Hafatra mialoha ny Paska

HAFATRA MIALOHA MOMBA NY PASKA

 

Past. Monte KNUDSON,

 Ho an’ny Vondrona UCG- AFRIKA ATSINANANA

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Ezekiela 18:19-28

Jaona 3:16-24

1 Korintiana 11:27-29


Ezekiela 18:19-28

[Ny famalian’Andrimanitra ny olona araka ny asany avy]

 

(Ezekiela 18:19) « Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho velona tokoa izy. » (Ezekiela 18:20) « Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan'ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany. » (Ezekiela 18:21) « Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty. » (Ezekiela 18:22) « Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony. » (Ezekiela 18:23) « Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ? » (Ezekiela 18:24) « Fa raha ny marina no miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon'ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy. » (Ezekiela 18:25) « Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak'Isiraely: Moa ny fitondrako* va no tsy marina ? Tsy ny fitondranareo* va no tsy marina?[*Heb. lalana] » (Ezekiela 18:26) « Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin'izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy. »(Ezekiela 18:27) « Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny. » (Ezekiela 18:28) « Raha mahita izy ka miala amin'ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty. »

 

Jaona 3:16-24

[Ny resak’i Jesosy tamin’i Nikodemosy]

(Jaona 3:16) « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanan-ilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. » (Jaona 3:17) « Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [*Gr. hitsara] » (Jaona 3:18) « Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara] » (Jaona 3:19) « Ary izao no fanamelohana*, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. [*Gr. voatsara] » (Jaona 3:20) « Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. » (Jaona 3:21) « Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany. » (Jaona 3:22) « Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa. » (Jaona 3:23) « Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa. » (Jaona 3:24) « Fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Jaona. »

 

1 Korintiana 11:27-29

[Ny amin’ny fanasan’ny Tompo]

(1 Korintiana 11:27) « Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy. » (1 Korintiana 11:28) « Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka. » (1 Korintiana 11:29) « Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy. » (1 Korintiana 11:30) « Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry. » (1 Korintiana 11:31) « Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina. » (1 Korintiana 11:32) « Fa raha tsaraina isika, dia faizan'ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin'izao tontolo izao. » (1 Korintiana 11:33) « Koa raha miangona hihinana ianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa*. [* Na: mifampizarà] » (1 Korintiana 11:34) « Ary raha misy olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho. »

 

TORITENY

 

FAMPIDIRANA

Inona moa ny ataon’ny Paska? Fanafahana ny zank’Isiraely tamin’ny fanadevozan’ny Egyptiana. Ho an’ny Kristiana kosa dia fanafahana amin’ny fanandevozan’ny ota. Inona moa ny ota? Ny ota dia fandikana ny Didin’Andriamanitra. Tsy maintsy mitandrina ny didin’Andriamanitra isika, satria ho zanany mandova ny Fanjakany no tanjona amin’ny namoronany ny olombelona. Ary ny Didin’Andriamanitra no mifehy ny Fanjakana holovana. Andrimanitra tsy mandainga ary tsy mba mamitaka, fa tsy maintsy tanteraka ny teniny. Ao anaty Baiboly ny Tenin’Andriamanitra, ary natony voadika amin’ny tenim-pirenena maro ny Baiboly. Nomeny fahalalahana ny olombelona amin’ny fanarahana ny Didiny. Izay manaiky an-tsitrapo ny Didiny dia mahazo tombony. Ny fanajanao ny Sabata ohatra dia tombotsoa ho anao.

 

EZEKIELA 18:19-24

Ezekiela 18:19-20 Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho velona tokoa izyNy fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan'ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.

Izany no ten’Andrimanitra manamarina fa omeny safidy malalaka ny olona hanao ny sitrapony na tsia; nefa izay manao ny sitrapony ka mitandrina ny didiny hatramin’ny farany no ho vonjeny sy homeny fiainana mandrkizay ary handova ny fanjakany.

Ezekiela 18:21-23 Ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didin’Andriamanitra rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa, fa tsy ho faty. Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.

« Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ?

Ezekiela 18:24 Raha ny marina no miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon'ny ratsy fanahyny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana. Noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy

Fehiny: Ezekiela 18:25-28 Raha miala amin’ny ratsy fahotana rehetra izay nataony ny ratsy fanahy ka mitandrina didin’Andriamanitra rehetra ary manao izy marina sy mahitsy dia ho velona tokoa izy, homena fiainana mandrakizay. Fa raha ny marina miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka ary maty amin’izany fotoana anotany izany dia ho faty tokoa izy, tsy homena fiinna mandrakizay.

 

JAONA 3:16-24

Jaona 3:16-18 Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izaonomeny ny Zanan-ilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao no anton’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, hanavotra izao tontolo izao, satria Andriamanitra sy Jesosy Kristy tia antsika.

Ahoaha ny finoana Azy ? Manaiky fa i Jesosy Kristy dia Zanak’Andriamanitra nirahiny hamonjy antsika amin’ny fahotana sy ny vokatry ny fahotana. Nanome ohatra amin’ny fomba fiaina araka ny toetra an’Andriamanitra Izy. Tokony hanahaka Azy isika, satria zanak’Andriamanitra handova ny fanjakany.

Ireo izay tsy manaiky handà ny ratsy dia hahazo fanamelohana. Ahoana ny fanamelohana? Jaona 3:19-20

Tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. »

Izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany (Jaona 3:21). Izay manao ny marina dia manatona ny mazava mba haseho ny asany. Izao koa no voalaza: “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao” (Matio 5:14).

Ny batisa dia famelan-keloka nataon’Andriamanitra amintsika. Jaona 3:21-24. Tokony hiezaka isika tsy hanao meloka intsony, rehefa vita batisa, mba ho velona tokoa, izany hoe hatsangana amin’ny maty ho fanahy, omena fiainana mandrakizay amin’ny fiverenan’i Kristy.

(Jaona 3:22) « Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa. » (Jaona 3:23) « Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa. 

Hoy Jesosy talohan’ny ny niakarany any an-danitra: (Marka 16:15) « Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara (Fanjakan’Andriamanitra) amin'ny olombelona rehetra] » (Marka 16:16) « Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina. »

 

I Korintiana 11:27-34

Ny fanasan’ny Tompo dia ny Paska farany niarahan’i Jesosy nihinana tamin’ny mpiananyNanorina ny fanekena vaovao i Jesosy Kristy ary misy fomba vaovao ho fahatsiarovana ny fahafatesany nampianariny tamin’io. Nisy tandindon’izany tamin’ny andron’ny Zanak’Isirely tany Egypta: nasaina namono zanak’ondry izy ireo ary ny rany natentina teo amin’ny tolam-baravarava roa sy ny tataom-baravaran’ny trano izay nihinanany azy. Natsatsika tamin’ny afo ny hena, ary nohania niaraka tamin’ny mofo tsy misy masirasira sy anana mangidy. Ny kapan-dry zareo teny an-tongony, ny tehina teny an-tanany, ary ny valahany misy fehikibo: Maneho fahavononana handeha maika mivoaka an’i Egypta tandindon’ny ota izany.

Ny fanekena vaovao nampianarin’i Jesosy kosa, ho fahatsirovana ny fahafatesany, dia fihinanana mofo tsy misy masirasira, solon’ny tenany izay vakinaho fanasitranana antsika (1 Korintiana 11:24), sy fisotroana divay, solon’ny rany izay alatsaka ho famelan-keloka sy hamonjy ny maro (Matio 14:24; 26:26-27). Ny daty sy andro ihinanana sy isotroana izany dia amin’ny fotoana izay efa nohajaina an-jato taona mialoha (14 Abiba, rehefa hariva). Izay no fanasan’ny Tompofahatsiarovana ny andro sy fotoana ary fomba nahafatesan’i Jesosy Tompo.

Ny fanasan-tongotra nampianarin’i Jesosy koa dia manambara fifampiahiana sy fitiavana ary fanetren-tena sy fifanompoana.

(Marka 14:24) « Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin'ny fanekena vaovao, izay alatsaka hamonjy ny maro. »

(Matio 26:26) « Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako. » (Matio 26:27) « Ary nandray kapoaka* Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;[* Na: (ny kapoaka)] »

(1 Korintiana 10:16) « Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin*'ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin**'ny tenan'i Kristy va izany? [* sy **Na: fiombonana] ».

 

Amin’ity 1 Korintiana 11:27-34 ity, , dia misy fepetra tsy nohajain’ireo Kristiana tany Korinto mandritry ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, izay nanomezan’ny Apostoly Paoly tsiny azy ireo.

Mety mahakasika antsika ankehitriny koa izany: Mila mandinika ny tenantsika isika ary mibebaka amin’ny ratsy fanao, mialoha ny handraisana ny fanasan’ny Tompo. Tsy miandry elabe ny valim-bavaka raha izany no atao rehefa mangataka fanasitranana na famahamana olana amin’Andriamanitra.

1 Korintiana 11:29-32 “Izay mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy. Aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka. Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy. Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry.  Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina. Fa raha tsaraina isika, dia faizan'ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin'izao tontolo izao.

Mamantatra ny tena: mandinika izay natao, na mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra na tsia. Raha tsy mifanaraka, dia mibebaka.

 

SEKOLY SABATA

 

Amin’izao fotoana izao: Misy dikany lehibe ho an'ny olon'Andriamanitra ny Paska. Ka ny fomba hidirantsika amin'ny Paska (ny fomba fiainantsika ankehitriny) dia manan-danja ihany koa amin'ny fandraisana ny Paska.
Amin'ny fankalazana ity lanonana ity dia manolotra ny tenantsika amin’Andriamanitra isika.
Ampahatsiahivina antsika koa ny toetran'Andriamanitra sy izay antenainy amintsika isan'andro.
 

Lohateny: Hafatra Mialoha Momba ny Paska
Fanontaniana: Iza no tsarovantsika ary iza no hovonoina ho faty?

Inona no dikan'ny fanekena vaovao amintsika ary manatanteraka ny anjarantsika amin’izany ve isika?

 

• Napetrak'Andriamanitra ao am-pontsika ny fiainana mandrakizay, saingy maro no tsy mitovy hevira amin'ny fomba ahazoana izany.
• Samy efa nanota avokoa nyolona rehetra, ka tsy mahatratra ny voninahitr'Andriamanitra, Romana 3:23.

(Romana 3:23) « fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, »

 

Iza no vonoiko, na vonoinao ho faty rehefa manota aho na ianao?
Jesosy Kristy ve?

• Jaona 10: 17-18 Manana fahefana hanolotra ny ainy i Jesosy Kristy, tsy misy manaisotra izany aminy.

(Jaona 10:17) « Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray. » (Jaona 10:18) « Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko. »

 

• Mat 26:53 Jesosy Kristy afaka nivavaka ary hanome Azy anjely 12000 legiona Andriamanitra. Nefa tsy hanao izany Izy noho ny safidiny.

(Matio 26:53) « Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho ety amiko Izy ankehitriny? »

 

Moa mamono tena ve isika rehefa manota?Inona no takin'ny fahotantsika?

• Romana 6:23 Ny fahotantsika dia mitaky fahafatesantsika manokana. Ny fahafatesana mandrakizay dia avy amin'ny ota. Nahazo ny fahafatesana isika. “Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.”
• Fanomezana ny fiainana mandrakizay, ary famonjena no iasan'Andriamanitra.
• Ezekiela 18:20 “Ny fanahy izay manota no ho faty”. And-13: … “Ny ràny dia ho eo aminy ihany.”
• (Jaona 5:28) « Aza gaga amin'izany; fa avy ny andro* izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony; [*Gr. ora] » èFotoam-pitsarana izany!

 

1. Ny fahotako dia mitaky ny fahafatesako. Mamono tena aho rehefa manota. 
 
2. Ny fahotako dia tsy mitaky an’Andriamanitra hamonjy ahy, fa ny hahafaty ahy.
 

Mahavariana ny mieritreritra antsika olombelona sy izay rehetra tsy mety ataontsika, nefa mbola mihevitra ihany fa homena fiainana mandrakizay amin'ny fomba hafa ankoatry ny fomban'Andriamanitra!Ohabolana 14:12; 16:25 “Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.”
 

• Zava-dehibe ny hanatanterahan'Andriamanitra ny teny fikasany. Apok 21: 8 : Ireo izay tsy mibebaka dia tsy hiaina mandrakizay, na dia miresaka momba ny fahazoana fiainana mandrakizay aza ny fanekena (And 7):
(Apokalypsy 21:8) « Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. »(Apokalypsy 21:7) « Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. »
 

• Vao avy novakintsika ny Ezekiela 18:13 manao hoe: “... Ary ny ràny dia ho eo aminy.”

 

Ny fanekena vaovao ankehitriny
• Jak. 5:20 raha manota ny olona iray dia ho faty.

(Jakoba 5:20) « aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny lalan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be. »

 

• Mitaky ny fahafatesan'i Jesosy Kristy ve ny fahotako? Na raha lazaina amin’ny fomba hafa: Takiana ho faty noho ny fahotako ve i Jesoy Kristy? Jaona 8: 23-24: Ianao (izaho) dia ho faty amin'ny fahotantsika.

(Jaona 8:23) « Fa hoy Izy taminy: Hianareo avy aty ambany; Izaho avy any ambony; ianareo avy amin'izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin'izao tontolo izao; » (Jaona 8:24) « koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo ianareo; fa raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo ianareo. »

 
• Asan'ny Apostoly 18: 5-6, hoy i Paoly, “Ho eo an-dohanao ny fandavana an'i Jesosy Kristy.”

(Asan'ny Apostoly 18:5) « Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy. »(Asan'ny Apostoly 18:6) « Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho. »

 

Inona no nitaky ny fahafatesan'i Jesosy Kristy? Ny fitiavany antsika!

Amin'izany Fitiavana izany dia omena làlam-pamonjena maro isika amin'ny alàlan'i Jesoy Kristy: fiadananavokatry ny Fanahy Masinafiainana mamokatra sy feno…, fianakaviana, fiainana mandrakizay...

• Ny fahafatesan’i Jesosy Kristy ho an’ny fiainantsika ihany no ananantsika ireo karazam-pitahiana ireo!
Tsy maintsy mijery ny fahafatesan'i Jesosy Kristy ho antony ahafahana miaina isika(Romana 5:21, satria voavonjy noho ny fanomezany ny ainy isika (Romana 5:10). Ny fitsanganany tamin'ny maty sy ny fiainany ao anatintsika dia famonjena no tanjonyTe hamonjy antsika Izy (Rom 8:9-11).

(Romana 5:21) « mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. »(Romana 5:10) « Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin'Andriamanitra tamin'ny nahafatesan'ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin'ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina. »

(Romana 8:9-11) « Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. »(Romana 8:10) « Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa] »(Romana 8:11) « Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo. »

 

• Nahoana no maty ho antsika i Jesosy KrstyRom 5:8Fitiavana ho anatsika no antony! Tsy tonga naka zavatra tamintsika Izy, nomeny izay rehetra ananany ... Nanao sorona izy mba homena antsika.

(Romana 5:8) « Fa Andriamanitra mampiseho* ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. »

 

• Fahatezerana Ny Rom 5:9 manambara fahafatesana mandrakizay sy fandringanana, fandringanan'Andriamanitra, farihy afoNy ran’i Jesosy no hamonjy antsikaTsy mbola voavonjy manana fiainana mandrakizay anefa isikafa voavonjy amin'ny fanamelohana ho faty ihany; ary hovonjena isika rehefa atsangana amin'ny matyIzay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

(Romana 5:9) « Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin'ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin'ny ràny isika. »

 

• Noho izany, ao anatin'ny dingana isan'andro isikaRom 5:11Isika izao dia afaka mihavana amin'ny Ray. Tsy afaka nitranga izany raha tsy vonona ny ho faty i Jesosy Kristy.

(Romana 5:11) « Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin'Andriamanitra isika amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. »

 

• Izy nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao fiainana ratsy ankehitriny izao, araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika,Gal 1: 4.

(Galatiana 1:4) « Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy izao*, araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika; [* Na: izao andro ratsy izao] » (rafi-piaraha-monina).

 

Nisy ny olona nanohitra an'i Jesosy Kristy. Tian'izy ireo ny hamono ny toetrany sy hahafaty Azy mihitsy aza.

• Safidin’i Jesosy manokana anefa no hanekeny izany,Mat 20: 17-19.

(Matio 20:17) « Ary Jesosy, nony niakatra ho any Jerosalema, dia naka mangingina ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy ka niteny taminy teny an-dalana hoe: »(Matio 20:18) « Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy »(Matio 20:19) « ka hatolony amin'ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin'ny hazo fijaliana; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. »

 

• Taorian'ny nisamborana an'i Jesosy Kristy dia hitan'i Pilato fa tsy mendrika ny ho faty Izy, fa ny sasany kosa maniry ny hamonoana Azy, Lio 23: 13-25 v-23 Nisisika izy ireo.

(Lioka 23:20) « Ary satria tian'i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy. »(Lioka 23:21) « Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! »(Lioka 23:22) « Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy; koa hofaizako Izy, dia halefako. »(Lioka 23:23) « Fa niantso tamin'ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an'i Jesosy amin'ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon'ny olona. »(Lioka 23:24) « Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny. »

 

Fito Herinandro Taty Aoriana (Tamin’ny Pentekosta)…

Ny ankamaroan'ireto olona ireto ihany no tafangona indray ...(Asa 2:14) « Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: » (Asa 2:36) « Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. »

And-36: Tsy misy idiran’ireo mpianatra ny famonoana an'i Jesosy Kristy!
 
Inona no tanjon'Andriamanitra lehibe amin'ny fitandremana ny Paska?
 
• Tsy fandidiana fahamelohana mandrakizay tsy akory ...

• Tsy fampahatsiahivana isan-taona ny fandraisantsika anjara tamin'ny fahafatesan’i Jesosy koa, ary tsy ny fahatsapantsika ho meloka, izay ampahatsiarovan’Andriamanitra ny fahotantsika ankehitriny sy mandrakizay!

Mampiseho amintsika ny fitiavany Andriamanitra: Nanao sorona ho antsika tamin’ny alalan’ny Zanany Izy, ary manohy manao izany. Fampihavanana antsika Aminy izany, dia ho tonga amin’ny fiainana mandrakizay isika.

Nomena làlana iray isika ... ary tokony hanaraka izany.
Izany no hafatry ny Paska, Andriamanitra maneho ny fitiavany: 

(Jaona 3:16) « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanan-ilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. »

Mamindra fo sy be fitiavana Andriamanitra Ray sy ny Zanaka. Ny Jaona 3:17 mampiseho fa tsy fanamelohana, na hahatonga antsika mahatsiaro tena ho meloka no anton’ny Paska:

(Jaona 3:17) « Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [*Gr. hitsara] »

ð  Fisokafana amin'ny lalan'ny famonjena rehetra ny Paska.

 

Inona no nolazain'i Jesosy Kristy tamin'i Paoly momba ny Paska?

1 Kor 11: 23-26.Manambara ny fitiavan’Andriamanitra antsika isika ary mahatsiaro izany fanomezana izany: Jesosy Kristy vonona handoa ny fanamelohana antsika ho faty.

(1 Korintiana 11:23) « Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, » (1 Korintiana 11:24) « ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina] » (1 Korintiana 11:25) « Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo. » (1 Korintiana 11:26) « Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny. »

 
• Tsy afaka mandray fiainana mandrakizay amin'ny fomba hafa isika.

Tsy tokony hahatsiaro tena ho meloka isika satria maty i Jesosy Kristy na tsy maintsy maty ho an'ny fahotako Izy. TSIA, fanomezana izany!

Ahoana no hahatongantsika meloka ho amin'ny fahafatesana mandrakizay? - Raha tsy mandàary mampihatra io Fanomezana io amin’ny fiainanaisika (1 Korintiana 11:27-29). Andriamanitra dia mitaky antsika hanaiky ny fahafatesan'ny Zanany.

(1 Korintiana 11:27) « Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy. » (1 Korintiana 11:28) « Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka. » (1 Korintiana 11:29) « Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy. »

 
Ahoana no ahalalantsika ny Fitiavana?

1 Jaona 3:16 Mpanome izy. Mankatò an'Andriamaniny Izy. Toy izany koa no tsy maintsy ataontsika…

(1 Jaona 3:16) « Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. »

Romana 6: 3 Amin'ny alàlan'ny Jesosy Kristy dia afaka miova isika… Misafidy izany isika, mitady fanampiana;raha tsy izany tsy mahaymanao ny marina.

(Romana 6:3) « Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? »

Romana 6:22-23. Afahana amin'ny ota isika… Andriamanitra mampiseho antsika ny fomba hahazoana izany.

(Romana 6:22) « Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. » (Romana 6:23) « Fa fahafatesana no tambin'ny otaary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. »

 

FEHINY

Ny fahotantsika dia mitaky ny fahafatesantsika, fa ny 1 Jaona 1: 9manao hoe: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra”.

Tonga an-tsitrapo ho faty i Jesosy Kristy, satria tiany isika ary te hamonjy antsika Izy. Misafidy ny hanao an'io izy! Io no antsoina hoe famonjena. He 4: 14-15 Mpisoronabe ho antsika…

(Hebreo 4:14) « [Fampitahana an'i Kristy sy ny mpisoronabe] Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika. »(Hebreo 4:15) « Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. »

 

Ankehitriny dia novelarina ny fifandraisana ary mitombo ao amin’izany isika (I Kor 10: 16-17).

(1 Korintiana 10:16) « Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin*'ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin**'ny tenan'i Kristy va izany? [* sy **Na: fiombonana] » (1 Korintiana 10:17) « Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin'izany mofo iray izany avokoa. »

 

Tsarovy ny antony nahafatesany ho antsika!…