Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira: Andro fahafito

MIZOTRA HO ANY AMIN’NY FANJAKANA

  ANDRO FAHAfito amin'ny MOFO TSY MISY MASIRASIRA - 21 Abiba

(2 Petera 2:20-22) « Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany. » « Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy. » « Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: "Ny amboa miverina indray amin'ny loany" (Oha. 26. 11), ary: "Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray." »


TORITENY 

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray


FAMPIDIRANA

Tongasoa amin’ny andro farany fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira. Rahariva isika dia hiverina hihinana mofo misy masirasira indray, rehefa tsy nihinana an’izany nandritry ny valo andro izao. Angamba hihinana gateaux isika, biscuit, sns.

Fahaperan’ny herinandro voalohany fandinihan-tena anio, amin’ireo herinandro fito isaina mialoha ny Pentekosta izay amin’ny andro fahadimapolo.

Talohan’ny fetin’ny mofo tsy misy masirasira, dia nandio ny trano isika, nanesotra ny msirasira rehetra. Inona no dikan’ny tsy fihinanana mofo tsy misy masirasira? Moa ve fifehezan-tena nandritry ny fito andro ihany no ilaina? Ary marina kokoa ve ny iverenana mihinana mofo misy masirasira? Fampahatsiarovana antsika tsy hanota ve izany? Nandritry ny fito andro no nihanintsika mofo tsy misy masirasira. Rehefa tapitra ny fety, dia mahazo mihinana mofo misy masirasira indray. Nanambarana ny ota ny masirasira tamin’ity herinandro ity, ary fifadiana ny ota no dikan’ny fihinanana mofo tsy misy masirasira.

 

MIZOTRA HO ANY AMIN’NY FANJAKANA

Mazava ny lesona raha izay voatantara teo amin’ny 2 Pet 2:20-22 teo no iverenana: Rehefa nivoaka ny ota isika dia tsy tokony hiverina manota indray, ary dia mizotra ho any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Mazava ny Soratra Masina amin’io foto-kevitra io. Tsy tsara ny miverina amin’ny fahotana. Mazava ny hevitr’Andriamanitra momba ny fahotana, na dia takonan’i Satana amin’ny zavatra toa tsara aza ny ota mba hamitahany antsika.

Ny tantaran’i Lota sy ny vadiny dia manampy antsika hahatakatra ny dikan’izany teny izany. Mahafinaritra ny mianatra azy satria niseho tamin’ny fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira, na dia talohan’ny nanomezan’Andriamanitra an’izany ho lalàna aza.

(Genesisy 19:1-31 « Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin'ny tany. » 2 « Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon'ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin'izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina. » « Ary rehefa noteren'i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy, sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy. »

Tsara ny tantara, satria tamin’ny fotoan’ny fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira no nisehoany.

(Genesisy 19:15-17) « Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an'i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna. »(19:16) « Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna. »(19:17) « Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetramandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao. »

(Genesisy 19:26) « Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy. »

Efa novonjena tamin’ny loza, tafavoaka an’i Sodoma ny vadin’i Lota, afaka tao amin’ny tanàna feno ota. Mandroso ho amin’ny fandosirana izy, nefa ny fanahiny kosa miaraka amin'ireo zanany sisa tavela ao an-tanana. Noho izany, tsy nitandrina ny fepetra handosirana izy: tsy tokony hiherika any amin’ny ota efa nilaozana, toy ny tsy mahafoy izany ota izany! Koa dia niharan’ny fitsarana izy: ny loza fandringanana. Ny fihetsiny dia taratry ny faniriany tsy handao azy ireo ao anatin'ny fahoriana.


I. INONA NO NIANARANTSIKA TAMIN’NY ANDRON’NY MOFO TSY MISY MASIRASIRA ?

Moa ve isika mbola mahatsiaro sy maka fahafinaretana ao an-tsaina momba ireo faharatsiana nataontsika taloha?

Fampitandremana antsika mba tsy hiherika any aoriana

Apo 18:1-10

(Apokalypsy 18:1) « Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely iray koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny voninahiny. » (Apokalypsy 18:2) « Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! Rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren'ny fanahy maloto rehetra ary akanin'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina. » (Apokalypsy 18:3) « Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan*'ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena. [* Na: (nisotroan')] » (Apokalypsy 18:4) « Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. »

 

Babylona lehibe no lazain’Andrimanitra eto. Asainy mivoaka tao ny olony. Misy fitoviana amin’izay niseho tamin’i Sodoma sy ny namoahana an’i Lota tao aminy izany tenin’Andriamanitra izany.

Toy izany koa no asaina ataontsika ankehitriny. Mialà amin’ny fanaon’izao tontolo izao mba tsy hiombonantsika ota aminy; mivoaha alohan’ny hanapotehan’Andriamanitra azy.

(Apokalypsy 18:5) « Fa ny fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony. » (Apokalypsy 18:6) « Mamalia azy araka izay nataony, ka omeo azy indroa heny toy ny nataony izy; ny kapoaka izay nofenoiny, dia fenoy indroa heny ho azy. » (Apokalypsy 18:7) « Toraka itsy niderany tena sy nivelomany tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho; » (Apokalypsy 18:8) « koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon'ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy. » (Apokalypsy 18:9) « Ary ny mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany azy, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy; » (Apokalypsy 18:10) « eny, hijanona eny lavitra eny izy noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Babylona, izay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin'ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao. »

Tsy hitaredretra amin’ny fandringanana ny ratsy fanahy izay tsy mibebaka Andriamanitra, toy izay nandevonany an’i Sodoma sy Gomora. Ho tonga ny fitsaran’Andriamanitra, ary ho tonga faingana amin’ireo mpanota sy ratsy fanahy.

Nahoana no fito andro ihany no ihinanana mofo tsy misy masirasira? Efa fantatsika ny valiny fa mariky ny fahafenona na fahatanterahan’ny fanampian’i Jehovah amin’ny fialantsika amin’ny ota, satria ny isa fito dia isa an’Andriamanitra.


II. FIVERENANA AMIN’NY MOFO MISY MASIRASIRA: FIOMANANA HO AMIN’NY PENTEKOSTA

·         Inona no lesona tsoahana amin’izany?

·         Inona no mahatsara an’izany?

Nahoana No Mahazo Mihinana Mofo Misy Masirasira Indray Rehefa Tapitra Ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira?

Tafavoaka ny ota è fiainana tsy misy ota raha mankatò ny didy, satria Andriamanitra no miaro, ary ny Fanahy Masina mitoetra ao amin’ny mpino.

(Salamo 105:14) « Tsy nisy navelany hampahory azy, ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe: » (Salamo 105:15) « Aza manendry ireo voahosotro, ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko. »

(Romana 6:3) « Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? »

(Romana 8:33) « Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. » (Romana 8:34) « Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoera eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. »

Fiomanana ho amin’ny PentekostaMofo misy masirasira roa no nasain’i Jehovah entin’ny olona hahevahevan’ny mpisorona ho fankasitrahana azy ireo.

(Levitikosy 23:17) « Ary mitondrà mofo roa avy amin'ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasinavoaloham-bokatra ho an'i Jehovah izany. »

ü  Ny mofo misy masirasira dia manambara ny olona mpanota nibebakamanaiky hitandrina ny didin’Andrimanitra, ary izany no ankasitrahany azy.

ü  Ny maha roa ny mofo dia manambara fa avy amin’ny Jiosy (1er) sy avy amin’ny Jentilisa (2e) ireo olona ireo.

ü  Voaloham-bokatra ho an'i Jehovah avy amin’ny mpanota nibebaka sy mitandrina ny didin’Andriamanitra ireo.

 

ü  Ny Zanak’Isiraely koa dia ambaran’i Jehovah hoe “santatra ho an’i Jehovah avy tamin’ny firenena rehetra”noho ny fanekena nataony taminy tao an-tendrombohitra Sinay tamin’ny Pentekosta voalohany (Jeremia 2:3) « Masina ho an'i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin'ny vokanyIzay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah. »


Misy heviny maromaro ny teny hoe “voaloham-bokatra” avy amin’ny olombelona, tonga vahoaka sy zanak’Andriamanitra. Ny maha-vahoaka sy zanak’Andriamanitra koa dia misy ara-nofo sy ara-panahy; ny itoviany dia natao ho ohatra ho an’ny firenena amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra izy ireo. Toy zao manaraka izao ny famaritana azy rehetra:


1)         Ny Zanak’Isiraely tao an-tendrombohitra Sinay dia voaloham-bokatra ho an’i Jehovah, avy amin’ny firenena (Jeremia 2:3). Nibebabaka niala tamin’ny ota tao Egypta izy ireo; natao batisa tao amin’ny Ranomasina Mena, ary nanaiky hitandrina ny didy tamin’ny Fanekena taloha, notenenin’Andriamanitra mivantana taminy tao an-Tendrombohitra Sinay (Eks 19:1-25; 20:1-17).


2)          Jesosy Kristy nitsangana tamin’ny maty Ilay nambaran’ny Amboara iray Ahevaheva. Izy no santatra (1 Kor 15:22) « Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy. » (1 Kor 15:23). « Nefa samy amin'ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany. »


3)          Ny olona mino sy manaiky an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy ka mitandrina ny Didin’Andriamanitra sy natao batisa tamin’ny anarany, nomena ny voaloham-bokatry ny Fanahy Masina, ary atsangana amin’ny maty ho fanahy na ovana sy omena fiainana mandrakizay rehefa miverina Jesosy Kiristy:

·         Mpianatra nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta, nananganana ny Fiangonana voalohany ara-panahy. (Asa 2:1-11)

·         Ireo olona mino sy manaiky hatao Batisa taty aoriana, ka nandray ny voaloham-bokatry ny Fanahy (Rom 6:3-8).

·         Santatra amin’ny voaloham-bokatra ho an’i Jehovah ireo rehetra ireo, fa samy amin’ny filaharany avy (1 Korintiana 15:23).


Pentekosta Taorian’i Jesosy Kristy

Tamin’ny Testamenta Vaovaony Pentekosta dia andro nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny olona masina voafidy ho voaloham-bokatry ny Fanahy sy santatra ho an’i Jehovah (Asa 2:1-12, 33; Rom 8:23; 2 Kor 1:21-22). Ny Kolosiana, jentilisa niova ho Kristiana dia nampaherezin’i Paoly raha nitandrina ny andro firavoravoana ka nenjehin’ny olona, ary nataony hoe: aza mety hotsarain’olona amin’ny fanarahanareo ny fombam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, satria aloky ny zavatra ho avy ireo, fa ny tenany dia an’i Kristy (Kol 2:16-17).

Ireo voaloham-bokatra ho an’ny Fanahy sady santatra ho an’i Jehovah ireo no ambaran’ny tandindona mofo roa misy masirasira nahevaheva tamin’ny andro Pentekosta. Olombelona efa nanota ireo fa tsy tahaka an’i Jesosy Kristy tsy nisy ota. Isiraelita sy jentilisa no olona nafahina tamin’ny ota voalohany tamin’ny ran’i Jesosy KristyTsy maintsy mandray ny Fanahy Masina ho tombokase ho azy ireo olona ireo, fa izany no manamasina azy mba hitomboany amin’ny Fanahy sy ny fahamarinana, ary hahazoany fiainana mandrakizay sy miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Nankalazaina taorian’i Jesosy Kristy ihany koa, tamin’ny andron’ny Apostoly sy taorian’izy ireo ny fetin’ny Pentekosta (Asa. 20: 16; 1 Kor. 16: 8). Tsy maintsy mandray ny Fanahy Masina hatrany ny olona hahamasina azy sy hitomboany araka ny Fanahy sy ny fahamarinana. Ny faharetany amin’ny tenin’Andriamanitra no itomboany amin’ny fahamarinana. (Jao 17:17).


FAMPITAHANA

Tamin’ny herinandron’ny Paska

ü  Ny amboara iray ahevaheva dia manambara an’i Jesosy Kristy niakatra tany amin’ny Ray hankasitrahany Azy rehefa nitsangana tamin’ny maty; voaloham-bokatra amin’ny Fanahy ho an’Andriamanitra Izy sady santatra.

Tamin’ny andron’ny Pentekosta

ü  Nahevaheva teo anatrehan’Andriamanitra Ray ny mofo roa misy masirasira izay manambara ny voaloham-bokatra avy amin’ny olombelona nahazo famelan-keloka. Ireo dia tandindon’ny olona masina voafidin’Andriamanitra ho amin’ny fitsanganan’ny maty voalohany, ho amin’ny fiainana mandrakizay, ka hakarina eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka, ary hiara-hiverina aminy ho amin’ny fanjakana arivo taona.

ü  Olona efa nanota nibebaka ireo ; izany no ambaran’ny mofo misy masirasira nahevaheva nankasitrahan’i Jehovah.

ü  AVY AMIN’NY JIOSY SY JENTILISA MIARAKA IREO, IZANY NO MAHA ROA NY MOFO.

JereoJaona 14:2-3; 1 Tesaloniana 4:14-17; Apokalypsy 20:4, 6.

(Jaona 14:2) « Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. » (Jaona 14:3) « Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. »

Aiza Izy no hitoetra rehefa miverina? Ao amin’ny Fanjakana arivo taona, eto an-tany.

(1 Tesaloniana 4:14) « Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy hiaraka aminy. » (1 Tesaloniana 4:15) « Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. » (1 Tesaloniana 4:16) « Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; » (1 Tesaloniana 4:17) « ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. »


(Apokalypsy 20:4) « Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. » (Apokalypsy 20:6) « Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. »


Famintinana ny amin’ny Pentekosta

Ny teny Grika hoe “Pentekoste” dia midika hoe faha 50, ary io no ilazan’ny Testamenta Vaovao ny “Fetin’ireo herinandro” ambaran’ny Testamenta Taloha: Fito herinandro mipaka ampiana andro iray aorian’ny Sabata ao anatin’ny herinandron’ny Paska Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira (Lev. 23:10-16). Ny Pentekosta dia fantatra koa amin’ny hoe “Fety Fijinjana ny Voaloham-bokatra” (Eks. 23:16). Ireo anarana ireo dia faminaniana ny amin’ny nanorenan’Andriamanitra ny fiangonana voalohany itambaran’ny Jiosy sy Jentilisa, izay nandatsahana ny Fanahy Masina. Ny antsoina hoe “Kristiana” dia ireo izay manana ny Voaloham-bokatry ny Fanahy, novidina na navotana avy tamin’ny olona, ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Zanak’Ondry” (Rom. 8:23 ; Asa 20 :28). Jakoba dia nanoratra hoe “santatry ny zavatra noforoniny isika” (Jakoba 1:18).

Ny fizaran’Andriamanitra ny Fanahy Masina ho an’ny olon-drehetra dia mitohy mandraka ankehitriny ho an’ireo izay mianatra ny fahamarinany ka mino sy atao batisa amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy maty sy nilevina ary nitsangana araka ny Soratra Masina. Ny fametrahan-tanana ataon’ny mpanompon’Andriamanitra no andraisan’izay vita batisa ny Fanahy masina. Mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra isika ka miaina araka ny vokatry ny Fanahy voalazan’ny tenin’Andriamanitra. Ao anatin’ny vanim-potoana fizaran’Andriamanitra ny Fanahy Masina ho an’ny olona mino rehetra isika izao, mandram-pihavin’i Jesosy Kristy eny amin’ny rahon’ny lanitra.

Fampitahana nataon’i Jesosy: Ny Fanjakan’ny Lanitra dia tahaka ny Masirasira natao tamin’ny koba, ary hameno ny Tany rehetra.

(Matio 13:33) « Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra. »

Ny masirasira maneho an-tsary ny Fanjakan’AndriamanitraManambara fitomboana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ny Fanjakan’Andriamanitra dia tahaka ny masirasira izay hameno ny tany rehetra.

(Eksodosy 14:9) « Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin'i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron'ny ranomasina, teo anilan'i Pi-hahirota, tandrifin'i Balazefona. » (Eksodosy 14:13) « Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. » (Eksodosy 14:15) « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso. »

Aoka isika handroso ho any min’ny Fanjakan’Andriamanitra, fa aza mihemotra.

(Isaia 9:5) « Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] »

(Matio 5:13) « Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona. » (Matio 5:14) « Hianareo no fahazavan'izao tontolo izaoTsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. » (Matio 5:15) « Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. » (Matio 5:16) « Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. »

èManampy amin’ny fitomboana ara-panahy ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny masirasira ao amin’ny fanoharana nataon’i Kristy.


III. MANOKANA FOTOANA HO AN’ANDRIAMANITRA

Miresaka amin’Andriamanitra amim-pilaminana amin’ny alalan’ny vavaka :

-          Amin’ny fiandohan’ny andro ;

-          Amin’ny faran’ny andro.

(Lioka 6:12) « Ary tamin'izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina Izy. »

Ny nifidianan’i Jesosy ny Apostolo 12. Nivavaka nandritry ny alina Izy. Nifidy mpianatra 12 nahatoky azy Izy, nefa ny iray dia fantany fa hamadika azy noho ny fandaharan’Andriamanitra. Ireo mpianatra 12 lahy ireo no hampita ny hafany amin’ny taranaka manaraka.

Tantaran’i Estera

[Ny alahelon'ny Jiosy, ary ny nataon'i Mordekay sy Estera mba tsy hahatanterahan'i Hamana izay nokasainy]

(Estera 4:1) « Nony fantatr'i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan'ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy; »

(Estera 4:10) « Fa Estera naniraka an'i Hatàka indray hanao amin'i Mordekay hoe: » (Estera 4:16) « Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay hita ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty. »


IV. MAMPIANATRA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

(Eksodosy 12:23) « Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana. »

(Deotoronomia 6:5) « Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. »

(Deotoronomia 6:18) « Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason'i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena azy, »

(Deotoronomia 6:20) « Ary raha manontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika anareo? »

(Deotoronomia 6:21) « Dia holazainao aminy hœ: Andevon'i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta. »

(Deotoronomia 6:22) « Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin'ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika. »

(Deotoronomia 6:24) « Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao. »

(Hebreo 11:6) « Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. »


V. AFATOHY NY SAINAO HO AMIN’IZAY HO AVY FA TSY AMIN’IZAY EFA NILAOZANA

(Nomery 13:1) « [Ny amin'ny mpisafo-tany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe: » (Nomery 13:2) « Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny fireneny avy. » (Nomery 13:3) « Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin'i Jehovah; ary samy lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo. »

Eo amin’ny sisin-tany hiditra an’i Kanana, nampanantenaina.

(Nomery 13:17) « Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara aty amin'ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin'ny tany havoana; »

Misafo ny tany nampanantenaina:

(Nomery 13:25) « Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro. »

(Nomery 13:28) « Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin'ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay. »

(Nomery 13:30) « Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan'i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika. »

Ny nandavan'ny Zanak'Isiraely tsy hiakatra ho eny amin'ny tany Kanana:

(Nomery 14:1) « Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin'iny alina iny. »

ð Nefa Kaleba sy Josoa nitazona ny tenin’i Jehovah.

 

Ary Jehovah manome toerana ho anao amin’ny Fanjakany:

(Marka 10:28) « Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao. » (Marka 10:29) « Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, » (Marka 10:30) « ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. »

(Hebreo 11:11; 13; 39-40):

(Hebreo 11:11) « Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana. »

(Hebreo 11:13) « Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tety ambonin'ny tany izy. »

(Hebreo 11:39-40) « Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana, » « fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika. »

 

FEHINY FARANY

(Filipiana 3:7) « Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin'i Kristy. »

Hadinoy izay any AORIANA ary MANDROSOA. Mandrosoa ho any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay hajoro eto an-tany.