Miomana ho amin’ny Paska: Sabata 6 mialoha ny Paska

Manomana vaoaka ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra (Asa 22 :21)

Miomana ho amin’ny Paska

 

Tenin’Andriamanitra

ü  Mpits 10:6-16

ü  Mat 17:14-21

ü  Gal 4:17-31

 

1.2.1- Mpits 10:6-16

[Ny nihemoran'ny Isiraely indray, sy ny namalian'Andriamanitra azy]

(Mpits 10:6) « Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr'i Syria sy ny andriamanitr'i Sidona sy ny andriamanitr'i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak'i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an'i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy. »(Mpits 10:7) « Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'ny Filistina sy ho eo an-tànan'ny taranak'i Amona Izy. »(Mpits 10:8) « Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak'Isiraely ireo tamin'izany taona izany: valo ambin'ny folo taona no nampahoriany ny Zanak'Isiraely rehetra, izay tany an-dafin'i Jordana, tany amin'ny tanin'ny Amorita any Gileada. »(Mpits 10:9) « Ary nita an'i Jordana ny taranak'i Amona mba hiady koa amin'ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak'i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely. »(Mpits 10:10) « Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an'Andriamanitray ka nanompo ireo Bala. »(Mpits 10:11) « Ary hoy Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak'i Amona ary ny Filistina va Aho? »(Mpits 10:12) « Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin'ny tànany. »(Mpits 10:13) « Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony. »(Mpits 10:14) « Mandehana, ka mitaraina amin'ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny andron'ny fahantranareo. »(Mpits 10:15) « Ary hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio. »(Mpits 10:16) « Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an'i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran'ny Isiraely. »

 

1.2.2 – Mat 17:14-21

[Ny nahasitranan’i Jesosy ilay zazalahy nampahorian’ny demonia]

 

(Mat 17:14) « Ary rehefa tonga teo amin'ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe: »(Mat 17:15) « Tompoko, mamindrà fo amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny rano. »(Mat 17:16) « Ary nitondra azy tamin'ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy. »(Mat 17:17) « Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento aty amiko izy. »(Mat 17:18) « Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay ora izay. »(Mat 17:19) « Dia nankao amin'i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy? »(Mat 17:20) « Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà ery, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. »(Mat 17:21) « * [*Kanefa iny karazana iny tsy mivoaka raha tsy avoaka amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina)] »

 

1.2.3 – Gal 4:17-31

 

[Ny fanahian’i Paoly momba ny Galatiana sy ny amin’i Hagara sy Saraha]

 

(Gal 4:17) « Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa. »(Gal 4:18) « Fa tsara raha ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho. »(Gal 4:19) « Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo, »(Gal 4:20) « enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo. »(Gal 4:21) « Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna? »(Gal 4:22) « fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny anankiray tamin'ny tsy andevo. »(Gal 4:23) « Kanefa ilay tamin'ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin'ny teny fikasana. »(Gal 4:24) « Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara izany. »(Gal 4:25) « Ary* ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany. [* Na: (Fa)] »(Gal 4:26) « Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo. »(Gal 4:27) « Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manana-bady (Isa. 54. 1). »(Gal 4:28) « Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'Isaka. »(Gal 4:29) « Kanefa tahaka ny tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny. »(Gal 4:30) « Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10). »(Gal 4:31) « Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo. »

 

TORITENY

Dr. Daniel Rakotondravony - Fiangonan'Andriamanitra Miray

[Ny nihemoran'ny Isiraely indray, sy ny namalian'Andriamanitra azy]

[Ny nahasitranan’i Jesosy ilay zazalahy nampahorian’ny demonia]

[Ny fanahian’i Paoly momba ny Galatiana sy ny amin’i Hagara sy Saraha]

==>Mila hazavaina izay ifandraisan’ireo teny ireo amin’ny Fanomanana vahoaka hiditra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

1. – Mpits 10:6-16

[Ny nihemoran'ny Isiraely indray, sy ny namalian'Andriamanitra azy]

Izao no voatantara amin’ny Tenin’Andriamanitra:

 

Mpits 10:6 Ary ny Zanak’Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah

Niodina niala tamin’i Jehovah indray ny Zanak’Isiraely, ary nanompo andriamani-kafa.

 

(1)      Tao amin’ny fombam-pivavahana Kananita, raha misy olona manompo tsara ny andriamaniny, dia afaka koa izy mandray anjara amin’ny vavaka ho amin’ny famokarana, ka fombam-pijangajangana no nentina nanantanteraka izany. Ny fitadiavana fitomboam-bokatra tany amin’ny andriamani-tsi-izy dia namela malalaka ny fifandraisan’ny fombam-pivavavahana tamin’ny fombam-pijangajangana.

(2)      Tahaka izany koa, misy ireo izay mampianatra fa ny fitiavana tena Kristiana sy ny fanaovana firaisana ara-nofo hono, indraindray, dia azo tanterahina any ivelan’ny fifaneken’ny mariazy. Ampianariny amin’izany fa ny famonjena dia avy amin’ny famindrampo maimaim-poana, ary ny famindrampo dia mahakasika avy hatrany ny karazam-pahotana rehetra. Misy mihitsy aza no milaza fa tsy mba anisan’ny fahotana ny fitondrantena toy izany. (Lazainy hoe: Davida sy Solomona nanambady maro!).

(3)      Ny fampianarana toy izany dia fanodikodinana sy fanolanana ny famonjen’Andriamanitra ho an’ny olony, ary tsy maintsy lavin’izay rehetra matoky an’Andriamanitra sy ny Teniny (jereo Mat 7:21:“Manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra”: Fepetra hidirana ao amin’ny Fanjakana: finoana+fibebahana+batisa.

Mpits 10:7 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah

Ny fahatezerana noho ny ota sy ny faharatsiana dia famaliana noho ny amin’ny fahamasinan’Andriamanitra. Fanehoany ny fahatsarany sy ny fitiavany ny fahamarinana izany. Raha misy mpino mahatsapa fahatezerana noho ny fahotana, na noho ny fahalozana, na noho ny faharatsiana, na noho ny tsy fahamarinana, dia tsy azo heverina ho fahotana ny fahatezerana amin’izany satria fiombonana amin’Andriamanitra eo amin’ny fitiavany fahamarinana sy fankahalana ny ratsy (jereo Mar 3:5; Rom 1:18, naoty; Heb 1:9). Fahotana kosa ny fahatezerana raha miteraka tsy fahamarinana, toy ny herisetra ho valifaty, nany vono olona sy ny toy izany.

 

Mpits 10:7 Nivarotra azy ho eo an-tànan'ny Filistina sy ho eo an-tànan'ny taranak'i Amona

Raha nifanandrina tamin’ny Amonita teny am-pita atsinanan’ny ony Jordana i Jefta, i Samsona kosa niatrika ny Filistina teny amin’ny ilany andrefana. Izany toe-javatra izany dia ahazoana manambara fa nisy fotoana nifanitsaka tamin’ny fotoana nitondran’ireo mpitsara sasany.

Pits 10:16 Tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran'ny Isiraely

Na dia mendrika ireo Zanak’Isiraely ireo aza ny fahoriana nahazo azy, dia nahakasika lalina ny fon’i Jehovah ny fahantran’izy ireo.

(1)      Ny fahoriany sy ny fahantrany dia nahakasika ny fon’i Jehovah, tsy hafa fa toy ny fangorahan’ny ray be fitiavana ny zanany tratry ny fahasahiranana lehibe. Amin’ny lafiny iray anefa dia nahavaky ny fon’i Jehovah koa ny fahitana azy ireo tao anaty korontana (Eze 6:9), ary voatery anaty noho izany Izy hamindra fo amin’izy ireo (Hos 11:7-9).

(2)      Ampy mizara ho an’ny mpanota rehetra ny famindrampon’Andriamanitra, dia ho an’ireo izay mizaka ny vokatry ny nataonynefa mibebakaarymitady famelan-keloka. Amin’ny toe-javatra toy izany dia afaka miantehitra tanteraka amin’Andriamanitra tokoa ny fahantrantsika sy ny fijaliantsika, ary afaka hamindra fo amintsika, ka hamerina antsika eo amin’ny toerana hahazoantsika indray ny fitahiany.

(3)      Ny alahelon’Andriamanitra an’izao tontolo izao, very noho ny fahotana, no nahatonga Azy haniraka ny Zanany Lahitokana hampihavana ireo mpanota ireo aminy indray (Jao 3:16).

 

 

FEHINY:

Manakaiky ny fotoana hiatrehana ny Paska ny fiangonana. Omen’Andriamanitra antsika ny teny ao amin’ny Mpitsara 10:6-16 mba handinihantsika tena. Mampitandrina Jehovah fa tsy sitrany ny fanompoan-tsampy, ka tsy hamonjy antsika izy raha tsy mibebaka tanteraka amin’izany, miala amin’ny fanaovan-dratsy rehetra, indrindra raha hiatrika ny fitandremana ny Paskan’i Jehovah sy ny fetin’ny Mofo Tsy Misy MasirasiraDingana voalohany amin’ny Planin’ny famonjena izany. Hoy Jesosy: (Mar 1:15) « Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny Fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. » (Mar 16:15) « Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra »(Mar 16:16) « Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina »(Mar 16:17) « Ary izao famantarana izao no hanaraka izay minohamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; » (Mar 16:18) « handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny ».

 

2. –Mat 17:14-21

 

[Ny nahasitranan’i Jesosy ilay zazalahy nampahorian’ny demonia]

Matio 17:15:« Tompoko, mamindrà fo amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny rano. »

ð  (Matio 4:24) « Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka* sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.[*Demoniaka = olona nidiran'ny demonia; izahao Mat.7.22] »

Mat 17:17 Tsy mino sady efa nivadika

Hita taratra eto amin’ity texta ity ny fomba fahitan’i Jesosy ireo mpianatra sy fiangonana izay tsy manao asa fanompoana ao amin’ny fiainan’ny hafa araka ny tena herin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

(1)   Ny tsy fahavitana mamonjy izay ampahorian’i Satana na ny demonia (and 15-21), noho ny tsy fahampian’ny finoan’izy ireo; izao no voasoratra:

ð    (Mat 17:15) « Tompoko, mamindrà fo amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny rano. » (Mat 17:16) « Ary nitondra azy tamin'ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy. » (Mat 17:17) « Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento aty amiko izy. » (Mat 17:18) « Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay ora izay. » (Mat 17:19) « Dia nankao amin'i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy? » (Mat 17:20) « Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà ery, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. » (Mat 17:21) « * [*Kanefa iny karazana iny tsy mivoaka raha tsy avoaka amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina)] »

ð Ampaherezin’i Jesosy isika hazoto hianatra ny Tenin’Andriamanitra mba hitombon’ny finoantsika, hitomboan’ny firaisantsika amin’ny Fanahy Masina, ka hampahery antsika amin’ny fandresena an’i Satana. Ny torohevitra omeny eto dia ny haharetantsika amin’ny vavaka sy fifadian-kanina, mba handresena ny ratsy.

 

ð Tsarovy koa ny fampaherezany manao hoe: “Tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ka tsy reraka” … (Lio 18:1-10).

(Lio 18:1) « Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka, »(Lio 18:2) « dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an'Andriamanitra, na mena-maso olona. »(Lio 18:3) « Ary nisy mpitondratena tao amin'izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay manana ady amiko. »(Lio 18:4) « Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona, »(Lio 18:5) « mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy. »(Lio 18:6) « Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain'ilay mpitsara tsy marina. »(Lio 18:7) « Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy? »(Lio 18:8) « Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy? »(Lio 18:9) « Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa; »(Lio 18:10) « Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra. »

(2)   Ny tanjon’ny Fanahy Masina amin’ny nandraketana an-tsoratra ireo zava-boalazan’ny Matio 17:14-21 ireo dia tsy ny hampivohitra fotsiny ilay hoe nandroaka demonia i Jesosy, fa ao koa ny faniriany mba hanaovan’ny mpinatra toy izany amin’ny finoana (and 20-21).

ð  Amporisihin’ny Fanahy Masina isika hanao fanasitranana sy fandorahana fanahy ratsy. Hoy Jesosy: (Lio 18:7) « Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy? »!

Diso fanantenana sy malahelo Jesosy rehefa injay ny olony tsy mandray anjara amin’ny asa fanompoana ataony hanoherana ireo herin’i Satana (10:1; 18:8; Mar 9:28-29; Lio 9:1; Jao 14:12).

Mat 10:1 - Ny fahefana hamoaka fanahy maloto.

Tian’i Jesosy hiady amin’ny herin’ny ratsy ny mpanaradia Azy, ka sady handroaka fanahy maloto no hanasitrana ny marary. Endrika maharitra isehoan’izay mino ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izany fanehoam-pahefana mandroaka fanahy maloto izany. Toy izao no nolazan’i Jesosy momba an’izany:

ð  (Mar 1:1) « Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra. » (Mar 1:15) « Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny Fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. » (Lio 4:43) « Fa hoy Izy tamin’ny mpianany: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. » (Lio 8:1) « Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy. »

ð  (Lio 9:1) « Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina. » (Lio 9:2) « Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. » (Lio 10:1) « Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. » (Asa 1:3) « sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Mar 16:15-16) « [Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra] » « [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] »

Matio 17:20 - Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo … dia tsy hisy tsy ho hainareo hatao

Matetika i Jesosy no manazava ny toetran’ny tena finoana marina ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Resahiny eo izany finoana mahafindra tendrombohitra, mahavita fahagagana sy fanasitranana, ary mahatanteraka zava-dehibe ho an’Andriamanitra. Ohatra:

(1)   Ny tena finoana dia finoana mandaitra ary misy vokany: “hifindra” ny tendrombohitra”.

(2)   Ny tena finoana dia tsy fitokisana ny “finoana” ho hery anakiray, fa “finoana an’Andriamanitra” koa (Mar 11:22).

(3)   Ny tena finoana dia asan’Andriamanitra ao am-pon’ny Kristiana (Mar 9:24; Fil 2:13). Misy fahatsiarovan-tena apetrak’Andriamanitra ao am-pontsika ao mampahafantatra fa misy valiny ny vavaka atao (Mar 11:23). Ny Fanahy Masina no mahary izany ao anatintsika, fa isika mahaforona izany ao an-tsaintsika fotsiny (Rom 12:3; 1Kor 12:9).

(4)   Satria moa fanomezana atolotr’i Kristy antsika ny tena finoana, dia zava-dehibe ny hanatonantsika an’i Kristy sy ny Teniny, ka handinihantsika lalindalina kokoa ny fanoloran-tenantsika ho Azy sy ny fitokiantsika Aminy (Rom 10:17; Fil 3:8-15). Amin’ny zavtra rehetra, dia Izy no ianteherantsika; “raha misaraka amiko kosa ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona” (Jao 15:5; Jao 3:27; Heb 4:16; 7:25). Izany hoe tsy maintsy mikatsaka an’i Kristy tompon’ny finoantsika sy Mpanefa Azy isika (Heb 12:2). Ny fanatrehany antsika akaiky sy ny fankatoavantsika ny Teniny no loharano sady tsiambaratelon’ny finoana (9:21; Jao 15:70).

(5)   Ny tena finoana dia eo ambany fitantanan’Andriamanitra. Miorina amin’ny fitiavany, ny fahendreny, ny fahasoavany ary ny Fanjakany ny fanomezana ny finoana. Omeny izany mba hanatanterahana ny sitrapony sy ho fanehoany ny fitiavany antsika, fa tsy natao hampiasaina ho an’ny tombontsoantsika manokana (Jak 4:3).

 

Matio 21:21 – Finoana tsy miahanahana

(Matio 21:21) « Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. »

1Kor 13:2 – Mila manana ny fitiavana araka an’Andriamanitra koa anefa ny finoana

(1 Kor 13:2) « Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. »

 

3. – Gal4:17-31

Tohizo vakina amin’ny Toko faha 5 hahafantarana tsara izay tian’ny Soratra Masina ho lazaina momba ny hoe “zioga fanandevozan’ny lalàna” = Famorana ny nofo! Ny nofo manohitra ny Fanahy!

Gal 4:19 Aharariako indray amin’ny fahaterahana

Ny fahararian’ny fiterahana dia fanehoana an-tsary ny fanelanelanana apostolika ataon’i Paoly sy ny fitaintainany ary ny ezaka ara-batana ataony, mandram-pahitany ny faharian’i Kristy ao amin’ireo Galatiana ireo, izay efa tafasaraka tamin’i Kristy sy efa lavo niala tamin’ny fahasoavana noho izy ireo nitady “hohamarinina amin’ny alalan’ny lalàna” (Gal 5:4), manao hoe: « Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo. »

Asehony ho toy izay mila fahaterahana ara-panahy fanindroany indray izy ireo, ary ny tenany koa ho toy ny reny izay mbola iharan’ny faharariam-piterahana indray mandeha indray, mba hampiorina tsara azy ireo ao amin’i Kristy, ary Kristy ao amin’izy ireo.

 

Gal 4:22 - Abrahama nana zanaka roa lahy

Fampisehoana an-tsary no ampiasain’i Paoly hanazavana ny fahasamihafana misy eo amin’ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao. I Hagara no mampiseho ny fanekena taloha, izay natao tany amin’ny tendrombohitra Sinay (Gal 4:25); eo ambanin’izany fanekena izany no iveloman’ireo zanany mandrake ankehitriny satria araka ny nofo (and 23) izy ireo, izany hoe tsy nateraky ny Fanahy Masina. I Saraha kosa, ilay vadin’i Abrahama hafa, dia mampiseho ny fanekena vaovao; ny zanany rehetra, izany hoe ireo mino an’i Kristy, dia manana ny Fanahy, ary tena zank’Andriamanitra marina tokoa satria “nateraka tamin’ny herin’ny Fanahy” (and 29).

 

Gal 5:1-15 - Ny Fahafahana ao amin’i Kristy

[Famporisihana ny Galatiana tsy hahavery ny fahafahany, fa hazoto handroso amin'ny fitondran-tena tsara]

(Gal 5:1) « Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony. »(Gal 5:2) « Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. »(Gal 5:3) « Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy. »(Gal 5:4) « Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo. »(Gal 5:5) « Fa izahay amin'ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana* ny fahamarinana. [* Na: fanantenan'] »(Gal 5:6) « Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famoranafa ny finoana** izay miasa amin'ny fitiavana. » [** Finoana ny Fanjakan’Andriamanitra] (Gal 5:7) « Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina? »(Gal 5:8) « Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin'ilay miantso anareo. »(Gal 5:9) « Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa. »(Gal 5:10) « Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy. »(Gal 5:11) « Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana*** ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana. »[*** Famoranana ny fo](Gal 5:12) « Enga anie ka hiesotra**** aza izay mampitabataba anareo. [**** Na: hanakilema tena] »(Gal 5:13) « Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana. »(Gal 5:14) « Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). »(Gal 5:15) « Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana. »

 

[Ny nifandiran'ny sasany ny amin'ny famorana, sy ny nataon'ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema tamin'izany]

(Asa 15:1) « Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon'i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena. »

(Gal 2:12) « Fa fony tsy mbola tonga ny sasany avy tany amin'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny jentilisa ihany izy (Petera na Kefasy); fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ny momba ny famorana izy. »

(Gal 2:13) « Ary ny Jiosy sasany koa niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan'ny fihatsaram-belatsihiny koa. »(Gal 2:14) « Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan'ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin'i Kefasy teo anatrehan'ny olona rehetra : Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon'ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon'ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon'ny Jiosy? »(Gal 2:15) « Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin'ny jentilisa, »(Gal 2:16) « nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna. »(Ga 2:17) « Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mlpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany! »(Gal 2:18) « Fa raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho. »

 

(Asa 7:8) « Ary nomeny fanekena amin'ny famorana izy. Ary dia niteraka an'Isaka izy ka namora azy tamin'ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an'i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin'ny folo lahy. »

(Rom 2:29) - « fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra. » - (Rom 4:11) « Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an'ireny ny fahamarinana, »

 

Ny antsoina hoe miankina sy te ho hamarinina amin’ny lalàna dia ireo izay te hoforana ara-nofo hanantanterahana ny fanekena tamin’i Abrahama, ary koa hamono biby hatao fanatitra hanatanterahana ny fanekena natao tamin’i Mosesy. Ireo no lalàna izay mpitaiza ho amin’ny finoana mandrapahatongan’i Jesosy Kristy. Rehefa tonga Jesosy Kristy nanatanteraka izay nambaran’ireo lalàna ireo, dia tsy ilaina intsony ireo fa ny famorana ny fo no ilaina, ary ny sorona nataon’i Jesosy Kristy tamin’ny tenany no misolo ireo fitondrana biby hatao fanatitra alatsa-drà.

Paoly manome tsiny ny Galatiana izay manaraka FILAZANTSARA HAFA noho izay notorin’ny tenany, sy notorin’i Jesosy Kristy (Gal 1:6).

 

Ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no notorin’i Jesosy Kristy, sy notorin’i Paoly koa.

ð  Filazantsara notorin’i Jesosy Kristy(Mar 1:1)          « Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra. » - (Mar 1:15) « Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. » - (Lio 4:43) « Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. » - (Lio 8:1) « Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy. » - (Lio 9:1) « Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina. » (Lio 9:2) « Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. » - (Lio 10:1) « Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. » - (Asa 1:3) « sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » - (Mar 16:15-16) « Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra » « Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina ».

 

ð  Filazantsara notorin’i Paoly. (Asa 28:30) « Ary Paoly nitoetra roa taona ngarangidina tao an-trano nohofany ka nandray tsara izay rehetra nankeo aminy, » (Asa 28:31) « dia nitory ny fanjakan'Andriamanitra ka nampianatra ny amin'i Jesosy Kristy Tompo tamin'ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana. » [60 taona taorian’i Kristy izany].

 

Gal 5:16-26 Ny fiainana amin’ny Fanahy

(Gal 5:16) « Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. »(Gal 5:17) « Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. »(Gal 5:18) « Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna. »(Gal 5:19) « Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, » (Gal 5:20) « fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, » (Gal 5:21) « fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. »(Gal 5:22) « Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, »(Gal 5:23) « fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. »(Gal 5:24) « Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana. »(Gal 5:25) « Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. »(Gal 5:26) « Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona. »

 

Gal 5:17 Ny Fanahy manohitra ny nofo

Ny fanoherana ara-panahy ao anatin’ny mpino dia mahakasika ny tenan’ny olona manontolo. Ny ady dia hahitana na hanaiky ho resy eo anatrehan’ny filan’ny ota ara-nofo izy ka hanaraka izay baikon’ny fahotana, na kosa hankatò ny fitarihan’ny Fanahy ka haharitra amin’ny fanarahana an’i Kristy (and 16; Rom 8:4-14).

Ny toeram-piadiana dia ao anatin’ny tenan’ny Kristiana ihany, ary mitohy mandritra ny androm-piainany ety an-tany izany ady izany, raha toa izy ka tokony hiara-manjaka amin’i Kristy (Rom 7:7-25; 2Tim 2:12; Apo 12:11; Efe 6:11).

 

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra! Amena. Haleloia!