Paska ao an-tranonao: 14 Abiba - Toriteny sy toromarika

PASKA AO AN-TRANONAO

Nosoratan’i

HERBERT W. ARMSTRONG

(Toromarika fanampiny)

Fanomanana

Misy toriteny nataon'i Atoa Armstrong amin'ny fiomanana amin'ny Paska (Passover Examination). Tokony hihaino ny toriteny momba ny Paska, andro vitsivitsy alohan'ny Paska ianao; ny Sabata alohan'ny Paska dia fotoana mety tsara.

Ny horonantsary ambara eto amin'ity pejy ity dia Fankalazana ny Paska notarihin'Andriamatoa Armstrong tamin'ny 17 aprily 1981. Fakalazana feno ny Paska, izay misy fizarana. Ny fizarana tsirairay dia manana fotoana fiatoana hahazoanao mitarika fankalazana ao an-tranonao.

Fizarana ahitana:

• Fampidirana / Fotoam-panasan-tongotra (fiatoana 10:55 mn)

• Fotoam-pisakafoanana (fiatoana 20:24 mn)

• Fotoam-pisotroana divay (fiatoana 23:23 mn)

• Famaranana

• Hira farany

Alaina amin’ny internet:

• Horonan-tsary: Paska Ao An-Tranonao (Passover In Your Home habe: 206MB Format MP4).

• Hira:“Atolotro Anao ny Fanahiko !”"To Thee I Lift My Soul"

 

Torolàlana avy amin'Andriamatoa Armstrong

Ny Paska voalohany nataon’i Jesosy niaraka tamin’ny mpianany

Ny tenin’Andriamanitra manondro izany dia ao amin’ny Lio 22:14-20, manao hoe:

« Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly. » « Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. » « Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » « Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo; » « fa lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra. » « Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. » « Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo. »

Mariho fa tamin’ny fotoana voatondro, “nony tonga ny fotoana”, no nanoloran’i Jesosy ny mofo sy ny kapoaka! Izany hoe misy ORA MARINA, ora voatondro, izay nohajain’i Jesosy, Izy tenany, nomeny ho ohatra ho antsika.

Araka izany, Jesosy nandidy antsika hitandrina izao, manao hoe: “Ataovy izao”. Inona no antony? “Ho fahatsiarovana Ahy”, hoy Izy. Izany hoe: HO FAHATSIAROVANA – ny fahafatesany – ary dia nampianariny ny mpianany tamin’izany alina mampangitakitaka izany, talohan’ny fahafatesany.

Araka ny filazantsaran’ i,  dia tamin’ny “nihinana” izy ireo”, no nandraisan’i Jesosy ny mofo, sy namakiany azy (Mat 26:26), ary dia naoriny tamin’izany fotoana nisakafoanana izany, ny didy lehibe lazaina hoe “Kominio” na “Fanasan’ny Tompo”. Sakafo inona nefa izy io? Ny sakafon’ny Paska – izany no lazain’ny Baiboly. Nihinana ny PASKA izy ireo! (Mat 26:17, Lio 22:15).

(Mat 26:17) « Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska? »(Mat 26:26) « Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako. »(Lioka 22:15) « Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. »

 

Fantatr’i Jesosy fa tonga ny fotoany. Izy no Paska ho antsika; ary voavono Izy (1 Kor 5:7). «  Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; »

« Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska*, koa ny Zanak'olona dia hatolotra hohomboana amin'ny hazo fijaliana », hoy i Jesosy talohan'izay (Mat 26: 2). [*Ny Andro Firavoravoanafaha 15 Nisana no lazainy eto. Mitovy amin’ny Deo 16:1]. Fantatr'i Jesosy fa efa tonga ny fotoanyIzy mihitsy no Paska**; Izy no Paska ho antsika; ary voavono Izy (1 Kor. 5: 7) [**Zanak’ondry vonoinaindray no lazaina eto, ny Pasakan’i Jehovah], araka ny Lev 23:5 : « Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah. » Mitovy amin’ny Deo 16:2 : « Ary vonoy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman'osy sy omby, eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah hampitoerany ny anarany. »

Rahoviana no tandremana ny Paska?

·        Raha miresaka ny Mofo Tsy Misy Masirasira ny Baiboly, dia izao no hita:  « Dia tandremo amin'ny fotoany isan-taona izao lalàna izao. » (Eks 13:10). Rahoviana ny « fotoany » ? Indray mandeha isan-taona, REHEFA HARIVA, aorian’ny filentehan’ny masoandro, amin’ny fiandohan’ny faha 15 Abiba.

·  Jesosy nanome fianarana ho antsika (1Pet 2:21), raha nitandrina ny Paska ny tenany “tamin’ny fotoany”, tamin’ny ora voatondro, indray mandeha isan-taona, faha 14 Abiba.

Inona no tsy maintsy nitranga raha nanao izany tamin’ny ora sy andro hafa noho izay notendren’i Jehovah ny Zanak’Isiraely? Ny valiny dia tsotra: rehefa nandalo tao Egypta ilay anjelin’i Jehovah, dia ho tsy namela azy ireo tsy ho faty! Jehovah dia manaja ora foana! Ara-potoana foana koa Izy! Notondroiny mazava tamintsika ny ora marina hitandremana ny Paska, ary Jesosy dia nanao izany “rehefa tonga ny fotoana”.

Raha tsy afaka mankany aminy Fiangonan’Andriamanitra Miray ianao, hitandrina ny Paska, dia azonao atao ny mitandrina azy io irery ao an-trano, na miaraka amin'ny ankohonanao, toy izao manarka izao:
Alohan'ny fotoana, mividiana na manomboara mofo tsy misy lalivay. Misy Matzoth jiosy, na Matzos, azo vidina eny amin'ny fivarotana lehibe. Ny Rye Krisp dia tsy misy lalivay (tadiavo ireo soratra hoe "tsy misy lalivay" eo amin’ny fonosana); mety hampiasaina io, na azonao atao ny manamboatra mofo fisakatsy nasiana masirasira (tsy misy lalivay, leviora, karbonetra, na zavatra hafa mampibontsina azy, toy ny atody nokapohina, sns). . .

Raha misy roa na maromaro ny mpandray anjara, ataovy vonona alohan'ny hanombohana ny Fandraisana ny koveta fanasan-tongotra sy ny rano ary ny lamba famaohana.

Ataovy vonona koa ny divay mena voajanahary, tsy betsaka. Ny ranom-boaloboka dia tsy nampiasa na oviana na oviana tamin'ny Paska nataon'i Jesosy, ny Isiraely taloha, na ny Fiangonan'ny Testamenta Vaovao. Ny divay ihany no nampiasain'izy ireo, mifanohitra amin'ny fampianarana mamitaka ataon’ny sekta sasany, izay nitsimoka tao anatin'ny 350 na 400 taona lasa. Tsy nisy fomba natao hitahirizana ranom-boaloboka tamin'ny andron'ny Baiboly. Maty ny ranom-boaloboka, fa manana ny Fiainana ny divay - ary noho izany, dia maneho ny ran'i Jesosy, izay fiainany (satria olona Izy). Jesosy mihitsy aza dia nampiasa divay. Tsy misy zavatra hafa mety. Ny Jiosy dia mampiasa divay mandraka androany, ary efa izany foana no nampiasainy. Ataovy azo antoka fa divay voajanahary sy tsy nampiana alikaola. Ny tahan'ny alikaola dia eo anelanelan'ny 10% ka hatramin'ny 13%. Ny divay misy alikaola 19% ka hatramin'ny 20% dia nampaherezina tamin’ny fomba manokana, ary tsy tokony hampiasaina. Vakio tsarany etikety hahafantarana ny tahan’ny alikaola. Tokony ho divay mena voajanahary no ampiasaina.

Aoka ianao ho vonona hitandrina ny Paska amin'ny takariva, raha vao maty ny masoandro, alohan’ny maizimbe. Ataovy azo antoka fa voaomana tsara ilay efitrano ary madio. Asio mofo tsy misy lalivay kely ary vera kely misy divay (isaky ny olona iray), voaomana eo amin’ny lovia na latabatra. Tsy mihoatra ny eran’ny sotro fihinanana ny divay atao ao anaty vera kely tsirairay, ary alohan'ny fandraisana dia apetraka eo ambony latabatra; saromana lamba fotsy madio tsara ireo marika ireo (ny mofo tsy misy lalivay sy divay).

Rehefa tonga ny fotoana hanaovana ny fandraisana, dia aoka hiditra amim-pahanginana ao anaty efitrano nomanina ny fianakaviana. Avelao ny lohan'ny fianakaviana (ny lahy na ny ray) hitarika ny Fandraisana fohy sy lehibe. Ny ankizy tsy niova fo sy tsy vita batisa tsy tokony handray anjara. Tsy misy olon-dehibe tokony hanatrika afa-tsy izay zanak'Andriamanitra tena niova fo sy vita batisa. Tsy tokony hisy ny vahiny miditra, na resaka, na fihomehezana, na hatsikana, na adihevitra. Mivory amin’ny fotoana lehibe indrindra ao anatin’ny taona iray manontolo ianareo. Tokony  ho amim-panajana tanteraka no idiran’ny rehetra ao amin'ny efitrano.

Eo am-panombohana, tsara ampahatsiahivin’ny mpitarika amin’ny rehetra, fa ity no fotoana faran'izay masina amin'ny taona, ho an’ny fiangonana - ny tsingerintaona nahafatesan'ny Tompo sy Mpamonjy antsika, ary “Fandraisana” iray fahatsiarovana ny nahafatesany.

Aoka ny mpitarika ny Fandraisana hanokatra ny Baiboly ary hamaky ny Lioka 22: 7-8 sy 14-15; avy eo ny Mat 26:17, ary 26-30; avy eo ny torolalan'i Paoly ao amin'ny 1Kor 11: 23-30. Vakio avy eo ny Jao 6: 53-54, raha tsikaritry ny mpitrika fa ilaina ho an'ny Kristiana rehetra io lalàna io. Vakio avy eo ny Jao 13: 1-17.

Raha misy roa na maromaro ny mpandray anjara, ataovy ny fifanasoan-tongotra. (Tokony hatao vovona alohan'ny hanombohan’ny Fandraisana ny koveta fanasan-tongotra sy rano ary lamba famaohana.) Raha misy olona efatra na mihoatra, roa na mihoatra ny isan’ny lahy sy ny vavy, dia mety raha mitokana ny lehilahy mifanasa tongotra, ary ny vehivavy toy izany koa. Raha olona irery ny mitandrina ny Paska, dia tsy misy fanasan-tongotra.

Avy eo, aorian'ny fanesorana ny koveta, ny lamba famaohana sy ny rano, ary voalamina tsara ny efitrano, dia esorin’ny mpitarika ny fotoana ny lamba manarona ny mofo sy ny divay. Dia manondrika ny lohany izy, ary mivavaka, ka misaotra sy mangataka amin'Andriamanitra hitahy ny mofo, ho tandindon'ny tenan’i Kristy notorotoroina ho antsika (ho fanasitranana ara-batana). Avy eo, vakiny madinika ny mofo, dia zaraina tsirairay amin’ny rehetra, hohaniny amin’ny fahanginana.

Avy eo, dia mivavaka eo ambonin'ny divay ilay mpitarika ny fotoana, ary mangataka amin'Andriamanitra hitahy izany amin'ity fampiasana masina ity ho mariky ny ra nalatsak’i Kristy ho famelana ny fahotantsika. Avy eo, zaraina ny vera misy ny divay ho sotroin’ny tsirairay amim-panajana, ho fanavaozana ny fanekena ny ran'i Jesosy Kristy ho famelana ny fahotantsika. Averina eo amin'ny lovia na latabatra ny vera; saromy amin'ny lamban-databatra miaraka amin’ny ambin’ny mofo tsy nampiasaina.

Avy eo ny mpitarika dia mamaky mafy ny ampahany amin'ny Jao 13:18 hatramin’ny toko faha-17. Ireo no teny nolazain'i Jesosy tamin'ny mpianany taorian'ny Sakafon’ny Paska farany niarahany tamin'izy ireo, taloha kelin'ny nisamborana azy ho homboina tamin’ny hazofijaliana. Satria somary lava izany Soratra Masina izany, dia mety raha soratin’ny mpitarika amin’ny taratasy ny ampahany sasany amin'ireo toko sy andininy ireo, fa tsy hamaky azy rehetra izy.

Aorian'ity famakiana Soratra Masina ity, dia manaova hira raha azo atao, ary hararaoty, miala moramora ny efitrano tsy misy resaka ny tsirairay.

Ity Fandraisana ity dia azo tandremana, raha ilaina, ho an'ny olona iray, na roa, na mihoatra. Raha roa na mihoatra, dia tokony hampidirina ny fifanasana tongotra.
Rehefa tapitra ny fotoam-pivavahana ary rehefa nandao ny efitrano ny olona, ny tompon'andraikitra dia tokony hanapotika ny ampahany amin'ny mofo sy ny divay sisa tavela, izay nentina tao amin'ny efitrano nanaovana ny Fandraisana,ka efa notahina. Aza entina ao amin'ilay efitrano anaovana ny fandraisana ny tavoahangy, fa izay kely efanarotsaka mialoha tao amin'ireo vera kely ihany. Raha fantatrao ny tena isan'ny olona mandray anjara amin’ny fotoam-bavaka dia tsy hisy sisa tavela ho simba. Ny divay sy mofo nampidirina tao anaty efitrano hanaovana ny fotoam-pivavahanaihany,izay nanaovana vavaka nandritra ny fotoam-pandraisana, ireo ihany no tokony ho potehana! Tsy misy mofo na divay notahina tamin'ny vavaka ho solon’ny vatana sy ran'ny Mpamonjintsika,ka hohanina amin'ny antony hafa, aorian'ny Fandraisana. Hodorana ny mofo sisa, ary hariana ny divay sisa tavela.

Ireo torolàlana ireo dia alefa am-pitiavana avy amin'ny pasiteranao,

Herbert W. Armstrong


Recette, Sakafo Mofo Paska

 

Zavatra ilaina

 

• lafarinina varimbazaha ½ kg

• sira 2 sotrokely

• menaka oliva 4 sotro

• Rano, mari-panan’ny efitrano

Torolàlana: Lafaoro mafana 250o

• 1. Afangaroy ny lafarinina sy sira.

• 2. Ampio menaka sy rano ampy hanamboarana koba henjana.

• 3. Zarao ho sombintsombiny kely azo polesina amin’ny tanana ny koba.

• 4. Fisaho eo ambony hazofisaka norarahana lafarinina ny sombin-koba, tsondrotsondromy amin’ny forsety izy rehetra. (Manampy amin'ny fanalana ny rivotra)
• 5. Fariparitana moramora ny koba, mba ho mora vakina amin’ny habeny ilaina amin’ny Paska ny mofo, rehefa masaka.
• 6. Endasina amin'ny vilany nasiana menaka manify ny mofo, mandra-pahamasany, mahazo loko volontany, malefaka. (Tokony ho 10 minitra)

Tsarovy:

• Ny lakozia dia tokony hatao tsy misy lalivay mialoha.

• Avelao hitambatra ny mofo, tsy vaky, mandra-pahatonga ny harivan'ny Paska. (Eks 12:46; Jao 9:36)

Hira : Atolotro Anao Ny Fanahiko !

Sal 25:1-7

1.      Atolotro Anao, ny aiko, Tompo O!

Fa Hianao no itokiako, Tsy ho menatra aho.

Aoka tsy hifaly ahy ny fahavaloko;

Eny tsy hisy homenatra ‘zay re’tra miandry Anao.

 

2.      Ampahafantaro ahy, ny làlanao, Tompo O!

Ampianaro ahy ny sitraponao, Tompo O!

Ny fahamarinanao no itariho ahy,

Fa Ianao Andriamanitray, no iandrasam-pamonjena.

 

3.      Tsarovy ny antranao, sy indrafo, Tompo O!

Fa hatrizay ireny, tamin’ny mpanomponao.

Aza tsarovanao intsony ny heloko;

Aoka mba hahatsiaro ahy ny famindramponao.