka 12:32) « Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. » Dia toy izao koa: (Matio 14:27) « Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin'izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra. »
Aoka isika hatoky Azy, fa toy ny namonjen’i Jehovah ny Zanak’Isiraely teo anatrehan’i Farao sy ny maramila Egyptiana, raha namaky ny Ranomasinamena izy ireo, dia haringany eo anoloantsika ny fahavalo rehetra, ny ary horavany ny olana izay miseho. Amena!
6. Andro fahENINA MOFO TSY MISY MASIRASIRA
NIAMPITA NY RANOMASINA MENA NY ISIRAELITA
Ny Ranomasinamena dia famonjena ho an’ny Zanak’Isiraely, fa fandringanana kosa ho an’ny Egyptiana fahavalony.
Toy izany koa ny loza miseho, noho ny fahatezeran’Andriamanitra vokatry ny fikomian’ny olombelona Aminy, dia famonjen’i Jesosy Kristy hoantsika mpanaraka Azy, nefa kosa fandringanana ho an’ireo izay tsy mino ny filazantsara izay toriny.
Amptihaoa ny Eksodosy 14:21-31 sy 2 Korintiana 2:14-17.
Eksodosy 14:21-31
[Ny lalalana nitondran’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely, sy ny namakiany ny Ranomasinamena]
(Eksodosy 14:21) « Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano. » (Eksodosy 14:22) « Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany. » (Eksodosy 14:23) « Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny. »(Eksodosy 14:24) « Ary tamin'ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin'ny Egyptiana tao amin'ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin'ny Egyptiana. »(Eksodosy 14:25) « Ary nanala ny kodian'ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo. »
(Eksodosy 14:26) « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. » (Eksodosy 14:27) « Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana. » (Eksodosy 14:28) « Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza. »
(Eksodosy 14:29) « Fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany. » (Eksodosy 14:30) « Izany no namonjen'i Jehovah ny Isiraely tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'ny Egyptiana; ary hitan'ny Isiraely teny amoron'ny ranomasina ny fatin'ny Egyptiana. » (Eksodosy 14:31) « Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony. »
Ny fahatahorana an’i Jehovah sy ny fankatoavana Azy tahaka izay nampianarin’i Jesosy Kristy antsika no tombokase apetrany eo amin’ny handrintsika sy eo amin’ny tanantsika ankavanana, ka androtsahany amintsika ny fitahiana sy ny fiarovana, ary anomezany antsika hery handresena ny fahavalo rehetra.
Ny loza miseho noho ny fahatezeran’i Jehovah, vokatry ny fikomian’ny olombelona Aminy, dia famonjen’i Jesosy Kristy hoantsika mpanaraka Azy, nefa kosa fandringanana ho an’ireo izay tsy mino ny filazantsara izay toriny, araka ny voasoratra hoe:
2 Korintiana 2:14-17.
[Fisaoran'i Paoly an'Andriamanitra noho ny nitahiany ny tori-teniny]
(2 Korintiana 2:14) « Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay. » (2 Korintiana 2:15) « Fa hanitr'i Kristy ho an'Andriamanitra izahay amin'izay hovonjena sy izay ho very: » (2 Korintiana 2:16) « amin'ny sasany dia hanitra avy amin'ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana; fa amin'ny sasany kosa dia hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin'izany zavatra izany? » (2 Korintiana 2:17) « Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin'Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin'ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin'Andriamanitra sady eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy. »
TORITENY
Dr. Daniel Rakotondravony, Fiangonan'Andriamanitra Miray
1) Fanamafisana fa miaraka amin’ny olony sy miaro azy ireo Jehovah mandritry ny fiezahany mandositra ny ota sy Satana devoly fahavalony. Tamin’ny Zanak’Isiraely nivoaka avy tany Egypta dia nanokatra ny Ranomasina Mena handehanany tamin’ny tany maina Jehovah, mba handosirany ny Egyptiana izay nanenjika azy ireo. Naringan’i Jehovah tao anaty ranomasina i Farao sy ny miaramilany rehefa noravany ny kodiaran’ny kelesin’izy ireo nentiny nanejika ny Zanak’Isiraely. Maty tao avokoa i farao sy ny miaramilany, ary ny soavaliny mbamin’ny mpitaingina azy. Ny Zanak’Isiraely kosa tafita soa aman-tsara ny Ranomasina Mena nandritry ny alin’ny andro fahenina mifoha ny andro fahafito fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira. Tafita ny Ranomasina izy ireo rehefa marainan’ny andro fahafito, andro firavoravoana, faran’ny fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira.
2) Hevi-panahin’ny fihinanana mofo tsy misy masirasira : ambaran’ny tantaran’i Lota sy ny vadiny ary ny zanany roavavy nasain’ny anjelin’i Jehovah nandositra an’i Sodoma, izay tanàna endriky ny ota toa an’i Egypta koa (Gensisy 19:1-29). Tamin’ny fotoanan’ny fihinanana mofo tsy misy masirasira no nahatongavan’ireo anjelin’i Jehovah tany Sodoma namonjy an’i Lota efa-mianaka. Nahafantatra tsara ny faharatsian’ny mponina tao Sodoma i Lota, nefa tsy nieritreritra tsara ka naleony nisafidy ny tany Sodoma mahavokatra sy lemaka tsara firaofan’ny biby fiompy. Loza be ho an’ny ankohonany anefa ny faharatsian’ireo mponina ao izay nanao tsinontsinona ny maha-olona izay vahiny tafiditra ao, ary mihevitra azy ireny ho kilalao fanaovam-betaveta amin’ny fijangajangan’ny lahy sy ny lahy. Saika hanaovan’izy ireo herisetra toy izany ireo anjely roalahy tonga hamonjy an’i Lota sy handrava an’i Sodoma sy Gomora. (Jereo document “Antambon’i Sodoma sy Gomora”).
3) Nanao fanelanelanana mba tsy handriganan’i Jehovah an’i Sodoma i Abrahama noho ny zana-drahalahiny, i Lota, izay monina ao. Nihevitra izy fa misy olona 150 marina ao miaraka amin’ny fianakavian’io zana-drahalahiny io. Rehefa tsy natoky anefa i Abrahana ny amin’ny isan’ny olona mety ho marina ao an-tanana, satria nilaza Jehovah fa tsy handringana raha misy olona folo marina ao, dia nitsahatra tsy nangataka intsony izy, koa dia lasa nandeha Jehovah, ary Abrahama kosa nody any an-tranony (Gen 18:1-33).
4) Noho ny fanelanelanan’i Abrahama dia novonjen’i Jehovah i Lota sy ny ankohonany sasany, nandefasany anjely nampandositra azy ireo tao amin’ny tanàna. Tsy nanaja ny fepetra tsy hiherika teny am-pandosirana anefa ny vadin’i Lota ka niherika tany amin’ny Tanàna efa kilan’ny afo avy any amin’Andriamanitra. Endriky ny fandavana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famonjena izay atolony ho antsika Kristiana izao nataon’ny vadin’i Lota izao, ka nahafoana ny famonjena azy ary nahatonga azy ho vaingan-tsira. (Gen 19:1-29).
5) Mitovy ny fandraisan’i Abrahama ireo anjely telolahy hilaza tamin’ny ny fandravana an’i Sodoma sy Gomora, sy ireo anjely roalahy namonjy an’i Lota sy nandoro an’i Sodoma sy Gomora: nampiantranoiny; nosasainy tongontra, izany hoe nampisehoany fanetren-tena; nomeny sakafo Mofo Tsy Misy Masirsira sy henan-janak’ondry. Samy tandindon’izay momba an’i Jesosy Kristy Mpamonjy ny olombelona mino an’i Jehovah avokoa izany. (Gen 18:1-33).
6) Ny fandosirana an’i Sodoma endriky ny ota, nasain’i Jehovah nataon’i Lota, dia toy ny fandosirana an’i Egypta nasaina nataon’ny Zanak’Isiraely ihany.
7) Ny didy tsy hiherika any aorina mandritry ny fotoana fandosirana, hijery an’i Sodoma kilan’ny afo, mitovy amin’ny fandrarana ny hiverina any Egypta nasain’i Mosesy nataon’ny Zanak’Isiraely, dia manambara ny fandosirana ny ota asaina ataontsika Kristiana rehefa novonjena tamin’ny ota noho ny sorona nataon’i Kristy tamin’ny tenany sy ny rany. Hoy ny tenin’i Jesosy: mandosira, aza miherika any amin’izay fahotana efa niolaozanareo; Tsarovy ny vadin’i Lota! (Lioka 17:28-32)
(Lioka 17:28) « Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy; » (17:29) « fa tamin'ny andro izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. » (17:30) « Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona. » (17:31) « Amin'izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin'izay efa nilaozany izy. » (17:32) « Tsarovy ny vadin'i Lota. »
HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY ANIE NY DERA SY NY LAZA ARY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY! HALELOIA!
7. Andro fahAfito MOFO TSY MISY MASIRASIRA: Tsindrio ity