Manomana vaoaka ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra (Asa 22 :21)
Miomana ho amin’ny Paska
Tenin’Andriamanitra
ü Mpits 10:6-16
ü Mat 17:14-21
ü Gal 4:17-31
1.2.1- Mpits
10:6-16
[Ny nihemoran'ny Isiraely indray, sy ny
namalian'Andriamanitra azy]
(Mpits 10:6) « Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny
andriamanitr'i Syria sy ny andriamanitr'i Sidona sy ny andriamanitr'i Moaba sy
ny andriamanitry ny taranak'i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia
nahafoy an'i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy. »(Mpits 10:7) « Dia
nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo
an-tànan'ny Filistina sy ho eo an-tànan'ny taranak'i Amona Izy. »(Mpits
10:8) « Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak'Isiraely ireo tamin'izany
taona izany: valo ambin'ny folo taona no nampahoriany ny Zanak'Isiraely
rehetra, izay tany an-dafin'i Jordana, tany amin'ny tanin'ny Amorita any
Gileada. »(Mpits 10:9) « Ary nita an'i Jordana ny taranak'i Amona mba
hiady koa amin'ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak'i Efraima; ka dia
nahantra indrindra ny Isiraely. »(Mpits 10:10) « Dia nitaraina
tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay,
satria efa nahafoy an'Andriamanitray ka nanompo ireo Bala. »(Mpits 10:11)
« Ary hoy Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo
tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak'i Amona ary ny Filistina
va Aho? »(Mpits 10:12) « Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny
Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin'ny
tànany. »(Mpits 10:13) « Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo
andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony. »(Mpits
10:14) « Mandehana, ka mitaraina amin'ireo andriamanitra efa nofidinareo;
aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny andron'ny fahantranareo. »(Mpits
10:15) « Ary hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah: Efa nanota izahay;
ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay
anio. »(Mpits 10:16) « Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy
ka nanompo an'i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho
ny fahantran'ny Isiraely. »
1.2.2 – Mat 17:14-21
[Ny nahasitranan’i Jesosy
ilay zazalahy nampahorian’ny demonia]
(Mat 17:14) « Ary rehefa tonga teo amin'ny
vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesosy, dia nandohalika
teo anatrehany ka nanao hoe: »(Mat 17:15) « Tompoko, mamindrà fo
amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika
izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny rano. »(Mat 17:16)
« Ary nitondra azy tamin'ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy
izy. »(Mat 17:17) « Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy
mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo?
Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento aty amiko izy. »(Mat 17:18)
« Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana
ilay zazalahy tamin'izay ora izay. »(Mat 17:19) « Dia nankao amin'i
Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka
azy? »(Mat 17:20) « Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny
finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra
ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe:
Mifindrà ery, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. »(Mat
17:21) « * [*Kanefa iny karazana iny tsy mivoaka raha tsy avoaka amin'ny
fivavahana sy ny fifadian-kanina)] »
1.2.3 – Gal
4:17-31
[Ny fanahian’i Paoly momba
ny Galatiana sy ny amin’i Hagara sy Saraha]
(Gal 4:17) « Mazoto mila fitia aminareo izy ireo,
nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto
anareo hila fitia aminy kosa. »(Gal 4:18) « Fa tsara raha ilam-pitia
amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho. »(Gal
4:19) « Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i
Kristy ao anatinareo, »(Gal 4:20) « enga anie ka ho tonga eo aminareo
aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo. »(Gal
4:21) « Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va
ny lalàna? »(Gal 4:22) « fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka
roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny anankiray tamin'ny tsy
andevo. »(Gal 4:23) « Kanefa ilay tamin'ny andevovavy dia nateraka
araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin'ny teny
fikasana. »(Gal 4:24) « Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa
vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin'ny tendrombohitra Sinay ka
miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara izany. »(Gal 4:25)
« Ary* ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly
amin'i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany. [* Na:
(Fa)] »(Gal 4:26) « Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika,
dia tsy mba andevo. »(Gal 4:27) « Fa voasoratra hoe: Mifalia,
ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola
mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manana-bady
(Isa. 54. 1). »(Gal 4:28) « Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny
fikasana tahaka an'Isaka. »(Gal 4:29) « Kanefa tahaka ny tamin'izany
andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia
tahaka izany koa ankehitriny. »(Gal 4:30) « Nefa ahoana no lazain'ny
Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny
andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10). »(Gal
4:31) « Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky
ny tsy andevo. »
TORITENY
Dr. Daniel Rakotondravony - Fiangonan'Andriamanitra Miray
[Ny nihemoran'ny Isiraely indray, sy ny namalian'Andriamanitra azy]
[Ny nahasitranan’i Jesosy ilay zazalahy nampahorian’ny demonia]
[Ny fanahian’i Paoly momba ny Galatiana sy ny amin’i Hagara sy Saraha]
==>Mila hazavaina izay ifandraisan’ireo teny ireo amin’ny Fanomanana
vahoaka hiditra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
1. – Mpits 10:6-16
[Ny nihemoran'ny Isiraely
indray, sy ny namalian'Andriamanitra azy]
Izao no voatantara amin’ny Tenin’Andriamanitra:
Mpits 10:6 Ary ny
Zanak’Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah
Niodina niala tamin’i Jehovah indray ny Zanak’Isiraely,
ary nanompo andriamani-kafa.
(1)
Tao amin’ny
fombam-pivavahana Kananita, raha misy olona manompo tsara ny andriamaniny, dia
afaka koa izy mandray anjara amin’ny vavaka ho amin’ny famokarana, ka
fombam-pijangajangana no nentina nanantanteraka izany. Ny fitadiavana
fitomboam-bokatra tany amin’ny andriamani-tsi-izy dia namela malalaka ny
fifandraisan’ny fombam-pivavavahana tamin’ny fombam-pijangajangana.
(2) Tahaka izany koa, misy ireo izay mampianatra fa ny
fitiavana tena Kristiana sy ny fanaovana firaisana ara-nofo hono, indraindray,
dia azo tanterahina any ivelan’ny fifaneken’ny mariazy. Ampianariny amin’izany
fa ny famonjena dia avy amin’ny famindrampo maimaim-poana, ary ny famindrampo
dia mahakasika avy hatrany ny karazam-pahotana rehetra. Misy mihitsy aza no
milaza fa tsy mba anisan’ny fahotana ny fitondrantena toy izany. (Lazainy hoe: Davida sy Solomona nanambady maro!).
(3) Ny fampianarana toy izany dia fanodikodinana sy fanolanana ny
famonjen’Andriamanitra ho an’ny olony, ary tsy maintsy lavin’izay rehetra
matoky an’Andriamanitra sy ny Teniny (jereo Mat 7:21:“Manao ny
sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra”: Fepetra hidirana ao amin’ny Fanjakana: finoana+fibebahana+batisa.
Mpits 10:7 Dia nirehitra
tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah
Ny fahatezerana noho ny ota sy ny faharatsiana dia
famaliana noho ny amin’ny fahamasinan’Andriamanitra. Fanehoany ny fahatsarany
sy ny fitiavany ny fahamarinana izany. Raha misy mpino mahatsapa
fahatezerana noho ny fahotana, na noho ny fahalozana, na noho ny
faharatsiana, na noho ny tsy fahamarinana, dia tsy azo heverina ho fahotana
ny fahatezerana amin’izany satria fiombonana amin’Andriamanitra eo amin’ny
fitiavany fahamarinana sy fankahalana ny ratsy (jereo Mar 3:5; Rom 1:18,
naoty; Heb 1:9). Fahotana kosa ny fahatezerana raha miteraka tsy
fahamarinana, toy ny herisetra ho valifaty, nany vono olona sy ny toy
izany.
Mpits 10:7 Nivarotra azy ho eo an-tànan'ny Filistina sy ho eo an-tànan'ny taranak'i
Amona
Raha nifanandrina tamin’ny Amonita teny am-pita
atsinanan’ny ony Jordana i Jefta, i Samsona kosa niatrika ny Filistina teny
amin’ny ilany andrefana. Izany toe-javatra izany dia ahazoana manambara fa nisy
fotoana nifanitsaka tamin’ny fotoana nitondran’ireo mpitsara sasany.
Pits 10:16 Tsy nahatsindry
ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran'ny Isiraely
Na dia mendrika ireo Zanak’Isiraely ireo aza ny
fahoriana nahazo azy, dia nahakasika lalina ny fon’i Jehovah ny fahantran’izy
ireo.
(1) Ny fahoriany sy ny fahantrany dia nahakasika ny fon’i Jehovah, tsy hafa
fa toy ny fangorahan’ny ray be fitiavana ny zanany tratry ny fahasahiranana
lehibe. Amin’ny lafiny iray anefa dia nahavaky ny fon’i Jehovah koa ny fahitana
azy ireo tao anaty korontana (Eze 6:9), ary voatery anaty noho izany Izy
hamindra fo amin’izy ireo (Hos 11:7-9).
(2) Ampy mizara ho an’ny mpanota rehetra ny famindrampon’Andriamanitra, dia
ho an’ireo izay mizaka ny vokatry ny nataony, nefa mibebakaarymitady
famelan-keloka. Amin’ny toe-javatra toy izany dia afaka miantehitra
tanteraka amin’Andriamanitra tokoa ny fahantrantsika sy ny fijaliantsika, ary
afaka hamindra fo amintsika, ka hamerina antsika eo amin’ny toerana
hahazoantsika indray ny fitahiany.
(3) Ny alahelon’Andriamanitra an’izao tontolo izao, very noho ny fahotana,
no nahatonga Azy haniraka ny Zanany Lahitokana hampihavana ireo mpanota ireo
aminy indray (Jao 3:16).
FEHINY:
Manakaiky ny fotoana hiatrehana ny Paska ny
fiangonana. Omen’Andriamanitra antsika ny teny ao amin’ny Mpitsara 10:6-16
mba handinihantsika tena. Mampitandrina Jehovah fa tsy sitrany ny
fanompoan-tsampy, ka tsy hamonjy antsika izy raha tsy mibebaka tanteraka
amin’izany, miala amin’ny fanaovan-dratsy rehetra, indrindra raha hiatrika ny
fitandremana ny Paskan’i Jehovah sy ny fetin’ny Mofo Tsy Misy
Masirasira. Dingana voalohany amin’ny Planin’ny famonjena izany. Hoy
Jesosy: (Mar 1:15) « Efa tonga ny
fotoana, ka efa akaiky ny Fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa
ny filazantsara. » (Mar 16:15) « Ary hoy
Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny
filazantsara amin'ny olombelona rehetra »(Mar 16:16) « Izay
mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina »(Mar
16:17) « Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka
demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy
izy; » (Mar 16:18) « handray menarana izy; ary na dia misotro
zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny
marary izy, dia ho sitrana ireny ».
2. –Mat 17:14-21
[Ny nahasitranan’i Jesosy ilay zazalahy nampahorian’ny
demonia]
Matio 17:15:« Tompoko,
mamindrà fo amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa;
fa matetika izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny
rano. »
ð (Matio 4:24) « Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny
olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny
fangirifiriana, dia ny demoniaka* sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny
paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.[*Demoniaka = olona nidiran'ny demonia;
izahao Mat.7.22] »
Mat 17:17 Tsy mino sady efa nivadika
Hita taratra eto amin’ity texta ity ny fomba fahitan’i
Jesosy ireo mpianatra sy fiangonana izay tsy manao asa fanompoana ao amin’ny
fiainan’ny hafa araka ny tena herin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
(1)
Ny tsy fahavitana
mamonjy izay ampahorian’i Satana na ny demonia (and 15-21), noho ny tsy
fahampian’ny finoan’izy ireo; izao no voasoratra:
ð
(Mat 17:15)
« Tompoko, mamindrà fo amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra
tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny
rano. » (Mat 17:16) « Ary nitondra azy tamin'ny mpianatrao aho, fa
tsy nahay nahasitrana azy izy. » (Mat 17:17) « Ary Jesosy namaly ka
nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no
hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento aty amiko
izy. » (Mat 17:18) « Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy
ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay ora izay. » (Mat 17:19)
« Dia nankao amin'i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana
izahay no tsy nahavoaka azy? » (Mat 17:20) « Ary hoy Jesosy taminy:
Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha
manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io
tendrombohitra io hoe: Mifindrà ery, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho
hainareo hatao. » (Mat 17:21) « * [*Kanefa iny karazana iny tsy
mivoaka raha tsy avoaka amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina)] »
ð Ampaherezin’i Jesosy isika hazoto hianatra ny Tenin’Andriamanitra mba
hitombon’ny finoantsika, hitomboan’ny firaisantsika amin’ny Fanahy Masina, ka
hampahery antsika amin’ny fandresena an’i Satana. Ny torohevitra omeny eto dia
ny haharetantsika amin’ny vavaka sy fifadian-kanina, mba handresena
ny ratsy.
ð Tsarovy koa ny fampaherezany manao hoe: “Tsy mety raha tsy mivavaka
mandrakariva ka tsy reraka” … (Lio 18:1-10).
(Lio 18:1) « Ary Jesosy nilaza fanoharana
taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka, »(Lio
18:2) « dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy
natahotra an'Andriamanitra, na mena-maso olona. »(Lio 18:3) « Ary
nisy mpitondratena tao amin'izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka
nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay manana ady amiko. »(Lio 18:4)
« Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe
izy: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso
olona, »(Lio 18:5) « mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa
manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra
ahy. »(Lio 18:6) « Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain'ilay mpitsara
tsy marina. »(Lio 18:7) « Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny
olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra
va Izy? »(Lio 18:8) « Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy.
Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va
Izy? »(Lio 18:9) « Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny
sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa; »(Lio 18:10)
« Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka, ny anankiray
Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra. »
(2) Ny tanjon’ny Fanahy Masina amin’ny nandraketana an-tsoratra ireo
zava-boalazan’ny Matio 17:14-21 ireo dia tsy ny hampivohitra fotsiny
ilay hoe nandroaka demonia i Jesosy, fa ao koa ny faniriany mba hanaovan’ny mpinatra toy izany amin’ny finoana
(and 20-21).
ð Amporisihin’ny Fanahy Masina isika hanao fanasitranana sy fandorahana
fanahy ratsy. Hoy Jesosy: (Lio 18:7) « Fa Andriamanitra tsy hanome rariny
ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa
hitaredretra va Izy? »!
Diso fanantenana sy malahelo Jesosy rehefa injay ny
olony tsy mandray anjara amin’ny asa fanompoana ataony hanoherana ireo herin’i
Satana (10:1; 18:8; Mar
9:28-29; Lio 9:1; Jao 14:12).
Mat 10:1 - Ny fahefana hamoaka fanahy maloto.
Tian’i Jesosy hiady amin’ny herin’ny ratsy ny
mpanaradia Azy, ka sady handroaka fanahy maloto no hanasitrana ny marary.
Endrika maharitra isehoan’izay mino ny Filazantsaran’ny
Fanjakan’Andriamanitra izany fanehoam-pahefana mandroaka fanahy maloto
izany. Toy izao no nolazan’i Jesosy momba an’izany:
ð (Mar 1:1) « Ny
niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra. » (Mar 1:15) « Efa tonga ny fotoana,
ka efa akaiky ny Fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny
filazantsara. » (Lio 4:43) « Fa
hoy Izy tamin’ny mpianany: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny
amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria
izany no nanirahana Ahy. » (Lio
8:1) « Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy
ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa
ambin'ny folo lahy nanaraka Azy. »
ð (Lio 9:1)
« Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome
azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina. »
(Lio 9:2) « Ary Izy naniraka
ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. »
(Lio 10:1) « Ary nony afaka
izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy
tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa
halehany. » (Asa 1:3)
« sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa
velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny
fanjakan'Andriamanitra. » (Mar
16:15-16) « [Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo
izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra] »
« [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no
hohelohina] »
Matio 17:20 - Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza
ianareo … dia tsy hisy tsy ho hainareo hatao
Matetika i Jesosy no manazava ny toetran’ny tena finoana
marina ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Resahiny eo izany finoana
mahafindra tendrombohitra, mahavita fahagagana sy fanasitranana, ary
mahatanteraka zava-dehibe ho an’Andriamanitra. Ohatra:
(1)
Ny tena finoana dia
finoana mandaitra ary misy vokany: “hifindra” ny tendrombohitra”.
(2)
Ny tena finoana dia
tsy fitokisana ny “finoana” ho hery anakiray, fa “finoana an’Andriamanitra” koa
(Mar 11:22).
(3)
Ny tena finoana dia
asan’Andriamanitra ao am-pon’ny Kristiana (Mar 9:24; Fil 2:13). Misy
fahatsiarovan-tena apetrak’Andriamanitra ao am-pontsika ao mampahafantatra fa
misy valiny ny vavaka atao (Mar 11:23). Ny Fanahy Masina no mahary izany ao
anatintsika, fa isika mahaforona izany ao an-tsaintsika fotsiny (Rom 12:3; 1Kor
12:9).
(4)
Satria moa
fanomezana atolotr’i Kristy antsika ny tena finoana, dia zava-dehibe ny
hanatonantsika an’i Kristy sy ny Teniny, ka handinihantsika lalindalina kokoa
ny fanoloran-tenantsika ho Azy sy ny fitokiantsika Aminy (Rom 10:17; Fil
3:8-15). Amin’ny zavtra rehetra, dia Izy no ianteherantsika; “raha misaraka
amiko kosa ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona” (Jao 15:5; Jao 3:27;
Heb 4:16; 7:25). Izany hoe tsy maintsy mikatsaka an’i Kristy tompon’ny
finoantsika sy Mpanefa Azy isika (Heb 12:2). Ny fanatrehany antsika akaiky sy
ny fankatoavantsika ny Teniny no loharano sady tsiambaratelon’ny finoana (9:21;
Jao 15:70).
(5)
Ny tena finoana dia
eo ambany fitantanan’Andriamanitra. Miorina amin’ny fitiavany, ny fahendreny,
ny fahasoavany ary ny Fanjakany ny fanomezana ny finoana. Omeny izany
mba hanatanterahana ny sitrapony sy ho fanehoany ny fitiavany antsika, fa tsy
natao hampiasaina ho an’ny tombontsoantsika manokana (Jak 4:3).
Matio 21:21 – Finoana tsy miahanahana
(Matio 21:21) « Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe:
Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana,
dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny
amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka
mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. »
1Kor 13:2 – Mila manana ny fitiavana araka an’Andriamanitra koa
anefa ny finoana
(1 Kor 13:2) « Ary na dia manana faminaniana aza aho
ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na
dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy
manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. »
3. – Gal4:17-31
Tohizo vakina amin’ny Toko faha 5 hahafantarana tsara izay tian’ny Soratra Masina ho
lazaina momba ny hoe “zioga fanandevozan’ny
lalàna” = Famorana ny nofo!
Ny nofo manohitra ny Fanahy!
Gal 4:19 Aharariako
indray amin’ny fahaterahana
Ny fahararian’ny fiterahana dia fanehoana an-tsary ny
fanelanelanana apostolika ataon’i Paoly sy ny fitaintainany ary ny ezaka
ara-batana ataony, mandram-pahitany ny faharian’i Kristy ao amin’ireo Galatiana
ireo, izay efa tafasaraka tamin’i Kristy sy efa lavo niala tamin’ny fahasoavana
noho izy ireo nitady “hohamarinina amin’ny alalan’ny lalàna” (Gal 5:4), manao
hoe: « Dia tafasaraka amin'i Kristy
ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala
tamin'ny fahasoavana ianareo. »
Asehony ho toy izay mila fahaterahana ara-panahy
fanindroany indray izy ireo, ary ny tenany koa ho toy ny reny izay mbola
iharan’ny faharariam-piterahana indray mandeha indray, mba hampiorina tsara azy
ireo ao amin’i Kristy, ary Kristy ao amin’izy ireo.
Gal 4:22 - Abrahama
nana zanaka roa lahy
Fampisehoana an-tsary no ampiasain’i Paoly hanazavana ny
fahasamihafana misy eo amin’ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao. I Hagara
no mampiseho ny fanekena taloha, izay natao tany amin’ny tendrombohitra Sinay
(Gal 4:25); eo ambanin’izany fanekena izany no iveloman’ireo zanany mandrake
ankehitriny satria araka ny nofo (and 23) izy ireo, izany hoe tsy nateraky ny
Fanahy Masina. I Saraha kosa, ilay vadin’i Abrahama hafa, dia mampiseho ny
fanekena vaovao; ny zanany rehetra, izany hoe ireo mino an’i Kristy, dia manana
ny Fanahy, ary tena zank’Andriamanitra marina tokoa satria “nateraka tamin’ny
herin’ny Fanahy” (and 29).
Gal 5:1-15 - Ny
Fahafahana ao amin’i Kristy
[Famporisihana ny Galatiana tsy hahavery ny fahafahany, fa hazoto handroso
amin'ny fitondran-tena tsara]
(Gal 5:1) « Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i
Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga
fanandevozana intsony. »(Gal 5:2) « Indro, izaho Paoly milaza
aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely
akory aza Kristy. »(Gal 5:3) « Ary lazaiko marina indray
amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny
lalàna rehetra izy. »(Gal 5:4) « Dia tafasaraka amin'i Kristy
ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala
tamin'ny fahasoavana ianareo. »(Gal 5:5) « Fa izahay amin'ny Fanahy
sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana* ny fahamarinana. [* Na:
fanantenan'] »(Gal 5:6) « Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy
mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana** izay miasa amin'ny fitiavana. » [**
Finoana ny Fanjakan’Andriamanitra] (Gal 5:7) « Hianareo nihazakazaka
tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina? »(Gal 5:8)
« Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin'ilay miantso anareo. »(Gal 5:9) « Ny masirasira kely dia
mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa. »(Gal 5:10)
« Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory
ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na
zovy izy. »(Gal 5:11) « Fa
izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana*** ihany, nahoana aho no
mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo
fijaliana. »[*** Famoranana ny
fo]. (Gal 5:12) « Enga anie ka hiesotra**** aza izay
mampitabataba anareo. [**** Na: hanakilema tena] »(Gal 5:13) « Fa efa
nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho
entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny
fitiavana. »(Gal 5:14) « Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny
lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). »(Gal 5:15) « Fa raha mifandramatra sy
mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana. »
[Ny nifandiran'ny
sasany ny amin'ny famorana, sy ny nataon'ny Apostoly sy ny loholona tany
Jerosalema tamin'izany]
(Asa 15:1) « Ary ny olona sasany izay nidina avy
tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon'i
Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena. »
(Gal 2:12) « Fa fony tsy mbola tonga ny sasany avy
tany amin'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny jentilisa ihany izy (Petera na
Kefasy); fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra
ny momba ny famorana izy. »
(Gal 2:13) « Ary ny Jiosy sasany koa
niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan'ny
fihatsaram-belatsihiny koa. »(Gal 2:14) « Fa rehefa hitako fa tsy
nandeha mahitsy araka ny fahamarinan'ny filazantsara ireo, dia hoy izaho
tamin'i Kefasy teo anatrehan'ny olona rehetra : Raha ianao izay tena Jiosy aza
no manao tahaka ny fanaon'ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon'ny Jiosy,
nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon'ny Jiosy? »(Gal
2:15) « Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin'ny
jentilisa, »(Gal 2:16) « nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina
amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia
nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy,
fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny
asan'ny lalàna. »(Ga 2:17) « Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i
Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mlpanota, moa mpanompo ny ota va
Kristy? Sanatria izany! »(Gal 2:18) « Fa raha ny zavatra efa noravako
no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho. »
(Asa 7:8) « Ary nomeny fanekena amin'ny famorana
izy. Ary dia niteraka an'Isaka izy ka namora azy tamin'ny andro fahavalo;
ary Isaka niteraka an'i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin'ny
folo lahy. »
(Rom 2:29) - « fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny
famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny
fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra. » - (Rom
4:11) « Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny
fahamarinana amin'ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho
rain'ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho
an'ireny ny fahamarinana, »
Ny antsoina hoe miankina sy te ho hamarinina amin’ny lalàna dia ireo izay
te hoforana ara-nofo hanantanterahana ny fanekena tamin’i Abrahama, ary koa
hamono biby hatao fanatitra hanatanterahana ny fanekena natao tamin’i Mosesy. Ireo no lalàna izay mpitaiza ho amin’ny finoana
mandrapahatongan’i Jesosy Kristy. Rehefa tonga Jesosy Kristy nanatanteraka izay
nambaran’ireo lalàna ireo, dia tsy ilaina intsony ireo fa ny famorana ny fo no ilaina, ary ny sorona nataon’i Jesosy Kristy tamin’ny
tenany no misolo ireo fitondrana biby hatao fanatitra alatsa-drà.
Paoly manome tsiny ny Galatiana izay manaraka FILAZANTSARA HAFA noho izay notorin’ny
tenany, sy notorin’i Jesosy Kristy (Gal 1:6).
Ny Filazantsaran’ny
Fanjakan’Andriamanitra no notorin’i Jesosy Kristy, sy notorin’i Paoly koa.
ð Filazantsara notorin’i Jesosy Kristy: (Mar 1:1) « Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy,
Zanak'Andriamanitra. » - (Mar 1:15)
« Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha
ianareo ka minoa ny filazantsara. » - (Lio 4:43) « Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny
fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany
no nanirahana Ahy. » - (Lio 8:1)
« Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra
nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny
folo lahy nanaraka Azy. » - (Lio
9:1) « Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome
azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina. »
(Lio 9:2) « Ary Izy naniraka
ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. »
- (Lio 10:1) « Ary nony afaka
izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy
tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa
halehany. » - (Asa 1:3)
« sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona
Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny
fanjakan'Andriamanitra. » - (Mar
16:15-16) « Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo
izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra »
« Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no
hohelohina ».
ð Filazantsara notorin’i Paoly. (Asa 28:30) « Ary Paoly
nitoetra roa taona ngarangidina tao an-trano nohofany ka nandray tsara izay
rehetra nankeo aminy, » (Asa 28:31)
« dia nitory ny fanjakan'Andriamanitra ka nampianatra ny amin'i Jesosy
Kristy Tompo tamin'ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana. » [60 taona taorian’i Kristy izany].
Gal 5:16-26 Ny fiainana amin’ny Fanahy
(Gal 5:16) « Fa hoy izaho: Mandehana araka ny
Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. »(Gal 5:17)
« Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary
mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra
tianareo. »(Gal 5:18) « Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy
mba ambanin'ny lalàna. »(Gal 5:19) « Fa miharihary ny asan'ny
nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, » (Gal 5:20)
« fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana,
adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, » (Gal
5:21) « fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany,
izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao
izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. »(Gal 5:22) « Fa
ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po
fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, »(Gal 5:23)
« fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy
misy lalàna manohitra izany. »(Gal 5:24) « Fa izay an'Kristy
Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo
fijaliana. »(Gal 5:25) « Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha
araka ny Fanahy. »(Gal 5:26) « Aoka isika tsy handrani-tena foana ka
hifampihaika sy hifampialona. »
Gal 5:17 Ny Fanahy
manohitra ny nofo
Ny fanoherana ara-panahy ao anatin’ny mpino dia
mahakasika ny tenan’ny olona manontolo. Ny ady dia hahitana na hanaiky ho resy
eo anatrehan’ny filan’ny ota ara-nofo izy ka hanaraka izay baikon’ny fahotana,
na kosa hankatò ny fitarihan’ny Fanahy ka haharitra amin’ny fanarahana an’i
Kristy (and 16; Rom 8:4-14).
Ny toeram-piadiana dia ao anatin’ny tenan’ny Kristiana
ihany, ary mitohy mandritra ny androm-piainany ety an-tany izany ady izany,
raha toa izy ka tokony hiara-manjaka amin’i Kristy (Rom 7:7-25; 2Tim 2:12; Apo
12:11; Efe 6:11).
Ho an’Andriamanitra
irery anie ny voninahitra! Amena. Haleloia!