PASKA AO AN-TRANONAO
Nosoratan’i
HERBERT W. ARMSTRONG
(Toromarika fanampiny)
Fanomanana
Misy toriteny nataon'i Atoa
Armstrong amin'ny fiomanana amin'ny Paska (Passover Examination). Tokony hihaino ny toriteny momba ny Paska, andro
vitsivitsy alohan'ny Paska ianao; ny Sabata alohan'ny Paska dia fotoana mety
tsara.
Ny horonantsary ambara eto amin'ity pejy
ity dia Fankalazana ny Paska notarihin'Andriamatoa Armstrong tamin'ny 17 aprily
1981. Fakalazana feno ny Paska, izay misy fizarana. Ny fizarana tsirairay dia
manana fotoana fiatoana hahazoanao mitarika fankalazana ao an-tranonao.
Fizarana ahitana:
• Fampidirana /
Fotoam-panasan-tongotra (fiatoana 10:55 mn)
• Fotoam-pisakafoanana (fiatoana
20:24 mn)
• Fotoam-pisotroana divay
(fiatoana 23:23 mn)
• Famaranana
• Hira farany
Alaina amin’ny internet:
• Horonan-tsary: Paska Ao
An-Tranonao (Passover In Your Home habe:
206MB Format MP4).
• Hira:“Atolotro Anao ny
Fanahiko !”"To Thee
I Lift My Soul"
Torolàlana
avy amin'Andriamatoa Armstrong
Ny Paska voalohany nataon’i Jesosy niaraka
tamin’ny mpianany
Ny tenin’Andriamanitra
manondro izany dia ao amin’ny Lio 22:14-20, manao hoe:
« Ary
nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly. »
« Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska
ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. » « Fa lazaiko aminareo fa
tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny
fanjakan'Andriamanitra. » « Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka
nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo; » « fa lazaiko aminareo fa
hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho
mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra. » « Ary nandray mofo
Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity
no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana
Ahy. » « Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia
hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho
anareo. »
Mariho fa tamin’ny fotoana
voatondro, “nony tonga ny fotoana”, no nanoloran’i Jesosy ny mofo sy ny
kapoaka! Izany hoe misy ORA MARINA, ora voatondro, izay nohajain’i Jesosy, Izy
tenany, nomeny ho ohatra ho antsika.
Araka izany, Jesosy nandidy
antsika hitandrina izao, manao hoe: “Ataovy izao”. Inona no antony? “Ho
fahatsiarovana Ahy”, hoy Izy. Izany hoe: HO FAHATSIAROVANA – ny fahafatesany –
ary dia nampianariny ny mpianany tamin’izany alina mampangitakitaka izany,
talohan’ny fahafatesany.
Araka ny filazantsaran’
i, dia tamin’ny “nihinana” izy ireo”, no nandraisan’i Jesosy ny
mofo, sy namakiany azy (Mat 26:26), ary dia naoriny tamin’izany fotoana
nisakafoanana izany, ny didy lehibe lazaina hoe “Kominio” na “Fanasan’ny
Tompo”. Sakafo inona nefa izy io? Ny sakafon’ny Paska – izany no
lazain’ny Baiboly. Nihinana ny PASKA izy ireo! (Mat 26:17, Lio 22:15).
(Mat 26:17)
« Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira
dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay
hihinananao ny Paska? »(Mat 26:26) « Ary raha mbola nihinana izy, dia
nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny
mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako. »(Lioka 22:15)
« Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska
ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. »
Fantatr’i Jesosy fa
tonga ny fotoany. Izy no Paska ho antsika; ary voavono Izy (1 Kor 5:7). «
Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; »
« Fantatrareo
fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska*, koa ny
Zanak'olona dia hatolotra hohomboana amin'ny hazo fijaliana », hoy i
Jesosy talohan'izay (Mat 26: 2). [*Ny Andro Firavoravoana, faha
15 Nisana no lazainy eto. Mitovy amin’ny Deo 16:1]. Fantatr'i
Jesosy fa efa tonga ny fotoany. Izy mihitsy no Paska**;
Izy no Paska ho antsika; ary voavono Izy (1 Kor. 5: 7) [**Zanak’ondry
vonoinaindray no lazaina eto, ny Pasakan’i Jehovah], araka ny Lev 23:5
: « Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa
hariva, dia Paskan'i Jehovah. » Mitovy amin’ny Deo 16:2 : « Ary
vonoy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman'osy sy omby, eo
amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah hampitoerany ny anarany. »
Rahoviana no tandremana ny
Paska?
· Raha
miresaka ny Mofo Tsy Misy Masirasira ny Baiboly, dia izao no
hita: « Dia tandremo amin'ny fotoany isan-taona izao lalàna
izao. » (Eks 13:10). Rahoviana ny « fotoany » ? Indray
mandeha isan-taona, REHEFA HARIVA, aorian’ny filentehan’ny masoandro, amin’ny
fiandohan’ny faha 15 Abiba.
· Jesosy nanome fianarana ho antsika (1Pet 2:21), raha
nitandrina ny Paska ny tenany “tamin’ny fotoany”, tamin’ny ora
voatondro, indray mandeha isan-taona, faha 14 Abiba.
Inona
no tsy maintsy nitranga raha nanao izany tamin’ny ora sy andro hafa noho
izay notendren’i Jehovah ny Zanak’Isiraely? Ny valiny dia tsotra: rehefa
nandalo tao Egypta ilay anjelin’i Jehovah, dia ho tsy namela azy ireo tsy ho
faty! Jehovah dia manaja ora foana! Ara-potoana foana koa Izy! Notondroiny
mazava tamintsika ny ora marina hitandremana ny Paska, ary Jesosy dia nanao
izany “rehefa tonga ny fotoana”.
Raha tsy
afaka mankany aminy Fiangonan’Andriamanitra Miray ianao, hitandrina ny Paska,
dia azonao atao ny mitandrina azy io irery ao an-trano, na miaraka amin'ny
ankohonanao, toy izao manarka izao:
Alohan'ny fotoana, mividiana na manomboara mofo tsy misy lalivay. Misy Matzoth jiosy,
na Matzos, azo vidina eny amin'ny fivarotana lehibe. Ny Rye
Krisp dia tsy misy lalivay (tadiavo ireo soratra hoe "tsy misy
lalivay" eo amin’ny fonosana); mety hampiasaina io, na azonao atao ny
manamboatra mofo fisakatsy nasiana masirasira (tsy misy lalivay, leviora,
karbonetra, na zavatra hafa mampibontsina azy, toy ny atody nokapohina, sns). .
.
Raha misy
roa na maromaro ny mpandray anjara, ataovy vonona alohan'ny hanombohana ny
Fandraisana ny koveta fanasan-tongotra sy ny rano ary ny lamba famaohana.
Ataovy
vonona koa ny divay mena voajanahary, tsy betsaka. Ny ranom-boaloboka dia tsy
nampiasa na oviana na oviana tamin'ny Paska nataon'i Jesosy, ny Isiraely
taloha, na ny Fiangonan'ny Testamenta Vaovao. Ny divay ihany no nampiasain'izy
ireo, mifanohitra amin'ny fampianarana mamitaka ataon’ny sekta sasany, izay
nitsimoka tao anatin'ny 350 na 400 taona lasa. Tsy nisy fomba natao
hitahirizana ranom-boaloboka tamin'ny andron'ny Baiboly. Maty ny
ranom-boaloboka, fa manana ny Fiainana ny divay - ary noho izany, dia maneho ny
ran'i Jesosy, izay fiainany (satria olona Izy). Jesosy mihitsy aza dia nampiasa
divay. Tsy misy zavatra hafa mety. Ny Jiosy dia mampiasa divay mandraka
androany, ary efa izany foana no nampiasainy. Ataovy azo antoka fa divay
voajanahary sy tsy nampiana alikaola. Ny tahan'ny alikaola dia eo anelanelan'ny
10% ka hatramin'ny 13%. Ny divay misy alikaola 19% ka hatramin'ny 20% dia
nampaherezina tamin’ny fomba manokana, ary tsy tokony hampiasaina. Vakio
tsarany etikety hahafantarana ny tahan’ny alikaola. Tokony ho divay mena
voajanahary no ampiasaina.
Aoka ianao
ho vonona hitandrina ny Paska amin'ny takariva, raha vao maty ny masoandro,
alohan’ny maizimbe. Ataovy azo antoka fa voaomana tsara ilay efitrano ary
madio. Asio mofo tsy misy lalivay kely ary vera kely misy divay (isaky ny olona
iray), voaomana eo amin’ny lovia na latabatra. Tsy mihoatra ny eran’ny sotro
fihinanana ny divay atao ao anaty vera kely tsirairay, ary alohan'ny
fandraisana dia apetraka eo ambony latabatra; saromana lamba fotsy madio tsara
ireo marika ireo (ny mofo tsy misy lalivay sy divay).
Rehefa
tonga ny fotoana hanaovana ny fandraisana, dia aoka hiditra amim-pahanginana ao
anaty efitrano nomanina ny fianakaviana. Avelao ny lohan'ny fianakaviana (ny
lahy na ny ray) hitarika ny Fandraisana fohy sy lehibe. Ny ankizy tsy niova fo
sy tsy vita batisa tsy tokony handray anjara. Tsy misy olon-dehibe tokony
hanatrika afa-tsy izay zanak'Andriamanitra tena niova fo sy vita batisa. Tsy
tokony hisy ny vahiny miditra, na resaka, na fihomehezana, na hatsikana, na
adihevitra. Mivory amin’ny fotoana lehibe indrindra ao anatin’ny taona iray manontolo
ianareo. Tokony ho amim-panajana tanteraka no idiran’ny rehetra ao
amin'ny efitrano.
Eo
am-panombohana, tsara ampahatsiahivin’ny mpitarika amin’ny rehetra, fa ity no
fotoana faran'izay masina amin'ny taona, ho an’ny fiangonana - ny
tsingerintaona nahafatesan'ny Tompo sy Mpamonjy antsika, ary “Fandraisana” iray
fahatsiarovana ny nahafatesany.
Aoka ny
mpitarika ny Fandraisana hanokatra ny Baiboly ary hamaky ny Lioka 22: 7-8 sy
14-15; avy eo ny Mat 26:17, ary 26-30; avy eo ny torolalan'i Paoly ao amin'ny
1Kor 11: 23-30. Vakio avy eo ny Jao 6: 53-54, raha tsikaritry ny mpitrika fa
ilaina ho an'ny Kristiana rehetra io lalàna io. Vakio avy eo ny Jao 13: 1-17.
Raha misy
roa na maromaro ny mpandray anjara, ataovy ny fifanasoan-tongotra. (Tokony
hatao vovona alohan'ny hanombohan’ny Fandraisana ny koveta fanasan-tongotra sy
rano ary lamba famaohana.) Raha misy olona efatra na mihoatra, roa na mihoatra
ny isan’ny lahy sy ny vavy, dia mety raha mitokana ny lehilahy mifanasa
tongotra, ary ny vehivavy toy izany koa. Raha olona irery ny mitandrina ny
Paska, dia tsy misy fanasan-tongotra.
Avy eo,
aorian'ny fanesorana ny koveta, ny lamba famaohana sy ny rano, ary voalamina
tsara ny efitrano, dia esorin’ny mpitarika ny fotoana ny lamba manarona ny mofo
sy ny divay. Dia manondrika ny lohany izy, ary mivavaka, ka misaotra sy
mangataka amin'Andriamanitra hitahy ny mofo, ho tandindon'ny tenan’i Kristy
notorotoroina ho antsika (ho fanasitranana ara-batana). Avy eo, vakiny madinika
ny mofo, dia zaraina tsirairay amin’ny rehetra, hohaniny amin’ny fahanginana.
Avy eo,
dia mivavaka eo ambonin'ny divay ilay mpitarika ny fotoana, ary mangataka
amin'Andriamanitra hitahy izany amin'ity fampiasana masina ity ho mariky ny ra
nalatsak’i Kristy ho famelana ny fahotantsika. Avy eo, zaraina ny vera misy ny
divay ho sotroin’ny tsirairay amim-panajana, ho fanavaozana ny fanekena ny
ran'i Jesosy Kristy ho famelana ny fahotantsika. Averina eo amin'ny lovia na
latabatra ny vera; saromy amin'ny lamban-databatra miaraka amin’ny ambin’ny
mofo tsy nampiasaina.
Avy eo ny
mpitarika dia mamaky mafy ny ampahany amin'ny Jao 13:18 hatramin’ny toko
faha-17. Ireo no teny nolazain'i Jesosy tamin'ny mpianany taorian'ny Sakafon’ny
Paska farany niarahany tamin'izy ireo, taloha kelin'ny nisamborana azy ho
homboina tamin’ny hazofijaliana. Satria somary lava izany Soratra Masina
izany, dia mety raha soratin’ny mpitarika amin’ny taratasy ny ampahany sasany
amin'ireo toko sy andininy ireo, fa tsy hamaky azy rehetra izy.
Aorian'ity
famakiana Soratra Masina ity, dia manaova hira raha azo atao, ary hararaoty,
miala moramora ny efitrano tsy misy resaka ny tsirairay.
Ity
Fandraisana ity dia azo tandremana, raha ilaina, ho an'ny olona iray, na roa,
na mihoatra. Raha roa na mihoatra, dia tokony hampidirina ny fifanasana
tongotra.
Rehefa tapitra ny fotoam-pivavahana ary rehefa nandao ny efitrano ny olona, ny
tompon'andraikitra dia tokony hanapotika ny ampahany amin'ny mofo sy ny divay
sisa tavela, izay nentina tao amin'ny efitrano nanaovana ny Fandraisana,ka efa
notahina. Aza entina ao amin'ilay efitrano anaovana ny fandraisana ny
tavoahangy, fa izay kely efanarotsaka mialoha tao amin'ireo vera kely ihany.
Raha fantatrao ny tena isan'ny olona mandray anjara amin’ny fotoam-bavaka dia
tsy hisy sisa tavela ho simba. Ny divay sy mofo nampidirina tao anaty efitrano
hanaovana ny fotoam-pivavahanaihany,izay nanaovana vavaka nandritra ny
fotoam-pandraisana, ireo ihany no tokony ho potehana! Tsy misy mofo na divay
notahina tamin'ny vavaka ho solon’ny vatana sy ran'ny Mpamonjintsika,ka
hohanina amin'ny antony hafa, aorian'ny Fandraisana. Hodorana ny mofo sisa, ary
hariana ny divay sisa tavela.
Ireo torolàlana
ireo dia alefa am-pitiavana avy amin'ny pasiteranao,
Herbert W. Armstrong
Recette, Sakafo
Mofo Paska
Zavatra ilaina
• lafarinina
varimbazaha ½ kg
• sira 2
sotrokely
• menaka oliva 4
sotro
• Rano,
mari-panan’ny efitrano
Torolàlana:
Lafaoro mafana 250o
• 1. Afangaroy ny
lafarinina sy sira.
• 2. Ampio menaka
sy rano ampy hanamboarana koba henjana.
• 3. Zarao ho
sombintsombiny kely azo polesina amin’ny tanana ny koba.
• 4.
Fisaho eo ambony hazofisaka norarahana lafarinina ny sombin-koba,
tsondrotsondromy amin’ny forsety izy rehetra. (Manampy amin'ny fanalana ny
rivotra)
• 5. Fariparitana moramora ny koba, mba ho mora vakina amin’ny habeny ilaina
amin’ny Paska ny mofo, rehefa masaka.
• 6. Endasina amin'ny vilany nasiana menaka manify ny mofo, mandra-pahamasany,
mahazo loko volontany, malefaka. (Tokony ho 10 minitra)
Tsarovy:
• Ny lakozia dia
tokony hatao tsy misy lalivay mialoha.
• Avelao
hitambatra ny mofo, tsy vaky, mandra-pahatonga ny harivan'ny Paska. (Eks 12:46;
Jao 9:36)
Hira : Atolotro Anao Ny Fanahiko !
Sal
25:1-7
1. Atolotro
Anao, ny aiko, Tompo O!
Fa
Hianao no itokiako, Tsy ho menatra aho.
Aoka
tsy hifaly ahy ny fahavaloko;
Eny tsy
hisy homenatra ‘zay re’tra miandry Anao.
2. Ampahafantaro
ahy, ny làlanao, Tompo O!
Ampianaro ahy ny sitraponao, Tompo O!
Ny fahamarinanao no itariho ahy,
Fa Ianao Andriamanitray, no iandrasam-pamonjena.
3. Tsarovy ny
antranao, sy indrafo, Tompo O!
Fa
hatrizay ireny, tamin’ny mpanomponao.
Aza
tsarovanao intsony ny heloko;
Aoka
mba hahatsiaro ahy ny famindramponao.